- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sina: Firenena matanjaka, mponina mahantra

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Nanambara ny fampielezam-peom-panjakana CCTV tamin'ny faha 28 Jona fa manantena ny hahazo hatramin'ny 8 arivo lavitrisa yuan ($1.18 arivo lavitrisa) [1] i Sina hatramin'ny faran'ny taona 2010. Izany tarehimarika izany dia hampiakatra azy ho laharana faharoa amin'ny firenena lehibe indrindra aorian'i Etazonia raha ny vola miditra no jerena.  Toa hita fa nahatanteraka ny nofinofiny i Sina dia tsy inona akory izany fa ny ho lasa firenena matanjaka, na dia somary kelikely finoana aza ny mponina eo amin'ny aterineto momba izany vaovao izany satria tsy tsara zara ny harena.

“Ny dingan-dava” eo amin'ny vola miditra.

Manambara i Hou Jinliang, mpitatitra ny zava-miseho amin'ny alalan'ny aterineto  fa tsy tanty [tsy zaka] mihitsy  izao endrika ” dingan-dava  izao” [2].

财政收入飞增,就像一个人吃了激素一样猛 长,外表很好很强大,很光鲜,可实质上是孱弱的。中国基尼系数超过国际警戒线,贫富差距日益拉大,劳动者之间分配不公…

…财政“坐火箭”, 一飞冲天,拿下了老二的位子,而民众的收入还在“骑蜗牛”。国际货币基金组织在2010年4月21日发布的数据显示,中国2009年的人均收入世界排名第 109位。可见,财政“大跃进”并不是一件值得吹嘘的事情,反而值得好好反思!

Io dingan-dava eo amin'ny vola miditra io dia toy ny olona izay mandray (fanafody mampatanjaka), raha jerena ety ivelany izy dia faran'izay matanjaka mihintsy, nefa raha ny marina dia marefo dia marefo izy ao anaty. Mampiseho  ny haben'ny tsy fitovizan-tantana eo amin'ny fizarana ny vola miditra sy ny tsy fisian'ny rariny eo amin'ny fiaraha-monina…ny maripatran'i Gini.

…Ankehitriny, mihazakazaka toy ny sambon-danitra  ny vola miditra eo amin'ny firenena ka lasa eo amin'ny laharana faharoa izy eo amin'izao tontolo izao.  Eo amin'ny lafiny iray kosa anefa, mihisatra toy ny fandehan'ny sifotra an-tanety ny fidiram-bolan'ny mponina ao aminy. Raha ny antotan'isan'ny FMI tamin'ny 21 aprily 2010 dia hita fa any amin'ny laharana faha 109 maneran-tany no misy an'i Sina raha eo amin'ny salanisan'ny vola miditra eo amin'ny mponina tsirairay no resahana. Manambara izany fa tsy tokony hisehoseho isika amin'ny “dingan-dava”n'ny vola miditra. Mifanohitra amin'izany aza, tokony hifantoka amin'ny zava-miseho ankehitriny isika.

Namelabelatra mikasika ny fihetsem-po entin'ny tsy fahampiana teo amin'ny olon-tsotra [3] ny mpitoraka bilaogy 171596507.

我国政府财政巨大的收入与老百姓的低工资收入、低福利待遇、低社会保障、低医疗卫生条件、低教育投入,以及老百姓超高生活消费、天高的房价消费、极高的税收负担等等形成了巨大的反差。

Misy elanelana goavana eo amin'ny fidiram-bolan'ny firenena sy ny fiainan'ny vahoaka: fidiram-bola manify, tsy fahampian'ny fiarovana ny fiainan'ny sarambabembahoaka sy ny tombontsoan'ny mpiara-belona, tsy fahampian'ny fitandrovana ny fahasalamana ary ny fihenan-danjan'ny fampianarana. Eo amin'ny lafiny hafa, tsy mitsaha-mitombo ny sandan'ny fahadiovana sy ny isan'ny mpanjifa ary avo dia avo ny tahan-ketra tsy maintsy efain'ny vahoaka.

Firenena matanjaka, vahoaka mahantra

Ho famintinana ireo voalaza ireo, nilaza i Bai Yen fa i Sina dia  firenena iray matanjaka, saingy ny mponina ao aminy dia mbola mahantra hatrany: [4]

整个国家,富的越来越富,穷的越来越穷。官员们越来越富,老百姓越来越穷。

Ato anatin'ity firenena ity, mihamanana hatrany ny manan-karena raha toa ka mihamahantra eny foana ny mahantra. Mihamanam-bola ireo mpitondra ao amin'ny governemanta ary mihasahirana hatrany ny vahoaka.

国家财政收入增加了,又可以多办几届超豪华的奥运会世博会,又可以长长我国政府的脸面了。

Ankehitriny, raha mitombo ny fidiram-bolan'ny firenena, dia afaka milalao “olympique” tsara dia tsara sy manao fampisehoana maneran-tany isika mba hampamirapiratra ny endriky ny governemanta.

如果我国国民收入分配不公的格局不改变,那么国家财政收入增加再多,对咱们普通老百姓来说也毫无意义。

Raha tsy misy fiovana ny drafitra eo amin'ny fitsinjarana ary na dia manan-karena tahaka ny inona aza ny firenena dia tsy misy fiantraikany eo amin'ny vahoaka izany.

Governemanta eo an-toerana dibo-trosa

Manambara [5] ny “swlonging”  fa mahantra ihany koa ny governemanta.

地方政府基本上也归属于我们这些穷民一类了,欠下一屁股债,日子实在 不好过。要知道,1994年分税制度的改革,虽然客观上加强了中央政府的财力,但是却削弱了地方政府的财力… 另一方面,地方政府还要承担大量的公共事务支出,没有多余的财力实现城市发展和基础设施建设,政府要实现这一部分功能,贷款是非常重要的一部分。在 2008年底经济刺激政策下,地方融资平台设立和贷款受到鼓励,政府甚至发文要求下级县按要求设立融资平台。各地政府做出了一致的选择——贷款开展项目建 设。

Mahantra toy ny vahoaka ny governemanta eo an-toerana ary maro amin'izy ireo no bokan'ny trosa. Ny fanovàna ny hetra tamin'ny taona 1994 dia nampiakatra ny fidiram-bolan'ny governemanta  foibe fa kosa nampahalemy ny tanjaka ara-bolany governemanta eo an-toerana… Amin'ny lafiny iray, tsy maintsy mamatsy ny asa ho an'ny vahoaka ny governemanta eo an-toerana  ary tsy manana mihitsy fidiram-bola hafa  hanorenana foto-drafitrasa. Vokatr'izany,  voatery  mindram-bola ry zareo. Ny politika ara-toe-karena tamin'ny fiafaran'ny taona 2008 dia nandrisika ny governemanta eo an-toerana hamorona sehatra famatsiam-bola  mba ahafahana mahazo famatsiam-bola.
Eny, na ny governemanta isam-paritra aza dia mirotsaka amin'ity endrika famatsiambola ity mba hindramana vola hampandrosoana tetikasa.

6月23日,审计署公 布的报告显示,地方债务总体规模较大,存在风险,一些债务风险较为集中的地区债务余额超过本级财政可用财力的100%…

Tamin'ny faha 23 jona dia nanambara ny Biraom-pirenena mpanadihady [National Audit Office]  fa nampitombo ny dona mahazo ny orinasa ny trosa anatiny. Any amin'ny faritra sasany, mihoatra ny 100% amin'ny fahafahan'ny governemanta ny trosa anatiny…

Manana  soso-kevitra maromaro azo ampihariina [6] i Yeh Kai mba hanatsarana ny zava-misy:

1、  适度降低政府财政收入在GDP中的比重,还富于民。…
2、  建立更透明的财政收支监督管理体系。加大财政信息公开的力度,大力提高财政收支透明度。…
3、  优化财政支出、压缩行政办公费用、加大民生投入。民间对财政收支疑问颇多,其实关键还在财政收入的使用去向。如果财政收入的大头都切实的投向民生,民众是 欢迎的。但是,我们的财政收入中的相当部分却作为各级政府的行政办公费用,具体多少无从查考,但从庞大的公务员和事业编制、豪华的行政办公楼、以及各级官 员乘坐的车子来看,民众的疑问是有道理的。从另一方面,在社会保障、医疗、教育等方面的投入仍然不足,突出的表现是看病难、上学难、退休养老难。…中央政 府有必要出台统 一性措施,硬性规定社会保障、医疗、教育在政府财政收入中的占比,并逐年提高,只有暂时采用强制性措施,才能切实加大民生投入,压缩行政办公费用,增进社 会的和谐稳定与健康发展。

1. Ahena ny ampahan-ketra ho an'ny amin'ny GDP [PIB], tazonina ho eo anivon'ny vahoaka ny harena …
2. Manorina rafitra  mangarahara ho fanaraha-maso  fitantanam-bolam-panjakana. Ny fampahafantarana momba ny toe-bolam-panjakana sy ny fandaniana azy dia tokony hangarahara ary tokony ho azo aseho ny sarambabem-bahoaka…
3. Ahena ny fandaniana ao amin'ny fitantanan-draharaha ary mamoaka vola betsaka mba hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Somary kivikivy ihany ny vahoaka mahita ny fidiram-bola sy ny fandaniam-bolam-panjakana. Nefa eken'izy ireo soa aman-tsara ny fandaniana raha natao hanatsarana ny fiainany, fa amin'izao fotoana izao, ny ampahany lehibe amin'ny fidiram-bolantsika dia lany ampiasaina amin'ny fitantanan-draharahan'ny governemanta eo an-toerana. Hitantsika taratra izany eo amin'ny fivelaran'ny rafitry ny asam-panjakàna, fiara sy tranobe lafovify ho an'ny governemanta. Amin'ny lafiny hafa kosa, tena tsy mahafapo fampiasam-bola ataon'ny governemanta ho fitsimbinana ny fiaraha-monina, ny fahasalamana ary ny fampianarana. Tsy manam-bola ny olona handehanana any amin'ny toeram-pitsaboana , sekoly sy mba hankafizany ny fiainany mandritry ny fotoana fisotroan-dronono… Ny governemanta foibe dia tokony handroso politika  mba hametrahana lalàna mifehy ny fampitovizan-tantana eo amin'ny fandaniam-bola ho an'ny vahoaka sy ny fidiram-bolan'ny governemanta ary hampiakatra tsikelikely io ampahany io mba hanorenana fiaraha-monina mirindra sy salama.