11 Jolay 2010

Tantara tamin'ny 11 Jolay 2010

Japana: Ilay Mahery fo, Sakamoto Ryoma

  11 Jolay 2010

Matoky tena, hentitra sy to teny, ary kinga fatratra, Sakamoto Ryoma (坂本龍馬) dia iray amin'ireo olon'ny tantara tian'ny Japoney indrindra foana. Vao nanomboka nandefa ny tantara mitohy Ryomaden (龍馬伝: 'Ny tantaran'i Ryoma') ny NHK tamin'ny volana Janoary, dia teraka ny fankafizana an'i Ryoma manerana ny firenena.

Chili: Manomboka any Californie hatrany Chili eny ambony “biodiesel”

  11 Jolay 2010

Niara-nitety tany nandritra ny enim-bolana i Maria Jose Calderon sy Carlos Herrera manombok any California, any Etazonia ka hatrany Chili, amin'ny fiara "biodiesel". Nitety an'i Amerika Atsimo izy ireo hijery ireo epetra raisin'ireo mponina hanampiana ny tontolo iainana, ary nandrakitra ireo zavatra hitany sy ny diany tamin'ny alalana horonantsary, saripika ary lahatsoratra blaogy.

Sina: Firenena matanjaka, mponina mahantra

  11 Jolay 2010

Nanambara ny fampielezam-peom-panjakana CCTV tamin'ny faha 28 Jona fa manantena ny hahazo hatramin'ny 8 arivo lavitrisa yuan ($1.18 arivo lavitrisa) i Sina hatramin'ny faran'ny taona 2010. Izany tarehimarika izany dia...