- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ireo lehilahy sy vehivavy tsy tokony hifanomezanao fotoana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Hehy, Vehivavy sy Miralenta

Nanomboka izao rehetra izao nony injay ilay Ejiptiana mpitoraka blaogy sady mpi-tweet malaza , Sandmonkey [1], nandefa fanampim-baovao roa toy izao manaraka izao tao amin'ny Twitter.

@Sandmonkey [2]: ny vehivavy izay ny horonantsary ankafiziny dia ilay Zazavavindrano kely. #womenyoushouldntdate [3]
@Sandmonkey [4]: ny vehivavy izay ny mpanoratra ankafiziny dia i Paulo Coelho. #womenyoushouldntdate [3]

Ary ny azo antoka dia ilay mpitoraka blaogy iray hafa sady mpandàla ny maha-vehivavy, Lastoadri [5], tsy namela fotsiny ny fotoana fanararaotra toy izao handalo fotsiny tsy hisy valiny niampy lisitra avy aminy misy ny “Ireo lehilahy tsy tokony hifanomezana fotoana [6]“.

Ary tampotampoka teo, ni-tweet daholo na lahy na vavy – hatramin'ny sasany avy any ivelan'i Ejipta aza – nifamaky ady ny andaniny sy ny ankilany, ady iray izay nahazo laka tao amin'ny Tweeter tamin'ny Alakamisy lasa teo tamin'ny alalan'ireto teny fototra roa ireto , #womenyoushouldntdate [3] sy #menyoushouldntdate [6].
Indreto ary vitsivitsy amin'ireo tweets tsara indrindra nalefa tamin'izany:

Resaka momba ny fahitalavitra no nafotaka

Be ny olon-droa mandany fotoana maro amin'ny androm-piainan-dry zareo manoloana ny vata fahitalavitra, manodidina ny hoe tiana na tsy lanin'ny vavonin-dry zareo, ary ny fomba fikirakiran-dry zareo izay zavatra avoakan'ny TV dia tena mitàna toerana lehibe tokoa amin'ny fisafidianan-dry zareo ny silam-panahy mendrika azy.

@Lastoadri [7]: Andriamanitra telo izay iray // RT @avilarenata [8] ireo lehilahy izay mahatsiaro ny tari-dàlan'i The Hitchhiker ho amin'ny resaka  Galaxy sy ny Adin'ny Kintana #menyoushouldntdate
@egpod [9]: ireo vehivavy tsy misaina fa ny maha-telo izay iray an'Andriamanitra Ray dia efa hatrizay hatrizay, ka manoratra azy hoe  “andriamanitra ray” #womenyoushouldntdate
@mazloum [10]: Ireo vehivavy izay mahita ny lalao video ho an-jaza. #womenyoushouldntdate
@Sandmonkey [11]: ireo vehivavy izay mihevitra fa azon'izy ireo kitihana ny fibaikoan-davitra rehefa mijery fahitalavitra ianao #womenyoushouldntdate
@Lastoadri [12]: ireo lehilahy matimatin'ny hifehy ny fibaikoan-davitra.. #Menyoushouldntdate
@hiperkarma [13]: ireo bandy sy sipa izay kely monja na tsy misy mihitsy ny fitoviam-pijery aminy sy ianao ao amin'ny  Last.FM [14] #womenyoushouldntdate #menyoushouldntdate

Ny fahitalavitra, vao ny zavatra hafa
Aorian'ny  TV, manaraka ratsy eo – na tsara  – ny fahazàrana, ny resaka fikolokoloana manokana ny tena, sy zavatra maro samihafa.

@TarikSalama [15]: Ireo vehivavy izay mihevitra fa ny fanaovana bikini sy fanalàna volon-tongotra dia asa fanao rehefa lohataona fotsiny ihany#womenyoushouldntdate
@EngyG [16]: Tsy maintsy nametraka ity fisainana iray ity aho, ireo lehilahy mihevitra fa azon-dry zareo atao ny milalao ny bongany sy ny filahiany eny imasom-bahoaka tpt [ Avy amin'ny mpandika : tpt=tapa-tsinay] #menyoushouldntdate
@NoraYounis [17]: ireo lehilahy mihevitra fa ny fanalàna fofona [deodorants] dia mahavonjy amin'ny zavatra rehetra#menyoushouldntdate
@laylaanwar [18]: tsy hay ny hamela ity fisainana iray ity –  ireo lehilahy miloloha gel fanao amin'ny volo efa ho 20 taonina sy/na ireo manao bàn-kiraro fotsy#menyoushouldntdate
@avilarenata [19]: ireo lehilahy mifoka sigara sy pipa. #Menyoushouldntdate
@miqla3 [20]: #MenYouShouldntDate , ireo mpanao fanatanjahantena midoroka, ireo loham-baolina sy adàlana fifaninanana hazakaza-piarakodia!
@marionnette90 [21]: #menyoushouldntdate ireo izay manja lavitra noho ianao!
@Wild_atHeart [22]: ireo lehilahy izay mihevitra fa azo rabirabiana ireo sipa manao jeans rehefa hita mivoaka ny boxers anaovan-dry zareo [Avy amin'ny mpandika: ny boxer dia karazana silipo somary miendrika kilaoty fohy] #Menyoushouldntdate
@ramikh81 [23]: ireo manontany anao momba ny tononandronao #womenyoushouldntdate
@Hisham_G [24]: ireo vehivavy mihevitra fa ny hoe “Iza no rainao?” dia fanontaniana manana valiny azo isafidianana 🙂 #womenyoushouldntdate

Ny fahendrem-bahoaka
Maro no mety handray ireo tweets tetsy ambony, miaraka amin'ireo lahatsoratra am-blaogy Siriana [25] sy Jordaniana [26] teo aloha, ho tena loharano marin'ny fahendrena, raha betsaka ihany koa no manohitra mafy an'izany.

@TravellerW [27]: Tsy maintsy lazaiko, misy fahendrena tsy hita fetra ao anatin'ny fifanakalozan-dresaka #womenyoushouldntdate / #menyoushouldntdate. Mba nisy nandray an-tsoratra ve?
@Omar_Yusuf [28]: Vakio #womenyoushouldntdate sy #menyoushouldntdate .. dia tsy hisy na iza na iza intsony hifanao fotoana aman'olona :))
@ehaitham [29]: #womenyoushouldntdate kôfa azo tsaraina ho mandany fotoana mi-tweet  #menyoushouldntdate raha tokony hisaina ny tsy fahatanterahany manokana izy ireo.

Tandremo! Aza manandrana an'ity ao an-tokantrano!
Ary farany, mila mampitandrina anareo izahay fa ny tweets sy ny lahatsoratra anaty blaogy tahaka izao dia natao hanalàna azy fotsiny ihany.

@Lastoadri [30]: ireo lehilahy izay mandray ho tena izy ny tenifototra #menyoushouldntdate .. #menyoushouldntdate