- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Myanmar: Resaka manodidina ny amboara eran-tany

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

Tsapa hatrany Myanmar ny fisahotahana amin'ny Fiadiana Tompon-daka Eran-tany 2010. Maneho ny fahafaliam-pony amin'ny ekipa tiany ireo mpankafy baolina kitra any Myanmar ary maro no miari-tory alina mijery ireo lalao amin'ny sasak'alina. Mampiseho ireo lalao madritra ny fiadiana ny amboara eran-tany mba hisarihana ireo mpividy ireo trano fisotroan-toaka, ireo trano fivarotan-tsakafo sy ireo trano fisotroana dite dia .

Ireo mpankafy baolina kitra mipetraka any Yangon dia faly satria lasa mandeha tsara kokoa ny herinaratra [1], noho izany dia afaka mijery ireo lalao baolina kitra izy ireo. Na dia izany aza, dia mbola misy ihany no tapatapaka ny herinaratra any amin'ireo faritra sasany. Manoratra i Maung [2], izay niverina avy tany Myanmar:

Fony tany Japana aho, afaka nijery ireo lalaom-bondrona niaraka tamin'ny namako foana. Nefa, rehefa tonga ireo lalao mahaliana, no niverina teto Myanmar aho. Voatery nandondona ny varavaran'ireo mifanila trano amiko izay manana mpamelona herinaratra aho mba hijery baolina.
….
Mipetraka aho.. mitsangana..manompa. Vao iray na roa andro izaho izay no tonga tany Myanmar, dia efa mahatsapa sahady ho toy ny mipetraka aty Myanmar. Farany, nahita hevitra aho, mandeha any amin'ny tanàn-dehibe , ary mijery ny lalao baolina kitra any amin'ny toeram-pisotroana azo ijerena azy.

Maro ireo vehivavy Birmana no tena mpankafy ny amboara eran-tany. Manaraka ireo valin'ny lalao izy ireo, ary mamoaka izany any amin'ireo valam-piarahamonina tahaka ny Facebook. Iray amin'izy ireo i Thet Wai [3], vehivavy Birmana mitoetra any Singapore:

Hanomboka tsy ho ela ny fandaharana izay efa nandrasan'ireo mpankafy baolina kitra hatry ny ela, ny amboara eran-tany. Tsy niraharaha aho na ho afaka mijery na tsia fa nisoratra anarana tao amin'ny maridrefim-pahitalavitra Singtel MiO TV aho, tahaka ny ataon'ny hafa rehetra. Noho ireo fihenam-bidy ho an'ireo izay misoratra anarana voalohany, ka nahazo fihenam-bidy S$24 aho.

Mialoha ny nidirako tao amin'ny SingTel, dia nanontany ahy ny vadiko raha tena afaka hiari-tory alim-be tokoa aho, ary hijery ireo lalao ireo. Amin'ny maha olona liana amin'ny fanatanjahantena ahy, dia namaly tamim-bazivazy aho, “hijery aho na amin'ny firy na amin'ny firy. Satria aho liana amin'ny fianarana amin'ny asa ary amin'ny fanatanjahantena!”

Tsy tahaka ny any Singapore, ireo mpankafy any Myanmar izay afaka nijery ny lalao maimaipoana satria mandefa ireo lalao baolina kitra ireo fahitalavitry ny fanjakana roa: MRTV sy Myawaddy.

“Tena mampietam-po ny mijery ny amboara eran-tany ny baolina kitra voalohany indrindra, manomboka hatramin'ny lalao voalohany ka hatramin'ny lalao farany amin'ny fahitalavitrako any an-trano,” hoy ny mpankafy iray tany Rangoon, notaterin'i Irrawaddy Media [4].

Na izany aza  dia tsy afaka mampiseho ny sasany kely amin'ireo lalao nanomboka eo amin'ny 18 Jona ka hatramin'ny 21 Jona noho ny “olana ara-teknika [5]“, izay nahatezitra [6] mpankafy maro ny fahitalavitra Myawaddy. Noho izany dia tsy maintsy nijery ireo lalao tao amin'ny fahitalavitra MRTV izy ireo. Voavaha [7] taorian'ny 22 Jona ny olana.

Nandritra ny lalaon'ny amboara eran-tany, dia afaka namoaka vaovao manokana mikasika ny amboara eran-tany [8] ny gazety mpivoaka isan-kerinandro vitsy ka nalaza teo amin'ireo mpankafy izany. Ny Gazety Premier Eleven Sports ihany koa dia afaka nandefa solontena ny tonia ho any Johannesburg hanao ny fitantarana mivantana amin'ny vohikalam-baovao amin'ny teny Birmana [9].

Maro ireo mpitoraka blaogy Birmana no nanoratra mikasika ireo vaovao mifandraika amin'ny amboara eran-tany tahaka ny 11 Dreams [10], izay nizara amin'ny mpamaky azy ny sarin'ireo kianja 10 anaovana ireo lalao mandritra ny fiadiana ny amboara erantany. Maro ny faly fa nisy vehivavy teratany Myanmar 2 tao amin'ny rakikiran'i Shakira Waka Waka. Nanoratra i Htoo Tayzar [11]:

Naheno aho fa nisy teratany Birmana tao amin'ilay hira, noho izany dia nijery izany tsara mihitsy aho. Namaky ilay fanadihadihana [12] fa nisy 3 mirahavavy tao anatin'iny lahatsary iny. Ie, marina izany: hitanao ary aoriana izy ireo, ary amin'ny ankavanana dia hitanao fa miakanjo manga sy volom-parasy izy ireo. Nitafy akanjo nentim-paharazana  Birmana sy longyi izy ireo.

Nay Nay Naing [13] nizara ny lahatsary sy ny tononkiran'ny amboara eran-tany, ary nanoratra:

Taloha, dia nanohana ekipa iray izay aho, ary nanantena fa handresy io ekipa io . Ary amin'izao fotoana izao? Aza anontaniana… Hifikitra amin'ny ekipa maharesy aho! :))

Nefa, ny sasany dia hiandry ny fahavitan'ny fiadiana ny amboara erantany. Bakirompitra ny toeram-pilokana an'ny fanjakana [14] hatramin'ny herinandro, ary ireo vondrona mikasika ny dihy nentin-drazana Birmaniana dia voatery nanemotra ny fotoam-pampisehoany [15] mandrapaha-vitan'ny fiadiana ny amboara eran-tany.

Araka ny nosoratan'i Myo Thein [16] tamin'ny matoandahatsoratr'i Mizzima,

Ireo izay nangataka ny fidiran'izy ireo amin'ny fifidianana 2010 dia nangina nandritra izy fiadiana ny amboara eran-tany ity. Izany dia noho ny fisarihan'ny baolin'ny amboara eran-tany Jabulani [17] (midika hoe “mifaly” amin'ny teny Zolo), ny sain'ireo mponina ho any Afrika Atsimo mandrapaha-tongan'ny 11 Jolay.