- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kroasia: Mandrava fihetsiketsehana feno filaminana tany Zagreb ny mpitandro filaminana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Kroasia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Vaovao Mafana

Nandrava hetsi-panoherana am-pilaminana nanoherana ny fampiasana tsy ara-dalàna ny tanim-bahoaka natao tao afovoan'i Zagreb ny mpitandro ny filaminana Kroaty omaly maraina ary nisambotra sivily mafana fo 11 raha kely. Ny teny famantarana ny lalambe  #Varsavska [1] ao amin'ny Twitter no loharanom-baovao haingana sy ahafahana mahita ireo sary.

Ireo fikambanana sivily Right to the City [2] sy Green Action [3] dia nanohana ny fifamoivoizana amin'ny araben'ny Varšavska [= Warsaw] efa am-bolana maro izao [4] mba hisorohana ny famotehana ity tanim-bahoaka ity — lalan'ny mpandeha an-tongotra — hanamboarana làlana mankany amin'ny fametrahana fiara ambanin'ny tany an'ny foibem-pombam-piainana tsy miankina [5] [CRO] ao afovoan'i Zagreb. Ny asan'izy ireo dia tohanan'ireo mponina an'arivony  izay nandray anjara tamin'ireo fanoherana [6] maro, sy ireo hetsika ara-kolotsaina [7] nokarakaraina teo amin'io toerana iadiana io.

Io maraina io ny mpitandro filaminana dia nisambotra ny vondrona mpitarika ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanomezan-dàlana ireo mpiasa hanapaka ireo hazo “tsy ilaina” amin'ity lalan'ny mpandeha tongotra ity. Ni-tweet [8] [CRO] ny mpandray anjara iray tamin'ny fanoherana, tmedak :

Vaovao farany amin'ny kamion'ny mpitandro filaminana: olona 11 voasambotra noho ny fanoherana #Varsavska [1]

Namoaka sarin'ny [9] mpitandro filaminana fotoana fohy talohan'ny nanombohan-dry zareo ny “famoretana” ihany koa izy. Ireo mpandray anjara sy ireo vavolombelona hafa kosa nampiasa antso an-tariby, Twitter, Twitpic ary yFrog hizarana mivantana ireo vaovao sy ireo sarin'ity zava-nitranga ity.

[10]

ireo mpitandro filaminana Kroaty mifanandrina amin'ireo mpanohitra. Sarin'i Mario Mikic.

Ny mpampiasa Twitter topssy [11] dia nandrakitra ity zava-niseho ity tamin'ny alalan'ireo sary:

Infopunkt [21] dia namoaka horonantsarin'ity zava-nitranga ity tamin'ny YouTube

Ny mpampiasa Twitter iray krunovidic dia nanolotra [22] [CRO] ny fampiasan-kery voafantina tamin'ity tranga ity:

Miandry ny mpitandro filaminana hanao toy izany amin'ireo mpamboly aho rehefa mibahana ny lalana amin'ny manaraka izy ireo, ary hampiasa ireo fomba tahaka ny nataony tamin'ny mpiasan'ny #Varsavska [1]

Ny mpitoraka blaogy Masedoniana Andrej koa dia nampita ireo vaovao [23] [MKD] ary manome rohy mankany amin'ny horonantsary mivantana [24] [CRO] izay atao ohatra amin'ny tokony hiadian'ireo olom-pirenena ho an'ny zon'izy ireo.