- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Atrikasa manome hery ireo mpitoraka blaogy any Gaza sy Cisjordanie

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia

Vao haingana izay dia nanome atrikasa mikasika ny fitorahana blaogy tany Gaza sy tany Cisjordanie  ny lehiben'ny Global Voices Advocacy [1], Sami Ben Gharbia [2]. Ireo atrikasa ireo dia nokarakarain'ny Arabic Media Internet Network (AMIN) [3], izay mikendry ny hampitombo ireo mpitoraka blaogy ao anatin'ny fiarahamonina Palestiniana.

Nihaona isanandro nandritra ny herinandro ireo mpitoraka blaogy am-polony sy ireo olona hafa liana amin'ny fitorahana blaogy any Gaza, ary herinandro iray hafa any Cisjordanie, mba hianatra mafy araka izay tratry ny herin'izy ireo mikasika ireo fomba ahafahan'ireo teknika vaovao amin'ny aterineto  manampy ny mponina mba hahenoana ny feon'izy ireo.

Ireo foto-kevitra ao anatin'izany: mampiasa ireo fitaovana amin'ny aterineto ho an'ny fiarovana sy ny fahalalahana miteny, miaraka amin'ireo ohatra amin'izany azo maneran-tany, ny fiarovana ary ny fiainana manokan'ny tena rehefa mitoraka blaogy sy mampiasa ny aterineto, ary ny lahatsoratra mifampiditra.

reo mpitoraka blaogy Nour El Khoudary sy Nazek AbuRahma nanoratra lahatsoratra iombonana ao amin'ny AlJazeeraTalk [4] mikasika ny iray amin'ireo atrikasa nataon'i Sami tany Gaza :

تواجدنا في إحدى هذه الدورات التي كانت بعنوان : “معاً نحو خلق ثقافة تدوين تسعى للتغيير” واستمرت لمدة يومين في مدينة غزة، أثرى خلالها بن غريبة عقول المدونين بكثيرٍ من المعلومات والإرشادات والنصائح والتجارب الغنية التي سردها، فحفز هممهم نحو تدوينٍ فعالٍ ومؤثر .
Hitanay tao amin'izany atrikasa izany izay nantsoina hoe “Manandratra ny fitorahana blaogy sy ny fanaovan-gazetin'ny olon-tsotra ho amin'ny fiovana ara-tsosialy” izay naharitra andro roa tao an-tanànan'i Gaza, tao anatin'izany dia nampitombo fahalalana ireo mpitoraka blaogy tamina fanazavana maro i Ben Gharbia, toro-làlana sy toro-hevitra, ho fanampin'ireo  traikefa avo lenta nolazainy. Namporisihina hitoraka blaogy amin'ny fomba mavitrika sy mandaitra ireo mpitoraka blaogy.
Workshop by Sami Ben Gharbia [5]

Atrikasa nataon'i Sami Ben Gharbia

Abu El Sharif, mpitoraka blaogy iray hafa any Gaza, nanoratra tao amin'ny blaoginy [6] :

من أكم من يوم، كنت محظوظ كفاية إنو اخد دورة في مجال التدوين و هي ” استخدام التدوين من اجل المناصرة” مع المدون التونسي سامي بن غريبة، و كان اشي قوي انو اللاقي الاثبات الحي انو انتا قادر على التغيير عن طريق كتباتك، يعني لو انتا بتستخدم الادوات اللي عندك بطريقة صح، ممكن جدا يكون الك ضلع بتغيير اشي بتشوفوا كل يوم و ما بعجبك، و بشوفوا غيرك و ما بعمل اشي عشان يغيروا !
و زي ما حكى سامي و اللي بلخص الوضع بغزة كالتالي :
” خلاصة تجربتي و حواراتي مع نيرة أهل غزة: الحصار الأكثر ضررا هو الحصار العقلي، غزة لا تحتاج أغذية و شكلاطة وأدوية بل تحتاج عقولا و كوادر و كتب”
Andro vitsy lasa izay, nanam-bitana handray anjara tamin'ny atrikasa mikasika ny fitorahana blaogy antsoina hoe “Mitoraka blaogy ho an'ny Fiarovana” niaraka tamin'ny mpitoraka blaogy Toniziana Sami Ben Gharbia [7] aho. Mahery ny fahitana fa misy ny porofo amin'izao fa afaka mitondra fiovana avy amin'ny zavatra soratanao ianao, izay midika fa raha mampiasa ireo fitaovana anananao ireo ianao, amin'ny fomba marina, tena azo ataonao tokoa avy eo ny manova zavatra hitanao isanandro kanefa tsy tianao, izay hitan'ny olon-kafa kanefa tsy hanaovany na inona na inona!
Araka ny notenenin'i Sami,raha namintina ny zava-nisy any Gaza: “Mba hamintinako ny traikefako sy ireo dinidinika niarahako tamin'ireo mponina liana amin'ny kolotsaina any Gaza, ny fahirano tena mampidi-doza indrindra dia ny fahirano ara-tsaina. Tsy mila sakafo na sokolà na fanafody i Gaza, fa mila olona manana saina matsilo, olona ampy fahaizana ary boky.”

Taorian'ny niafaran'ireo atrikasa, dia nisy fakàna video ny resadresaka nisy teo amin'ireo mpitoraka blaogy tany Gaza sy tany Cisjordanie natao. Ola Anan dia iray tamin'ireo mpitoraka blaogy nandray anjara tany Gaza, ary taty aoriana dia nanoratra izy [8]:

الحوار كان ثريا وممتعا.. اختلفنا احيانا واتفقنا احيانا اخرى

تحدثنا عن تجاربنا مع التدوين.. وقارنا بيننا وبين من سبقونا في المدونين العرب

Tena feno zava-tsoa sy nahafinaritra ilay fifanakalozan-dresaka. Indraindray tsy manaiky izahay, ary indraindray manaiky..
Niresaka mikasika ny traikefanay mitoraka blaogy izahay…ary nampitaha ny tenanay tamin'ireo Arabo mpitoraka blaogy efa nialoha làlana anay izahay..

Ola namarana tamin'ny teniny:

لكم أن تتخيلوا شعوري وسعادتي بهذا اليوم … سيصبح عمر مدونتي تقريبا اربع سنوات .. ولأول مرة اشعر ان ما افعله له قيمة أو من الممكن ان يكون له قيمة على ارض الواقع
Afaka maminavina ny fahatsapako sy ny hafaliako tamin'iny andro iny ianao… Efa ho efa-taona izao ny blaogiko, ary izao no fotoana voalohany nahatsapako fa manana ny lanjany na koa manana fahafahana hanana ny lanjany eto an-tany ny zavatra ataoko.