- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Resahina amin'ny aterineto ny tetikasa momba ny lalam-pifidianana vaovao

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fifidianana, Politika, Teknolojia, Vonjy Voina, Akon'ny RuNet
Transparent ballot boxes - one of the propositions of the new codex, photo by Rama [1]

Vatam-pifidianana mangarahara – iray amin'ireo tolokevitra amin'ilay lalàna vaovao, sary nalain'i Rama

Tamin'ny volana lasa, ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Rosiana, mpanara-maso fifidianana,”Golos [2]” (A Voice) dia namoaka [3] [RUS] safidy iray amin'ny ho lalam-pifidianana  tamin'ny aterineto , izay heverina hitondra mankamin'ny fifidianana malalaka, marina, ary mangaraharaha any Rosia. Iray amin'ireo ohatra vitsivitsy vaovao amin'ireo vakiraoka-na volavolan-dalàna navoitra ampahibemaso tamin'ny aterineto ity .

Nandray kohin-dàlana ratsy ny fahalalahana sy ny fangaraharan'ireo fifidianana tany Rosia niaraka tamin'ny fahalanian'ny Filoham-pirenena faharoan'i Rosia  Vladimir Putin. Ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2000 sy ny fifidianana ny Duma (parlemanta) tamin'ny taona 1999 no fifidianana farany neken'ny Organization for Security and Co-Operation any Eoropa (OSCE) [4] [EN] ho “mifanaraka tsara amin'ireo fitsipika ara-demokratika ekena iraisam-pirenena.” Tsy nahavita ny fepetra notakian'ireo fifidianana ara-demokratikan'ny  OSCE sy ny Kaonsilin'i Eraopa [Council of Europe] ireo fifidianana rehetra taty  Niova ireo fomba fanao rehetra amin'ny fifidianana sy ny lalàna mifehy izany izay nambara ho eo manana endrika “demokrasia notarihan-dàlana [5]” [EN] ary taty aoriana ho “demokrasia manana ny fiandrianany [6]” mba hisakanan-dàlana ny mpanohitra sy hamerana ny zon'ireo mpifidy. Tafiditra ao anatin'ireo fanovàna ny lalàna, ny fanalàna ireo fifidianana governora tamin'ireo faritra Rosiana, fampiakarana ny fetra hidirana ao amin'ny Duma avy amin'ny 5 ho 7 isan-jaton'ny vato ho an'ireo antoko politika, fanenjanana ny zavatra takiana amin'ireo antoko politika sns. Vokany, nitontongana ny isan'ireo antoko politika niala avy amin'ny ampolony ka lasa fito [7] [RUS] sisa (ary efatra monja no voasolo tenaao amin'ny Duma  ).

Tamin'ny faran'ny taona 2008, nifamotoana ireo vondrona manam-pahaizana 31 tsy miankina momba ny fifidianana, ireo mafana fo mpiaro zon'olombelona, ireo mpandalina ara-politika sy ireo mpanao gazety notarihin'i Arkadiy Lyubarev mba hanolotra volavolan-drafitra ara-pifidianana hasolo ny amin'izao fotoana izao. Nanomboka resaka an-databatra boribory nifanesy tany Moscou, Saint-Petersburg, Samara, Kazan sy tanàna maro hafa, i “Golos” rehefa hitany fa samy tsy misy liana amin'ny hanovana ny rafitra, na ny fanjakana na ireo antoko politika amin'izao fotoana. Antontan-taratasy lavabe [8] [RUS] misy pejy 141 izay naseho tamin'ny 09 Jona 2010 no vokatry ny asan'izy ireo .

Ankoatr'ireo zavatra hafa, manome soson-kevita toy izao ny volavolan-dalàm-pifidianana vaovao:

Ny fifanakalozan-dresaka tsy dia mafana loatra mikasika io resaka io ao anatin'ny aterineto dia sady ahitàna endri-pampielezan-kevitra manokana sy  fanakianana mikendry hanatsara zavatra. Namaritra [9] ilay antontan-taratasy amin'ny fomba mahatsikaiky i Denis Dvornikov, sekretera mpanantanteraky ny Civic Control, Fikambanana tsy miankina (ONG) astroturf [10] mpanohana ny Kremlin [RUS] ka miantso azy io ho “antontan-taratasy poakaty sy mpanao kobaka am-bava… izay natao hamelomana ireo teknolojista ara-politika matin-kanoanana.”

Efa mahazatra ny mahita ireo fanazavana mahatsikaiky sy ara-materialy anaty adihevitra amin'ny aterineto Rosiana. Famaritana ireo fikambanana miaro  zon'olombelona izay tondroina ho “voavidin'ny Tandrefana” na “ny manohy mikatsaka ireo tombontsoany ara-barotra manokana” no tena foto-dresaka ao ambadik'izany, raha toa tsinontsinoavina kosa ireo faharisihana amin'ny maha-olombelona na amin'ny fanasoasoana .

Nanoratra mikasika ny nofinofy tsy ho tò amin'ilay volavolan-dalàna [11] [RUS] i Dmitri Sapegin, teknolojista ara-politika iray 

Задал вопрос – если это проект, то КАК вы собираетесь проводить новый Кодекс через Госдуму? …Там же по вашим словам – сидят игроки на политическом поле, которым не нужны новые нормативные конструкции, задевающие их интересы. Мне ответили: «Наш проект – создание Кодекса. Пока. Дальше – посмотрим».

Manontany aho – Raha ity no tetikasa, dia  FOMBA AHOANA  no hamadihanareo ny volavolan-dalàna ho lalàna? …Araky ny teninareo, tsy hitan'ireo mpanao politika [ao amin'ny Duma] ny antony ilàna rafi-pifehezana vaovao izay hahakasika ireo tomboantsoany. Namaly izy ireo : “Ny tetikasanay – hanamboatra volavolan-dalàna. Lasa lavitra, tena tsara. Ho hitantsika eo hoe inona no hitranga manaraka.

Na izany aza, nanakiana [12] [RUS] ilay antontan-kevitra ho avy amin'ny fijery federalisma  V_Martynov mpampiasa Livejournal: teritery ihany ny fahafaha-mihetsiky ny faritra hanendry ny rafitra azy ireo manokana faritan'ilay volavolan-dalàm-pifidianana.

Amin'izao fotoana izao , amin'ny aterineto ihany no azo resahana sy aparitaka sisa ny tetikasa toy ny Golos sy ny Volavolan-dalàm-pifidianana . Rehefa tsy hisy fahitalavitra tsy miankina na fampielezam-peo hampahafantatra azy ity ny besinimaro, ary tsy hisy antoko politka hanohana izany. Toa tsy manana tombony (sy fahamarinana) amin'izany mihitsy koa ireo mpitoraka bilaogy .

Amin'ny lafin'ny iray, mety azo hazavaina amin'ny hasarotry ny anton-dresaka, ireo pitsopitsony ara-teknika maro, ary ambonin'izany rehetra izany, ny fahambanian'ny toerana amin'ny kolotsaina mikasika ny lalàna eo amin'ny firenena, ny tsy fahampian'ny fahamatorana amin'ny resadresaka amin'ny aterineto. Amin'ny lafin'ny iray indray, mety ho ny fiantrana sy ny tsy fahampian'ny fahatokisana tsapan'ny Rosiana maro mikasika ireo fifidianana, noharatsian'ireo manampahefana nanararaotra ny rafitra nandritry ny teo amin'ny folo taona teo ho eo, no tena antony lehibe indrindra.