03 Jolay 2010

Tantara tamin'ny 03 Jolay 2010

Egypta: Miketrika valifaty ny Minisitry ny atitany

Nampiasa ny media amin'ny aterineto ireo mafana fo Egyptiana amin'ny fampiharihariana tanteraka ny kolikoly sy ny fampijaliana ataon'ireo mpitandro ny filaminana. Marwa Rakha manoratra mikasika ny fihetsehan'izy ireo niseho vao haingana ary manala sarona ny tranga mikasika ny mafana fo Egyptiana iray voatazona tany Libya ato amin'ity lahatsoratra ity.

Sina: tranonkala iray fitadiavana asa nakatona noho ny fanohanana ny fitokonan'ny mpiasan'ny Honda

GV Mpisolovava  03 Jolay 2010

Lahatsoratra navoakan'i Oiwan Lam amin'ny teny anglisy tao amin'ny tranonkala  Advocacy Tamin'ny andro (8 Jona) rehefa namoaka ny taratasiny momba ny politikany mikasika ny  aterineto ny Filankevi-pirenena Sinoa, manipika ny lanjan'ny hevitry ny olona ao amin'ny aterineto ho fanaraha-maso ny asam-panjakana,  dia tranonkala fikarohan'asa iray (zggr.cn) no noterena hikatona noho...

R. D. Congo: Fahaleovantena “Cha Cha”

  03 Jolay 2010

Nankalaza ny faha – 50 taonan’ny fahaleovantenany niala tamin’ny zioga Belza ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Raha mbola faly mampidera ny halafon’ny fitaovana ara-miaramila vaovao izay ampiasaina amin’ny fisehosehoana amin’ireo manamboninahitra ny fanjakana , dia mitantara ireo filatroana tany Kinshasa sy Lubumbashi kosa ny mpitoraka blaogy Kakaluigi[fr] sy Congo Miliki [fr], eo andanin’izany, mampahatsiahy ny vanim-potoan’ny fahaleovantena sy ny zava-bita tsara indrindra tamin’ireo androm-panantenana ny mpitoraka blaogy Kongole sasany.

Filipina: Maneho hevitra mikasika ny kabary fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao ireo mponin'ny aterineto

  03 Jolay 2010

Maneho hevitra mikasika ny kabary fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao faha-15-n'ny Repoblikan'i Philippines, ,Benigno Simeon Aquino III ireo Filipiana mpitoraka blaogy. i Aquino no voalohany amin'ny filohan'i Philippines manana bakalorea sady voalohany amin'ny fibatàna ny fandresena tamin'ny fifidianana nampiasana teknolojia avo lenta teo amin'ny frenena

Nepal: Nametra-pialàna ny Praiministra

  03 Jolay 2010

Nanao filazana ampahibemaso ny fametraham-pialany ny praiministra Nepaley Madhav Kumar Nepal omaly nandritry ny lahateny iray mivantana tamin’ny fahitalavitra. Nyfametraham-pialàn' Ing. Nepal dia mitondra mankamin'ny fitsaharan'ireo disadisa ara-politika naharitra tao Nepal.