- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh: Miverina ny Hartal

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

Protests in Dhaka. Image from Flickr by Vipez. CC BY-NC-ND [1]Fihetsiketsehana any Dhaka. Sary avy amin'ny Flickr-n'i Vipez. CC BY-NC-ND

Taorian’ny fitsaharana nandritry ny telo taona, niverina indray ny Hartal [2] any Bangladesh, endrika iray fanao any µAzia Atsino rehefa manao fitokonana. Ny fiombonamben’ny mpanohitra any Bangladesh dia niantso fanaovana hartal iray [3]tamin’ny Alahady (27 Jona 2010) ho fanindriana ny fangatahan-dry zareo ahitana teboka 11 ka isan’izany ny famahana ny olan’ny filan’ny vahoaka, ny fanodikodinam-bola, ny fanaovana antsojay amin’ireo mpitarika nhy mpanohitra sy ny mpiasa sns.

Nafampana ny teo-draharaha raha ny fijerena ny harivan’ny andro nanaovana ny Hartal izay nisy tati-baovao [4] milaza fandoroana fiaramadinika sy fitateram-bahoaka tany amin’ny faritra samihafa tao Dhaka renivohitra ka mpandefa maro no tratry ny fahamaizana lalina tamin’izany.

Nazmul Hasan Babu avy amin’ny blaogy Prothom Alo dia manolotra fanazavana vitsivitsy [5] mikasika ny kolontsaina Hartal ao an-toerana:

গুজরাটী শব্দ “হরতাল” কে বাংলাদেশের রাজনৈতিক দলগুলো যেভাবে ব্যবহার করেছেন তা বোধ হয় বিশ্বের কোন দেশই করতে পারেন নি। [..] আর হরতালের আভিধানিক অর্থ যা ই থাকুক না কেন বাংলাদেশের প্রেক্ষাপটে হরতালের সংজ্ঞা হচ্ছে- এদেশ আমার বাপ-দাদার, চাইলেই বন্ধ করে দেব সবকিছু।

বাংলাদেশের মানুষেরও আত্মার সাথে মিশে গেছে হরতাল। হরতাল আমাদের সংস্কৃতির ও একটা অংশ। হরতালের তারিখ নির্ধারণ মানেই হচ্ছে- আজকে আমার দোকানটা বন্ধ থাকবে, না হয় লুট হবে। আজকে আমার কষ্টার্জিত উপার্জনে কেনা সখের গাড়িটা ভেঙ্গে টুকরো টুকরো হবে। হরতাল মানেই হচ্ছে আজকে আমার কাজে যাওয়া হবে না। বড় কর্তার বকুনি। নয়তো ছেলেমেয়ে নিয়ে না খেয়ে থাকা।

এসবই পুরনো কথা। দীর্ঘ প্রায় আড়াই তিন বছর পর আবার শুরু হচ্ছে হরতাল। এ আড়াই তিন বছরে বাংলাদেশের জনগন বোধহয় ভুলেই গিয়েছিলেন হরতাল শব্দটি। এরই ফলে তারা হয়তো আর হরতাল চায় না। কিন্তু তারা না চাইলেই কি হবে, নেতারা তো চান! [..]

মাননীয় বিরোধী দলীয় নেত্রী কি ভেবে দেখেছেন, হরতাল হলে দেশের একদিনে ক্ষতি কত হবে? কত মানুষের ভোগান্তি হবে? অবশ্য এসব আপনাদের ভাববার কথা নয়, কারণ আপনারা জনগন দিয়ে রাজনীতি করেন জনগণের জন্য নয়। তাই জনগনের কি ক্ষতি হলো তা ভাববার মতো সময় আপনার কোথায়?

Ireo antoko politika ao Bangladesh dia mampiasa ny famaritana ny Hartal amin’ny fiteny Gujrati [6] izay tsy mbola hita hatrizay na taiza na taiza manerana izao tontolo izay. [..] Adinoy hoe ahoana ny famaritana itambarambe ny Hartal, amin’ny fijery ao Bangladesh, ny dikany dia hoe fananana  nolovanay manokana ny firenena ka azonay akatona ny zavatra rehetra  araka izay tianay.

Efa raiki-tampisaka ao an-tsain’ireo mponina ao Bangladesh ny Hartal. Singa iray amin’ny kolontsainay. Ny filazana ny datin’andro hanaovana Hartal dia midika fan a hakatona ny toeram-pivarotako, na horobaina. Amin’io andro ion y fiara tsy foiko dia hopotehin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny Hartal dia midika fa tsy ho afaka mandeha mamonjy toeram-piasana aho ary ho voabetrobetrokin’ny mpampiasa ahy. Ny ho vokany dia tsy handray karama ary handry fotsy miaraka amin’ireo zanako.

Zavatra efa fantatra daholo izany rehetra izany. Taorian’ny fitsaharana naharitra efa ho telo taona dia niverina indray ny Hartal eto Bangladesh. Maro ny olona ao Bangladesh no efa nanadino io nofy ratsy io. Noho izany mety tsy ho ankasitrahan’izy ireo mihitsy ny hiverenan’io indray. Saingy tsy olana izay hetahetan-dry zareo any, satria izay no tian’ireo mpitarika.

Ry mpitarika hajaina avy amin’ny mpanohitra, mba efa noeritreretinareo ve hoe hoatrinona no ho fatiantoky  ny firenena anatin’ny andro iray noho ny fitokonana? Aina firy no hafoy? MAzava loatra fa tsy mila miasa saina amin’izany ianareo, satria ny politikanareo dia entim-bahoaka fa tsy ho an’ny vahoaka. Noho izany dia tsy manana fotoana ianareo hisainana ireo olana sy ireo fatiantoky ny vahoaka.

Manoratra [7] i Habib ao amin'ny Amar blog :

হরতাল বল্লেই প্রথমে তা সম্পর্কে মনে আসে যে হরতাল করলে দেশের ক্ষতি। এবং রাজনৈতিক দলগুলো বিরোধীদলে থাকলে হরতাল জায়েজ, আর সরকারীদলে থাকলে নাজায়েজ ।”

দেশে অরাজকতা তৈরী করে সরকারকে বিপদে ফেলার একটা কায়দা হল – হরতাল।

Ny zavatra voalohany tonga ao an-tsaina avy hatrany rehefa miresaka momba ny Hartal dia ny fahavoazana goavana entiny ho an’ny firenena. Rehefa any amin’ny ilany misy ny mpanohitra ny antoko politika iray, tena zavatra ilaina ny Hartal hoy ry zareo, rehefa any amin’ny ilany mitondra indray dia mahazendana fa manohitra ny Hartal ry zareo.

Satria ny Hartal amin’ny famoronana tontolo baranahiny dia làlana iray hanosehana ny governemanta ho amin’ny toerana saropady.

Aminul Haque Bachchu at Pothom Alo blog [8]dia manazava an-tononkalo ny  Hartal [8]: [8]

লাঠি হাতে মাঠে চল

এলো ঐ বিপক্ষ দল

হরতাল হরতাল ।

গরীব মারার নয়া কল

রাজনীতির এক মাত্র বল

হরতাল হরতাল ।

মানুষ ক্ষ্যাপানোর কৌশল

ক্ষমতায় যাওয়ার ছল

হরতাল হরতাল ।

পকেটে পিস্তল, হাতে মশাল

গাড়ী ভাঙ্গতে রাস্তায় চল

হরতাল হরতাল ।

Eny ankianja miaraka amin’ny fampiasana langilangy

Indro tonga ny mpanohitra

Hartal Hartal

Fitaovana vaovao handripahana ny ory

baolina tokana am-pelatanan’ny mpanao politika

Hartal Hartal

Fitaovana iray handranitana ny vahoaka io

Fandrebirebena handraisana fahefana

Hartal Hartal

Jiro no an-tànana, poleta an-tsikinana

Ndeha hameno ny arabe sy hanimba fiara

Hartal Hartal

Na izany aza, misy mponin’ny aterineto vitsivitsy manohana ihany koa ny Hartal. Ilay mpitoraka blaogy Dhibor ao amin'ny Somewhereinblog.net dia manome rariny ny fitokonana [9]:

আগামীকাল আঃ লিগে দুঃশাসনের বিরুদ্ধে প্রতিবাদ জানাতে যে হরতালের উদ্যোগ নেয়া হয়েছে, সেখানেও কঠোর অবস্থানের কোন বিকল্প নেই। কেননা আওয়ামী লিগ ভদ্র ভাষা বোঝে না। তারা যেমন নীতিতে কর্মে সন্ত্রাসি, সেরকম শক্ত প্রতিরোধ না গড়তে পারলে, ওরা পুলিশকে সাথে নিয়ে পেটোয়াবাহিনি লেলিয়ে দেবেই। ইতিমধ্যে কিছু কিছু আলামত স্পস্ট হয়েছে।

তাই মার খেয়ে পালানোর কোন সুযোগ নেই। যে কাজ অনেক অনেক দিন আগেই করা উচিত ছিল, (যদিও ইস্যুর তো কোন অভাবই ছিল না), সেটা এতদিন পরে হলেও যে করা হচ্ছে, সেজন্য মৃদু ধন্যবাদ বিরোধী দল পেতে পারে।

Tsy misy làlana hafa azo ijoroana afa-tsy ny Hartal mba hanoherana ny tsindrihazolena ataon’ny Ligin’ny Awami (antoko mitondra) Awam. Satria ny Ligin’ny Awami tsy mahafantatra resaka ampilaminana izany. Satria ry zareo no mibahan-toerana amin’ny asany sy n y politikany, raha tsy matanjakan tsar any fanoherana, dia handefa ny mpitandro filaminana hidaroka antsika avy ao an-damosina ry zareo. Efa misy soritsoritra sasantsasany mivoaka sahady.

Tsy ilaina ny fandosirana rehefa voadaroka. Efa ela tany alohga tany no tokony nanao izany ny mpanohitra (efa nisy ny olana) ary farany dia nanapa-kevitra ihany ry zareo hanao azy ity – mendrika  fisaorana avy aty amiko ry zareo.

Io filazana etsy ambony io dia maneho ny fifandroritan’ny tontolo politika ao.

Ireo mpampiasa twitter koa dia isan’ny naneho hevitra toy izao:

Ry Hartal, ela izay tsy nifankahitana izay. Nefa minoa ahy ianao fa tsy nalahelo anao mihitsy izahay... [10]

abhilashn: Toa andiana mpanohatra any dhaka izy izany. ho betsaka ny fisakafoanana, ny torimaso, ary ny fijerevana fahitalavitra any amin'ny trano fivarotana rahampitso. *senton-kafaliana* [11]

Banglar Manchitro ao amin'ny Somewherein dia manontany hoe [12]:

বিরোধীদলতো হরতাল বাদে অন্য যেকোন কর্মসূচি দিতে পারতো। তারা লংমার্চ, অবস্থান কর্মসূচি, অনশন করতে পারতো। তাহলে তারা কেন এই ক্ষতিকর হরতাল দিল।

আমাদের দেশের জন্য আমরা কি এই হরতাল সর্মথন করি?????

Tokony hampiasa fomba hafa hanaovana fihetsiketsehana ankoatra ny Hartal ny mpanohatra. Azony atao ny manao diabe, fihetsiketsehana mipetraka, fitokonana tsy hihinan-kanina, sns. Ka maninona no ity Hartal mpandrava ity no nambaran-dry zareo?

Tena ho an'ny firenentsika tokoa ve no hanohanantsika ity Hartal ity?