Raha ny marina dia fampidirana tetika fanasivanana diso tafahoatra ny fanapahan-kevitra [EN] iray noraisin'ny Fitsaràna Avo any Rosia tamin'ny 15 Jona izay “manafaka” ireo haino aman-jery mpampita vaovao amin'ny aterineto tsy ho tompon'andraikitra amin'ireo fanehoan-kevitra ataon'ireo mpamaky azy ireny. Roskomnadzor, sampan'asa fédéraly manara-maso ny aterineto sy ny fifandraisan'ny ‘mass media’ ao amin'ny Ministeran'ny Fifandraisandavitra Rosiana, dia nanolotra ny “lalànan'ny iray andro” izay milaza fa ny media amin'ny aterineto dia tsy maintsy mamafa na manitsy ireo hevitra “tsy mifanitsy” ao amin'ny vohikalan-dry zareo iray andro aorian'ny fampahafantarana azy ireo, raha tsy izany dia mety ho very ny fandraketana ny maha “mass media” azy ireo.
Ireo lohahevitra voarara dia voatanisa ao amin'ny Andininy faha-4 ao amin'ny lalàna “Ho an'ny Mass Media” [RUS]. Anisan'izany ireo fiantsiana fankahalàna, fampihorohoroana, ary herisetra, firesahana vetaveta, ary famborahana ireo tsiambaratelom-panjakàna.
Roskomnadzor dia nanome ny fampitandremana voalohany araka ny lalàna ho an'ilay vohikala Apn.ru tamin'ny alalan'ny mailaka ny 23 Jona, nefa tamin'izany dia tsy mbola nazava tsara ny fe-potoana tokony hamafàna haingana ilay fanehoan-kevitra, na hoe afaka alefa mailaka ny fangatahana ofisialy. Tamin'ny 6 Jolay dia namoaka [RUS] antontan-taratasy manoritsoritra ireo torolàlana ho an'ny fampahafantarana i Roskomnadzor nitondra ny lohateny lavabe hoe: “Fomba atao amin'ny Fampahafantarana ireo Haino aman-jery Mpampita Vaovao izay Miparitaka eny amin'ireo Tambazotram-pifandraisandavitra sy ny Aterineto noho ny Tsy fetezan'ny Fanararaotana ny Fahalalahan'ny Vaovaom-bahoaka” (lahatsoratra feno [RUS])
Toy izao ireo dingana
- Misy mpiasa iray ao amin'ny Roskomandzor maka dika mitovin'ny fafana [screen shot image] ilay fanehoan-kevitra tsy mendrika, mitahiry izany ao amina “disque dur” iray ary mamoaka azy.
- Avy eo ny “tompon'andraikitra ofisialy momba ny fanarahamason'ny governemanta sy fanarahan-dalàna amin'ny aterineto”, manaiky ny fisian'ny “fanararaotana ny fahalalahan'ny vaovaom-bahoaka” (tena milaza mihitsy ny antontan-taratasy hoe “manaiky” fa tsy “mitsara” na “manapa-kevitra”).
- Rehefa vita izay dia mandefa mailaka sy “fax” mankany amin'ny tompon'ilay vohikala ny sampan-draharaha , mandidy azy hamafa na hanitsy ilay fanehoan-kevitra misy fototry nyresaka.
- Raha tsy manaraka ny baiko ilay mpamoaka vaovao ao anatin'ny 24 ora manaraka dia hahazo filazàna araka ny lalàna. Ny fahazoana filazàna maro dia hitarika ny fanenjehana ara-pitsarana ilay mpamoaka vaovao . Raha maharesy ny Roskomnadzor amin'izany fanenjehana araka ny lalàna izany, dia very ny fandraketana ilay vohikala amin'ny maha “mass media” azy.
Na ny lalàna “Ho an'ny Mass Media” na Roskomandzor dia samy tsy manazava raha hakatona ilay vohikala aorian'ny nahafoan'ny fandraketana azy, nefa ho an'ny ankamaroan'ireo media ara-barotra dia midika izany fa tsy ho afaka hiasa ara-dalàna izy ireo (hahazo vola ho an'ireo dokambarotra, handoha ny karaman'ireo mpiasany, sns).
Sergey Sitnikov, talen'ny Roskomnadzor, dia nanazava [RUS] fa ny tanjon'ity sampan-draharaha ity dia ny “hisorohana ny fiparitahan'ny vaovao tsy manara-dalàna,” nefa maro ireo mpitoraka blaogy Rosiana no voaelingelin'izany hevitra izany, ary niady hevitra mafy momba izany tao amin'ny Habrahabr [RUS], vohikala mifandraika amin'ny informatika.
Ny sasany tamin'ireo mpitoraka blaogy niezaka ny nijery ny lafitsarany (tsy nisy vokany). Nanoratra [RUS] i StrangeAttractor :
Если закон запрещает призывать через интернет к актам террора и хулиганства, то это нормально и хорошо. Но если запрещает высказывать своё мнение о чём либо … или гордиться своим национальным наследием …, то это чистой воды маразм и провокация
Nanoratra [RUS] i Newpravda:
С одной стороны мысль конечно хорошая, поясню – не давать права людям которые занимаются террором права слова, но зная нашу действительность под эту статью будут подводить всё что угодно, не удивлюсь что и крокодила Гену с Чебурашкой запретят за пропаганду чего нибудь.
Voaresaka ihany koa ireo vokatra sy akony isan-karazany aterak'ilay lalàna. I Vitaliidaniuk dia naneho [RUS] ahiahy ny amin'ny tena fandairan'ireo antontan-taratasy, ary milaza fa ho sarotra tokoa ny hanara-maso ireo hevitra ao amin'ny Twitter avoaka matetika miaraka amin'ireo lahatsoratra na ireo rafitra fanehoan-kevitra ao anatiny (toa an-dry Disqus na IntenseDebate).
Nilaza [RUS] i Voldar fa azo atao ny mampiasa ilay Atidohamilim-panjakàna ho Fikarohana [EN] nandrasana hatramin'ny ela mba hitadiavana ireo fanehoan-kevitra tsy mendrika ary mandefa fampahafantarana any amin'ireo mpanoratra amin'ny fomba tsy baikoana [automaticaly] . Nanoratra [RUS] i XaosSintez momba ny fahafahan'ireo fampahafantarana hosoka avy amin'ny Roskomnadzor handrara karazan'adihevitra maro. Ary i xoco dia nizara [RUS] ny tantarany momba ny fomba fanaraha-maso sy fifehezan'ireo manampahefana ireo fanehoan-kevitra anaty aterineto na tsia:
Печально все это. Как причастный к созданию одного из сайтов о городе Люберцы хочу поделиться своей историей. На форуме этого сайта ведется обсуждения о плохих дорогах, новостройках, чиркизонах. Так вот, там на форуме люди собрались выйти на улицу с демонстрацией на тему — почему ямы на дорогах полметра глубиной, ну и _поразмышляли_ о том что куда это годится и не перекрыть ли дорогу демонстрацией. В тот же день мы получили сообщение от «органов» из которого следовало, что мы должны предоставить всю информацию о пользователях активистах — ip, время захода и т.п. Якобы эти люди занимаются экстремистской деятельностью. Что будет дальше? Свободой слова тут и не пахло.
Vokatry ny adihevitra, namorona tenifototra #ru_cenz ao amin'ny Twitter ireo mpitoraka blaogy hanarahana ireo tranga rehetra mifandraika amin'ireo fepetra fanafoanana vaovao sy ny sivana amin'ny RuNet amin'ny ankapobeny.
Ireo fepetra farany noraisin'ny Roskomnadzor dia tsy vitan'ny hoe mandika ny voalazan'ny Lalàmpanorenana Rosiana, izay mandràra ireo endrika sivana rehetra, fa toa manohitra ny hevitry [RUS] ny filoha Medvedev momba ity olana ity ihany koa. Ity tranga ity dia mampiseho toetra maro mampiavaka ny fitondràna politika ankehitriny: tsy fahampian'ny fanajàna ireo lalàna sy ireo zon'olombelona, fifanoheran'ny zavatra lazaina sy izay tanterahina, ary farany, finiavana mazava hanohina sy hifehy ny RuNet.