12 Jolay 2010

Tantara tamin'ny 12 Jolay 2010

Myanmar: Resaka manodidina ny amboara eran-tany

  12 Jolay 2010

Nahazo ny aretin'ny amboara eran-tany 2010 i Myanmar. Lasa ara-dalàna ny herinaratra any amin'ny renivohitra, afaka mijery ireo lalao maimaim-poana eny amin'ireo fahitalavitry ny fanjakana ireo mpankafy, misokatra mandritry ny sasak'alina ireo bara sy ireo fisotroana dite, ireo gazety ny fanatanjahan-tena dia nahazo fahazahoana hamoaka vaovao isanandro, ary maro ireo mponina faly fa avy any Myanmar ireo mpandihan'i Shakira tamin'ilay hira Waka Waka.