- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Zazakely iray mpitoraka blaogy miarahaba an'izao tontolo izao

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fanabeazana, Tanora

[1]Vao 6 taona monja i  Salma no nanomboka nanana blaogy [2] [Ar] voalohany tamin'ny taona 2008, izy angamba no mpitoraka blaogy Maraokana zaza indrindra. Niarahaba an'izao tontolo izao izy tamin'ireto teny ireto:

مرحبا يا أصدقاء بكم في مدونتي
أنا اسمي سلمى
عمري ست سنوات ونصف
أدرس بالقسم الأول بمدرسة الجاحظ
أنشأ لي أبي مدونة هنا
لأكتب فيها اسمي والعنوان وأعرفكم بعمري
وأعرفكم باسم معلمي
وإذا كتبت كتابة ورسمت رسما
سوف أعملهم في المدونة

Miarahaba anareo namako aho!
Tongasoa eto amin'ny blaogiko.
Salma no anarako.
Enin-taona sy tapany aho.
Mianatra ao amin'ny sekoly “Al Jahed” ao amin'ny ambaratonga voalohany aho.
Ny Raiko no namorona ity blaogy ity ho ahy, mba ahafahako manoratra ny anarako, ny taonako, ny adiresiko ato ary mba ahafahako  mampahafantatra anareo ny mpampianatra ahy.
Raha te hanoratra na hametraka sary aho dia ataoko ato anatin'ity blaogy ity.

Tsy dia manoratra zavatra matetika ao amin'ny blaoginy i Salma fa indraindray ihany, ary raha te hanoratra tantara fohy na sarin'ny sekoliny sy ny mpampianatra azy izy dia tsy maintsy eo imason'ny raiamadreniny:

[3]

Salma receiving a prize at school

Taorian'ny fiatoana izay naharitraritra ihany, dia mahita indray ny  aingam-panahiny i Salma (niverina indray tamin'ny volana aprily) ary mizara ny olana mahazo azy isan'andro any am-pianarana amin'ny mpamaky ny asa sorany izy. Manoratra izy:

زميلتي التي تجلس إلى جانبي في قسم اللغة العربية تحب نفسها كثيرا وتظن أنني ضعيفة وهي قوية لقد أصبحت أكره قسم اللغة العربية بسبب مضايقتها لي وهي تدفعني عند قراءة النص وتلدغني بأظافرها فلا أركز مع أستاذي الذي لايهتم بمشكلتي فأنا أشتكي له وهولا يعاقبها ولم ينقلها من قربي ولهذا قررت إذا لدغتني ألدغها و إذا دفعتني أدفعها ولن أسمح لها بمضايقتي مرة أخرى.

Ny mpiara-mianatra amiko izay mipetraka eo akaikiko amin'ny taranja fianarana ny teny Arabo dia manambony ny tenany foana ary mihevitra izy hoe izaho malemy ary izy dia matanjaka. Nanomboka nankahala ny taranja fianarana ny teny Arabo aho satria tsy mitsahatra ny mila vaniny amiko izy. Atosiny aho ary tsongoiny isaky ny mamaky lahatsoratra. Lasa tsy afaka mifantoka amin'ny fampianaran'ny mpampianatra aho ary izy rahateo koa moa tsy miraharaha ny olana mahazo ahy mihintsy. Na dia mitaraina aminy aza aho, dia tsy saziny akory ilay ankizy na asainy mifindra any amin'ny toeran-kafa fotsiny. Izay no nahatonga ahy nanapa-kevitra hoe manomboka androany raha vao manongo ahy izy dia ho tsongoiko koa, ary raha manosika ahy indray izy dia ho atosiko koa ary tsy avelako handrebireby ahy intsony izy.

Tsy dia fantatra mazava tsara hoe firy ny isan'ny ankizy mpitoraka blaogy eo amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ary mety misy ny hanontany tena hoe manomboka amin'ny firy taona ny ankizilahikely/ ankizivavikely iray no tokony ho afaka manana blaogy, fa ny zavatra tena azo antoka dia izao: ny asa soratr'i Salma izay milaza ny marina sy amin'ny filaza mahitsy dia mahatonga ny blaoginy ho tsy manam-paharoa sy mahaliana tokoa. Rariny tokoa raha amporisihana sy arahana hatrany izy.