- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sina: Nanaisotra ny blaogin'ireo be mpanaraka tamin'ny aterineto ny Sohu.com

Sokajy: Kambodza, Shina, GV Mpisolovava

Nanala mpitoraka blaogy mihoatra ny zato tao amin'ny fanaovany tolotra hitorahan'ny olona blaoginy ny 14 Jolay 2010 lasa teo ny Sohu.com, iray amin'ireo vavahadin'ny tranonkala malaza any Sina . Maro tamin'izy ireo no manana ny lanjany amin'ny fahaizany mandresy lahatra ny olona, ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra ary ireo mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'ny mponina, ao anatin'izany:

He Weifang (賀衞芳)- mpitsara sy mpahay lalàna mikasika ny zon'ny mponina
Tiger Temple (老虎庙)- olon-tsotra mpanao gazety
Yang Hengjun (楊恒均)- mpitoraka blaogy malaza amin'ny raharaha ivelany
Liu Xiaoyuan (劉曉原)- mpahay lalàna mikasika ny zon'olombelona
Teng Biao (滕彪)- mafana fo amin'ny zon'ny mponina
Xu Zhiyong (許志永)- mafana fo amin'ny zon'ny mponina
Pu Zhiqiang (蒲志強)- mpahay lalàna mikasika ny zon'ny mponina
Zhang Lifan (章立凡)- mpahay tantara
Yu Yiwei (余以為)- mpitoraka blaogy mikasika ny raharaha ankehitriny
Gu Xiaojun (顧曉軍) – mpanoratra malaza
Wen Kejian (溫克堅)- mpikambana ao amin'ny PEN China
Liu Junning (劉軍寧)- mpanadihady politika
Wang Junxiu (王俊秀)- mpanonta sy manam-pahaizana mikasika ny media vaovao
Wu Zuolai (吳祚來)- mpitsara mikasika ny kolon-tsaina

Ny antony nanatsoahana ireto mpitoraka blaogy tao amin'ny Sohu.com ireto dia mbola tsy fantatra aloha hatramin'izao Araka ny voalazan'i Yao Xiaoyuan [1], izay anisan'ireo tompon'ny blaogy voakatona tao amin'ny Sohu, dia mety misy antony roa izany. Ny sasany mino fa vokatry ny famoretana avy amin'ny Governemanta izany; ny sasany kosa miteny fa misy ifandraisany amin'ny fanafintohinana tamin'ireo diploma tsy tena izy tany Tang Jun [2] izany. Ireo mpitoraka blaogy ireo dia afaka mandray andraikitra amin'ny fanerena ny sohu hanome fanazavana mikasika ny fanalana ireo kaontiny.