Korea Avaratra: anatin'ny ady psikolojika koa ny hatsaràn-tarehy

Lasa olo-malaza any Korea Atsimo indray izao ny mpandroso sakafo Koreana Tavaratra izay mitovy be amin'ny mpilalao sarimihetsika Koreana Tatsimo. Nahazo jery an'aliny maro ny horonantsary iray ao amin'ny Youtube, mampiseho tovovavy mpianatry ny kolejy midera ny hatsaram-panahin'ny fitondràna amin'ny fianakaviany mpanefoefo. Ireo mpitsoa-ponenana Koreana Tavaratra nankany Korea Atsimo dia milaza fa tetika fampielezan-kevitra fotsiny.

Sarin'ny mpandroso sakafo Koreana Tavaratra (havia) sy ny mpilalao sarimihetsika Koreana Tatsimo Kim Tae-hee (havanana)

Nanomboka nalaza tamin'ny tontolon'ny fitoraham-blaogy Koreana Tatsimo ity mpandroso sakafo ity, raha nahatsikaritra ny bikany ireo Koreana nitsidika rano fisakafoanana Koreana Tavaratra tany Kambodza ary nampiakatra ireo sariny tany min'ny vohikalan-dry zareo. Avy hatrany dia nahazo anarana hoe ‘Kim Tae-hee an'ny Korea Avaratra’ ilay mpandroso sakafo noho ny endriny mitovy amin'ny mpilalao sarimihetsika Koreana Tatsimo malaza. Ireo mpampiasa aterineto Koreana sasany dia miantso azy hoe andriamani-bavy Koreana Tavaratra na ny antony hampihavanana Korea roa. Na ireo trano fisakafoanam-panjakàna Koreana Tavaratra aza dia nahasarika kely ny saina noho izy.

Ireo mpitoraka blaogy politika mavitrika kosa dia manoro hevitra ny vahoaka handalina kokoa noho izay hitan'ny maso. Ny mpitoraka blaogy NKinside dia naneho hevitra tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Miasa ho an'iza i Kim Tae-hee an'ny Korea Avaratra?’ fa ireny vehivavy tsara tarehy ireny dia mpiasa ho an'ny tsombon-tsoan'ilay mpanao didy jadona Koreana Tavaratra, Kim Jung Il.

북한 식당은 해외에서 많이 운영되고 있다. 대표적으로 평양 옥류관을 들 수 있다. 평양, 개성, 금강산 등 북한 내에도 식당이 있지만, 북경, 상해, 캄보디아 등 해외에 많은 분점을 운영 중이다. 그리고 모두 미모의 아가씨들이 서빙을 보고 있는데, 이는 외화벌이를 위해 북한에서 파견된 아가씨들이다. 낮타임(12시반경) 밤타임(19시경) 하루 두번 무대에서 노래 공연도 이뤄진다. 옥류관의 정책으로 손님들의 사진 촬영, 기자들의 인터뷰 요청에 거절없이 호의적으로 응한다. 북한 아가씨들의 미모를 홍보하는 차원일 듯…힘들게 번 월급의 대부분이 김정일 주머니로 들어가고 있는 실정이다.

Maro ireo trano fisakafoanana Koreana Tavaratra any amin'ireo firenena vahiny. Ohatra tsara amin'izany ny Ok-ryu Gwan any PyongYang. Manana sampana izy ireny, tsy ao PyongYang, Gaesung ary Mt. Kumgang ihany, fa any Beijing, Shanghai ary Kambodza koa. Saika amin'izy rehetra, ireo vehivavy tsara tarehy alefa avy any Korea Avaratra hikarama vola vahiny dia mandroso sakafo daholo. Misy mihitsy aza ny fanaovana mozika in-droa isan'andro, manodidina ny amin'ny 12:30 atoandro ary amin'ny 7ora hariva. Afaka miara-maka sary amin'ireo mpanjifa sy mitafa amin'ireo mpanao gazety ireo mpandroso sakafo ireo. Toa ny mandoka ny hatsaràn'ny Korea Avaratra… Ary ny ampahany betsaka amin'ny vola valin-kasasaran-dry zareo dia miditra any am-paosin'i Kim Jung-il avokoa.


Sarin'ny horonantsary avy amin'ny blaogin'i An Chi-yong
, efa azo jerena.

Tsy voalohany izao i Korea Avaratra no manindry amin'ny alalan'ny fampiasàna ny hatsaràn-tarehy. Iray volana lasa izay, navoaka tao amin'ny vohikalan'i Youtube ireo horonantsarin'ny Koreana Tavaratra iray mpianatry ny kolejy manasohaso ny fitondràna ary manabaribary ny fianakaviany mpanefoefo sy ny fiainany amin'ny maha-mpanankarena azy. Ity vehivavy Koreana Tavaratra ity dia avy amin'ny Anjerimanontolom-pampianarana any PyongYang izay zanaky ny fianakavian'ny debadeba ihany no mahazo miditra ao. Nideradera izy fa ny fitondràna no nandoa ny tranony vaovao sy mijoalajoala, ary mandrabiraby amin'ny olan'ny tsy fananan-kialofana any Korea Atsimo. Nahazo anaram-bositra hoe ‘ny tovovavin-kolejy Endrik'i Korea Avaratra’ (‘endrika’ ilazana olona tsara endrika) ilay tovovavy any amin'ny tontolon'ny fitoraham-blaogy Koreana Tatsimo.

Esoeso avy hatrany no navalin'ireo Koreana Tatsimo ilay horonantsary. Ny mpitoraka blaogy Minazz99 dia nanamarika sary ihomehezan'ny ankamaroan'ireo mpampiasa aterineto hafa, ilay tovovavy Endrika mampiasa solosaina finday amerikana HP vaovao sy ny Hangul, rindram-baiko fanoratana vita Koreana Tatsimo, vokatra avy amina firenena roa lazain'ny fitondràna Koreana Tavaratra ho ilay fahavalom-panjakàna sy ilay governemanta mpamadika.

…북한의 얼짱여대생이 미제 노트북을 사용하는 장면을 두고 네티즌 사이에서 비판의 목소리가 거세지고 있답니다. 영상물을 접한 네티즌들은 미국을 철천지 원수라고 지칭하면서 노트북은 왜 미제껏을 쓰는지,,70년대 대남 선전용 홍보물처럼 진부한 내용과 흑색선전 뿐이다라는 지적의 목소리를 높이고 있다고 하네요.

Mihamafy ny tsikeran'ny mpampiasa aterineto momba ilay tovovavin-kolejy Endrik'i Korea Avaratra mampiasa solosaina finday amerikana. Ireo mpampiasa aterineto nijery ny sary dia nanamarika ny (esoeson'ny) fampiasàna solosaina finday amerikana raha manameloka ny Etazonia ho fahavalo mahafaty ary naneho hevitra tamin'ilay horonantsary fa endrika hafa amin'ny fomba fanaovan'ny Korea Avaratra fampielezan-kevitra izay nalaza tany amin'ny taona 1970 tany.

Manampy fanazavàna lalina amin'ity tranga ity koa ny mpitsoa-ponenana Koreana Tavaratra iray monina any Séoul. Nanoratra i Jang Jin-sung tao amin'ny blaoginy fa nanomboka tamin'ny nifehezan'ny Korea Avaratra ny fiakanjo sy taovolon'ny tsirairay, ireo “mpitsikilom-panjakana” tsy maintsy miditra any amin'ny fiaraha-monina Koreana Tatsimo ihany no mahazo manao ny fiakanjon'i Korea Atsimo. I Jang dia niasa ho mpitantsoratra tamin'ny Antokon'ny mpiasa mitondra an'i Korea Avaratra nialoha ny nifindrany tany Korea Atsimo tamin'ny 2004. Namotopototra ity hetsika Koreana Tavaratra ity ho tetika hanatsaràna ny endriny taorian'ny tranga tany Cheonana izay namoizana aina tantsambo Koreana Tatsimo 46 i Jang.

동영상의 여주인공을 북극성 요원으로 보는 이유는 북한 일반 여성들에겐 불법이나 다름없는 그의 남다른 최신 헤어스타일이다. 폐쇄적인 북한에선 옷이나 머리도 개인의 사상적 표현으로 간주한다. 더욱이 강력한 통제사회에서 선전물에 등장하는 인물은 모든 면에서 엄격하게 전형화 된다…이런 이유로 북한에서 유일하게 남한 노래들만 전문적으로 연주하고 부르는 통전부 소속 ‘북극성’ 요원들만은 헤어스타일, 억양, 옷차림을 남한의 최신 유행에 맞춘다…아마도 통전부는 천안함 도발로 극대화된 저들의 공격적 이미지를 미모의 여성심리전을 통해 순화시키려고 한 것 같다.

Ny antony iahiahiako azy ho “mpitsikilom-panjakana” an'ny Kintana Avaratra dia ny taovolony. (Kintana Avaratra no anaran'ny Departemantan'ny asam-pitsikilovana any Korea Avaratra) Any Korea Avaratra mihidy ara-piaraha-monina, raisina ho fanehoana ny fironana ara-politikan'ny olona ny fomba fiakanjony sy ny taovolony. Miavaka fa ny olona atao fitaovana amin'ny fampielezan-kevitra ihany no afaka mampiseho ireo endrika manivaka ao amina fiaraha-monina voafehy toy izao…. Noho izany dia ireo mpiasan'ny Kintana Avaratra avy amin'ny Biraon'ny Fampihavanana an'ny Antokon'ny mpiasa ihany no manana alalana hanaraka ny lamaody Koreana Tatsimo amin'ny taovolo, fomba fiakanjo ary fomba fiteny… Mino aho fa ny Biraon'ny Fampihavanana an'ny Antokon'ny mpiasa dia manandrana ny manadio ny endrika mampihorohoro ananan'ny Korea Avaratra amin'ny alalan'ny ady ara-tsaina amin'ny hatsaràn-tarehy.

Raha manandrana manakaiky moramora ny fitondràna Koreana Tavaratra, tsy mitsahatra ny mipoitra kosa ny endrika ratsin'ny toekarena Koreana Tavaratra sy ny fahasalamàny. Ny tokony ifantohan'ny governemanta dia ady amin'ny hanoanana fa tsy ady ara-tsaina amin'ireo fahavalo any ivelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.