Eto ilay orita Paul dia naminany ny fandresen'i Alemaina tamin'ny lalao teo aloha nanoloana an'i Arzantina.
Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay, ka ao anatin'izao mondial mampirediredy izao, dia misy orita alemana tanora antsoina hoe Paul izay mitoetra ao anaty dobo fitaratra ao amin'ny SeaLife any Oberhausen, Alemaina nahamarina hatrany ny faminaniany [2] tamin'izay ekipa tafavoaka mandresy isaky ny fihaonana. Tsy nivaona tamin'izany koa ny androany [omaly 07 jolay]: Espaina no nofidian'i Paul manoloana an'i Alemaina, noporofoiny indray fa diso izay manohitra ny safidiny:
Androany moa dia heniky ny takoritsika, tsikera ary fampirisihana an'i Paul ny tontolon'ny sioka antserasera (twitter), raha mihamalaza any amin'ny faritra sasany (toa an'i Angletera) ny “oritan'ny toe-tsaina”. Tany India i mojorojo [4] no manana limerick [5] [sakafo misy orita no fahazoako azy] hozaraina:
Nialoha ny fahavitan'ny lalao dia nisy ny mpisioka an-tserasera no nanahy ny fiarovana an'i Paul tany Alemaina angamba. Ningerongerona [6] ilay Holandey DJ Tiesto:
if Germany loses they will make fried calamari out of Paul the octopus! haha [6]
Nanome voninahitra an'i Paul kosa ny hafa, tahaka an'i narizza [7] sady mipetraka any Paris no monina any Jakarta :
next time I go to sushi bar I will salute all the octopus, including tako sashimi and chuka lidako. [8]
Ny hafa kosa dia tena misalasala tanteraka amin'ny zavabitan'i Paul. Nizara ny fanamarihany maneso [9] ilay mipetraka any Dubai duguzzle [10] amin'ity vaovao mahafalin'ny maro rantsana ity:
Paul the octopus just said it's going to be hot in Dubai tomorrow. [9]
Mety ho manana ny hampiasana ity zavamananaina valo tanana ity ilay mipetraka any Kenya uncleTeeJay [11], fa mbola amin'ny tetikasa mampidi-doza ihany koa:
That octopus should be sought for referendum results. It may do us some good before cooked [12]
Dia andrasana indray izany izay havoakan'i Paul amin'ny lalao famaranana…ka hojerena na ho lasa takoyaki [13] [orita atao sakafo] izy amin'ny farany na tsia.