Koety: Amidy ny blaogiko

Araka ny efa nampoizina, vaovao nampitain'ny gazety an-tsoratra iray ao an-toerana dia mianatra manara-maso ny blaogy ny governemanta Koetiana ary tsy nankasitrahan'ireo mpitoraka blaogy izany. Nanapa-kevitra ny hiatrika izany vaovao mandeha izany ny iray amin’ireo mpitoraka bilaogy malaza nilaza fa amidy ny bilaoginy.

Nanoratra ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Amidy ity bilaogy ity ” i Frankom, izay nanomboka nitoraka bilaogy tamin’ny 2003:

صحيح اني لم أعد أتحدث بالسياسة لسبب بسيط وهو وجود مدونات أخرى أفضل بكثير مني ولها جمهورها وقادرة على ايصال الرسالة بطريقة أفضل وأعمق … الخبر المنشور على صفحات جريدة القبس (اضغط هنا) ليس بجديد على الاطلاق ! بل أن المراقبة موجودة منذ سنوات ولكن يحتاج الامر الى مجرد خبرين أو ثلاث حتى يتأقلم الشارع مع مثل هذه الاخبار !! ولكن مالهدف منها ؟ وكيف ستتم المراقبة وعلى أي أساس ؟

الوضع من سيئ الى أسوأ !!

صباح الخير

Na dia marina aza fa tsy mitoraka bilaogy mikasika ireo mpanao politika aho noho ny antony tsotra dia ny fisian’ireo blaogy tsaratsara kokoa noho ny ahy sy manana mpijery ary mahavita maneho ireo hafatra amin’ny fomba tsaratsara kokoa sy lalina kokoa noho ny vitako! dia tsy zava-baovao mihitsy ny vaovao niseho tamin’ny (gazety mpivoaka isan’andro any Koety amin'ny teny Arabo ) Al Qabas (fa hoe mianatra ny fomba hanaraha-maso ireo blaogy ny governemanta). Efa an-taona maro no nandeha fanaraha-maso ireo blaogy nefa mila lahatsoratra roa na telo amin’ny gazety izany ho an’ny vahoaka eny an-dalana mba hahazatra azy ireo amin’ny fivoarana. Inona no ilàna ny fanaraha-maso ireo blaogy? Ary ahoana ny fomba anaraha-maso azy ireo sady inona no antony? Miharatsy hatrany izany trangan-javatra izany !!

Manao ahoana .

Nahazo tsikera 36 ity lahatsoratra fohy ity – izay tena isa maro raha aty amin’ity ampahan-tany amin’izao tontolo izao ity.
Mametraka ity fanontaniana mazava be ity I Musaed:

بجم؟
😛
Hoatrinona?

Ary namaly i Frankom :

مثل ما بي ام دبليو باعت روفر

Iray Pound 🙂

Toy ny namarotan'ny BMW ny Rover – iray pound 🙂

Raha avahana ireo sangisangy, manokatra varavarana amin’ny resadresaka maro momba ny olana manafintohina ny Koweitiana ity lahatsoratra fohy ity – anisan’izany ny fanagadrana an’i Khalid Alfadalah mpanao fihetsiketsehana ara-politika – izay voatazona noho ny fanakianana ireo politikan’ny governemanta. Efa notazonin'i Koety nandritra ny 48 ora ihany koa ilay mpanao gazety sady mpitoraka blaogy Mohammed Aljasem, izay navotsotra rehefa avy nandoa onitra ary miandry ny fotoam-pitsarana azy. Nofonjaina i Aljasem noho ny filazana azy ho naniratsira ny Praiminisitra Koetiana Shaikh Nasser Al Mohammed Al Sabah

Milaza malalaka i Nasser:

الديرة كل مالها تصير دولة بوليسية اكثر
قبل كنا نتغنى بديموقراطيتنا بس باحداث الشهرين اللي طافوا اكتشفنا ان ديموقراطيتنا وهم وحجي فاااضي
Lasa miha-fanjakana polisy ity firenena ity. Taloha, zatra nanindrahindra ny demokrasiantsika isika nefa ny zava-niseho nandritry ny roa volana lasa izao dia mampiseho antsika fa vokatry ny sary an-tsaintsika ihany ny demokrasiantsika sady tsy resaka poak'aty.

Mitanisa ny ireo andro maha-ory i .ol ary manoratra:

شوف
انا اقولك

اذا نهايه العالم ماصارت 2012 😛
نهايه الكويت بتصير ب 2010 لووول

للأسف خلاص الكويت الحين على الحفه.. وانطر بعد جم سنه بتشوف شلون راح تنتهي
وراح تصير مثلها مثل اي دوله افريقيه فقيره

واذا صرنا مثل البحرين نعمه

وقتها تدري شراح يصير؟ راح ننطرد من مجلس التعاون الخليجي
وقتها لما ننطرد.. شوف عاد منو ياخذ الكويت يا السعوديه يا ايران 🙂

الله يرحم الحال بس
لا حكومه سنعه ولا مجلس سنع

ولا كباريه ومدراء سنعين.. كلن يبوق بخير هالديره

Jereo,
Lazaiko anareo
Fa raha tsy mifarana amin’ny 2012 izao tontolo izao
dia amin’ny 2012 ny fiafaran’I Koety TPT

Indrisy anefa, efa amoron-tevana i Koety ankehitriny …Andraso taona vitsy àry fa ho hitanao ny lahatra momba azy.

Hitovy amin’ny firenena Afrikana mahantra isika

Ary fahasoavana raha lasa mitovy amin’i Bahrain isika

Fantatrao ve inona no mety hiseho amin’izay ? Atsipy ivelan’ny Gulf Co-operative Council isika
Ary ho hitanao hoe iza no handray an’i Koweit avy eo – mety ho i Arabia Saodita izany na Iran

Enga anie I Allah hitahy antsika

Tsy manana governemanta manokana isika na parlemanta akory aza

Eny fa na dia olo-manan-kaja na mpitondra aza . Samy mangalatra ireo fitahian’ity firenena ity ny olona tsirairay

Na izany aza, misy tsy mahita olana amin’ity fanaraha-maso ireo blaogy, ireo mpamaky sasany. Milaza i 7moon

و شنو فيها المراقبه؟ بالعكس شي جيد
المدونه يمكن تكون سلاح قوي , و تغير افكار ناس , سواء الى الاحسن او العكس

لازم يكون في كنترول شوي, و خطوط حمره واضحه

Ary inona no maharatsy ny fanaraha-maso ireo blaogy ? Ny mifanohitra amin’izay aza, zavatra tsara izany .
Mety ho fitaovana tena matanjaka ireo blaogy , ary manova ny fomba fijerin’ny vahoaka , na ho amin’ny tsara izany na ho amin’ny ratsy .
Mila fifehezana kely dia kely apetraka sy tsipika mena mazava.

Manampy i S.

شبيراقبون ٩٩ بالأميه من المواضيع عن الكب كيك والكاكاو
Inona ary no arahan’izy ireo maso? Mikasika ny mofomamy sy sokola ny sivifolo isan-jaton’ny resak’ireo bilaogy!

Mihevitra i q8travelbud fa tsy hisy fiafarana intsony izany rehefa lalim-paka ny fanaraha-maso sy ny fanivanana. Nanoratra izy:

Tsy mino aho fa hijanona amin’ireo resaka ara-politika ihany ity zavatra ity !

Ary farany fa tsy kely indrindra, namarana toy izao ny mpamaky iray  hafa, izay nanome anarana ny tenany ho Porsche Owner:

انا مستانس على كل شي يسوونه الحكومه لانه كل شي يسوونه قاعد يرجع عكسي عليهم ومن حسن حظ الشعب انه الحكومه موقادره تستوعب

قبل 30سنه كانت مظاهرات الاثنين عباره مئات او الف الفين شخص

اما اليوم قمنا نشوف مظاهرات العقيله والاندلس الحضور وصل 15-20 الف يعني جمهور ملعب

قبل 30 سنه اغلب المعارضين كانت اعمارهم فوق ال30
اما اليوم قمنا نشوف معارضين الحكومه واعمارهم من 18- 25 والدليل ايام نبيها خمسه والكل شاف الشباب الصغار واقفين..يعني حتى الصغار لاعت جبودهم من التعسف الحكومي

بالاضافه الى ذلك انضمت الطبقه المتوسطه الميسوره الى الطبقه تحت المتوسطه في خط المعارضه . يعني احنا نتكلم عن اكثر من 80% معارض من بين مليون كويتي

زبدة الحجي: اذا استمر نفس الحال من بوق حق اموال الدوله عيني عينك وظلم بالناس وكليوم وترك مطفين الكهربا وقاطعين الماي وقاطين شباب صغار بالسجن كل ابو قال كلمه او كتب سطر يعبر عن رايه…حزتها راح نشوف بعد 5 سنين معارضات بالشوارع عددها 50 الف وفوق …. وبعد 10 سنين راح نشوف 100 الف…حزتها منو بيقضبهم؟

وقتها اي اصطدام بين الحكومه والشعب راح تكون فيه الخساره للحكومه بدون شك

نصيحه للحكومه: اذا نفسكم طويل ترى نفسنا اطول 🙂

Faly aho fa misy manohitra foana ny zavatra rehetra ataon’ny governemanta.Tsy takatry ny governemanta mihitsy ny zavatra tsara ho an’ny vahoaka.Telopolo taona lasa, olona anjatony vitsivitsy no nety nitsangana nanao fanehoan-kery. Ankehitriny, olona  eo amin’ny 15,000 hatramin’ny 20,000 no naneho izany – mitovy amin’ireo mpijery amin’ny toeram-pilalaovam-baolina.

Telopolo taona lasa, efa mihoatra ny 30 taona izao ny ankamaroan’ireo ao anatin’ny mpanohitra. Amin’izao fotoana, mahita mpikambana ao anatin'ny mpanohitra isika izay eo amin’ny 18 hatramin’ny 25 taona eo, ary porofon'izany ny tamin’ny andro farany teo, raha nitsangana ireo vahoaka tanora. Midika izany fa na ireo tanora aza dia efa leon’ny fanararaotan’ny governemanta.
Fanampin’izany, miaraka amin’ny mpanohitra ireo avy amin’ny tendro farany ambony sy farany ambany amin'ny sarangan'ny mpanan-karena. Midika izany fa ao amin’ny mpanohitra ny 80 isanjato amin’ny koetiana iray tapitrisa.

Fanampin’izany, raha mitohy ny fomba fangalarana isan'andro vakyizao  ny volam-panjakana, dia mbola hitohy hijaly noho ny tsy fahamarinana ny vahoaka, hitohy ny fahatapahan-jiro sy rano ary isaky ny misy olona miteny izany dia alefa any am-ponja – tao anatin'ny dimy taona, ho jerentsika ny fiombonana sy ireo fanehoan-kerin’ny mpanohitra izay natrehan’ny olona mihoatra ny 50 000…,ary raha miharatsy ny raharaha, hisy olona 100,000 eny an-dalana ao anatin’ny 10 taona. Hogadraina ary ve izy rehetra ireo ?

Rehefa mitranga izany, izay rehetra mety ho fifanatrehana ifanaovan'ny vahoaka sy ny governemanta dia ho fatiantoka foana ho an'ny governemanta.

Ny soso-kevitro hoan’ny governemanta ary: raha manana faharisihana hanohy an'izany ianareo, ny faharisihanay mbola hatanjaka lavitra 🙂

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.