- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inde: Avy amin'ny tora-bato teny an-dalamben'i Kashmir ka hatramin'ny fanoherana ny Facebook

Sokajy: Azia Atsimo, India, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Politika, Tanora, Teknolojia, Zon'olombelona

Potik'ireo ady sisintany [1] misy eo amin'i Inde, Pakistana sy Sina ny Faritra mahatehotian’ ‘i Kashmir [2] , hatramin'ny nialan'ireo voanjo Britanika mpanjanaka tany Inde tamin'ny taona 1947. Tanatin'ireo ady vitsivitsy ireo, samy nitaky faritra maro samihafa amin’ i Kashmir avokoa ireo firenena rehetra ireo, izay miainga amin'ireo fivoarana ara-tantara sy ireo fifandraisana ara-pinoana amin'ny vahoaka Kashmiri .

Jammu, Kashmir & Ladakh. Image by Wikimedia Commons. CC BY [3]

Faritr'i Jammu sy Kashmir ary Ladakh

Tantanan'i Inde ny faritr'i Jammu sy Kashmir [4] fa manana ny fizakantenany manokana kosa izy araky ny Andininy faha 370 ao amin'ny Lalàmpanorenan'i Inde. Izy irery ihany koa no fanjakan'i Inde ka manana ny sainany manokana. Hatramin'ny faramparan'ny taona 1980, nitondra ady ela sy misy rà mandriaka teo amin'ireo miaramila sy ireo herim-piarovana Indiana any amin'iny faritra iny ny famerenana ny herisetra nataon'i Pakistana . Nomena fahefana manokana ny Tafika Indiana any Jammu sy Kashmir tamin'ny alalan'ny Lalànan'ny tany miady [Armed Forces Act] [5], izay tena voakiana mafy mihitsy hatraiza hatraiza.

Mangotraky ny fihenjanana sy ny haromontana i Kashmir hatramin'ny voalohan'ny volana Jona rehefa nivoaka fa hoe nahafaty ankizy lahy telo tsy manan-tsiny notondroin-dry zareo ho mpihoko hono ireo herim-piarovana Indiana. Mitohy ihany ireo fanoherana mahery vaika izay nahatonga ny ampahan'ny faritra ho tsy afa-mihetsika, ary tanora Kashmiri an-jatony no nosamborina [6]. Manazava [7]ny tranga mafana niseho vao haingana tany Jammu sy Kashmir i Jason Oberdorf ao amin'ny Global Post:

Ny alim-ben'ny Talata lasa teo (6 Jolay 2010), nampiasa voalohany ny tafika, hatramin'ny taona 1990, i New Delhi hiady amin'ireo fanoherana ao Kashmir, ary nolazaina fa nahafaty ny olon-tsotra telo amboniny indray ny balan'ny polisy, ary mampakatra ny fitambaran'isa ho 15 izany ao anatin'ny volana iray. [..]

Miraradraraka ny fanehoan-katezerana mila ho tonga hatrany amin'ny fankahalàna ny herim-piarovana Indiana avy amin'ny tanora Kashmiri any anaty Facebook sy ireo tambajotra socialy hafa.

Mety ho sarotra ny hamaky ireo lahatsoratra mikasika an'i Kashmir ireo araky ny loharanom-baovao. Raha ny haino aman-jery avy any Pakistana dia mety handika ny fitoraham-bato toy izao ka hanao lohateny goavana hoe “mandràra ny fanoherana ireo fananiham-bohitra ataon'i Indiana i Kshmir: Mila fahafahana, Pakistana, [8]ny haino aman-jery Indiana kosa mety hametraka ny tora-bato ho toy ny hoe “Fihantsiana ataon'ireo rantsana anti-national [9]” . Misy ireo lahatsoratra milaza fa mety ho hadisoana namboarin’ [10] ny haino aman-jery Indiana izany .

Ankoatry ny fanakanana ireo mpanohitra tsy hitora-bato dia miatrika ihany koa ireo endrika vaovaon'ny fihokoana ireo miaramila Indiana. Tena miha-mampiasa hatrany hatrany ireo fitaovan'ny haino aman-jery ara-tsosialy ireo mpanohitra, toy ny Facebook, Twitter, MySpace, hi5, Orkut sy ny Kashmir Friend [11], izay tambajotra ara-tsosialy natokana ho an'ny vahoakan'i Kashmir. Milaza [12] i Simantik Dowerah ao amin'ny Live Mint fa “misy marina ny vondrona mpitora-bato Kashmiri izay izy tenany ihany no nanoratra ny anarany ao amin'ny Facebook.” Mitatitra [13] miaraka amina saripikan'ny fàfana ny The Kashmir ny amin'ny antony mahatonga ireo tanora ho fototra, amin'ny fifampizarana ireo horonan-tsary mihetsika Jihadi.

Raha mitohy mananika ny herisetra, ny governemanta ao Jammu sy Kashmir kosa dia manakana ny tolotra simaiso (SMS) [14] manerana ny tany lemaka mba ho ezaka hanajanona ny fipariahan'ny vaovao sy ireo tsaho. Nefa afaka niaina ny fahalalahana ireo Kashmiri, ary mijanona ho afa-mifandray sy mifampizara vaovao amin'ny alalan'ny Facebook araky ny nolazain’ [15] ny Hindustan Times. Maro ireo tranonkalam-baovao toy ny Kashmir Dispatch sy Kashmir no mampiasa Facebook mba hanakàrana ireo mponin'ny aterineto .

The Police patrol the streets of Srinagar, Kashmir, on the lookout for protesters and separatist troublemakers. [16]

Misafo ny araben'i Srinagar, Kashmir, eo am-pitadivana ireo mpanohitra sy ireo mpanakorontana ireo polisy

Ao anatin'izany rehetra izany, misy ny filazana fa manara-maso akaiky [17] ireo mpampiasa Facebook ny Polisy . Nilaza [17] ny The Daily Rising Kashmir fa efa nanomboka mitsikilo tsikelikely ireo mpampiasa Facebook any amin'ny distrikan'i Anantnag [18] Kashmir Atsimo ( Islamabad teo aloha ) ireo manam-pahefana izay itarainan-dry zareo ho “manentana” ireo vahoaka hanohitra ny fanjakana .

Manoratra fanoherana [19] i Sagar avy any Srinagar ao amin'ny blaoginy “Tragedy Of Errors: My Kashmir”, izay mamehy ny fijalian'ireo Kashmiri:

Toheriko tsy fahombiazan'ny vahoaka mamolavola ny hoaviko, toheriko ny tsy fahampian'ny maha-olombelona avy any amin'ireo (tsy)herim-piarovantsika, toheriko ireo ompà miverimberina, toheriko ireo haino aman-jery mampiasa ny hirifiriko hampakarana ny tahan'ny mpanaraka azy, toheriko ny tsy fijerena lavitra ananan”ireo rehetra mpitondra antsika, toheriko ny tsy fisian'ny na dia iray aza tamin'izy ireo tonga am-pilaminana sy mangataka fifonana, toheriko ny fibaikoana ahy hihidy aman-trano noho ny heloka tsy nataoko akory, toheriko na iza na iza, fa tsy Kshmiri kosa, mitady laza 5 minitra ao amin'ny fahitalavitra afa-tsy ny Kashmiri ihany aho, toheriko ireo tsikera tsy misy ilàna azy sy tsy misy dikany izay atao eo amin'ny toerako, toheriko ireo mpanao gazety milaza fa lafiny iray monja momba ny tantara amin'izao tontolo izao …

Manankiana [20] ireo politika sy ireo mpanao politika ho ny anton’ ireo fanoherana ireo i Being Cynical ao amin'ny Desicritics:

Hatry ny fahagola no efa nahatsiaro ho voasakantsakana/voafehifehy ireo Kashmiri – noho ny politikantsika sy ny toe-tsain'ireo mpanao politikantsika nanafana hatrany ny resaka Kashmir ho an'ny tombon-tsoany manokana. Raha mijery ilay horonantsary ianao, tena manadala ny mahita ireo tanora zara raha misy 20 taona mitoraka vato an'ireo mpitandro filaminana. Raha mamotopototra lalina ianao dia mety hahita fa ireo tovolahy ireo ihany no teraka tamin'ny fotoana nampangotrak'ady an'i Kashmir ary ny fiainany mandrak'androany dia tao anaty herisetra, zavatra mahatsiravina, tsy firaharahiana, tsy fisian'ny mpitantana ary mazava ho azy, fampihorohoroana. […]

Mino mihitsy aho fa mety tsy hahafantatra akory ny antony hanaovan'izy ireo fihetsiketsehana na ny olona izay torahany vato, ny ankamaroan'ireo tanora manohitra an-kerisetra ireo.

Manamarika ireo mpandalina [21] sasany fa ‘Intifada vaovao’ ireo fanoherana ireo. Manome hevitra [22] mikasika ireo fanoherana ataon'ireo tanora Kashmiri ireo i Arjimand Hussain Talib ao amin'ny Dateline Srinagar:

Tsy ho rava ny fihetsiketsehan-dry zareo satria mavitrika ity taranaka ity – miparitaka manerana izao tontolo izao. Manana ny teknolojia izy eo an-tanany – Aterineto, finday, fakan-tsary raitra, YouTube, Facebook, sns. Mitahiry ireo zava-misy ao Kashmir amin'izao fotoana izao izy ireo ho an'ny taranaka manaraka. Ary manaparitaka izany amin'izao tontolo izao mba hanintonana ny sainy.

Misy ireo tatitra [23] fa miezaka ny hifehy ny fivezivezin'ny vaovao ny governemanta eo an-toerana, amin'ny fanakatonana ireo famoahan-dahatsoratra sy ny fanagiazana ireo gazety malaza tsy hivoaka. Nanjary voasakana amin'ny fitaterana ireo fihetsiketsehana ireo ny mpanao gazety. Hiankina amin'ny mpampiasa Facebook sy Twitter izao tontolo izao ho an'ireo vaovao tselatra avy any amin'ny faritra. Fa ao aorian'ny fanakanana ny simaiso (SMS), hanasazy ireo tambajotra ara-tsosialy koa ve ny governemanta ao Jammu sy Kashmir ?