- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pero: Nitsidika an'i Lima ireo tompondaka roa erantanin'ny lalaon-tsaina echec

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fanatanjahantena

Nandritra ny roa andro, dia nampiantrano an'ireo tompondaka roa erantanin'ny echec, Gary Kasparov [1] sy Anatoly Karpov [2] i Lima. Samy tonga hanao lalao fampisehoana izy roa ireo, izay nifanandrinan'izy ireo tamina ankizy 25: 20 amin'izy ireo dia nofidian'ny Federasiona Perovianin'ny lalaontsaina Echec ary ny ambiny dia nalaina avy amin'ny mpijery. Na dia ny baolina kitra aza no mpanjakan'ny fanatanjahantena rehetra [3] any Pero, ary na nosakanana [4] ho tsy hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena aza ny echec Peroviana, dia tsy nandalofotsiny tamin'ireo mpitoraka blaogy sasany izany.

Tamin'ny volana May, Hugo Melo, mpitoraka blaogy ao amin'ny El ajedrez es cultura (kolontsaina ny echec), nanamarika tantara iray tao amin'ny blaoginy[es] [5] mikasika ilay fitsidihana:

[El Instituto Peruano de Deportes (IPD)] destacó que la llegada de estas “dos leyendas vivas del ajedrez”, cuya fecha de arribo no precisó, “será de mucho provecho para los ajedrecistas nacionales”.
[…]
“Sus experiencias como campeones mundiales sin duda serán captadas por nuestros jóvenes deportistas”, acotó.

[Ny Ivontoerana Peroviana ho an'ny Fanatanjahantena (IPD, raha ny anarany amin'ny teny Espaniola)] nanasongadina fa ny fahatongavan'ireo “olo-malaza roa velon'ny echec”, izay mbola tsy fantatra ny daty hahatongavany, “dia tena hanampy betsaka ireo mpilalao echec ao an-toerana”.
[…]
“Ny fahaizan'izy ireo amin'ny maha tompondaka erantany azy dia tsy isalasalàna fa  tena ilain'ireo tanora mpilalaontsika ”, hoy izy.

Ao amin'ny blaoginy Nido de erRatas [es] [6], Carlos Tovar dia mizara tantara vitsivitsy momba ireo mpilalao roa ireo:

Karpov y Kasparov protagonizaron la más prolongada rivalidad sobre el tablero en la historia del ajedrez. El estilo de Karpov, racional y lógico, con una marcada tendencia hacia posiciones claras en las cuales un cálculo preciso permitía encontrar la variante ganadora, contrastaba notoriamente con el estilo de Kasparov, marcadamente táctico y dinámico, con tendencia hacia posiciones complicadas, en las cuales el cálculo no bastaba para orientarse durante el juego, sino que debía ser auxiliado por la intuición.

Karpov sy Kasparov dia teo anivon'ny fifanandrinana naharitra indrindra teo amin'ny latabatry ny echec tanatin'ny tantaran'ny echec. Ny fomban'i Karpov, mandanjalanja sy mampiasa saina, miaraka amina fironana miharihary ho an'ireo fitoerana mazava ka ao anatin'izay ny kajikajy mazava izay làlana hahitana ny fandresena azo eritreretina,  dia tena mifanohitra tanteraka amin'ny fomban'i Kasparov, maranitra ara-pomba sy mailamailaka, miaraka amina fironana mankamin'ny fanasarotana, ao anatin'izay ny tsy fahampian'ny kajikajy amin'izay tokony haleha mandritry ny fifanintsanana, fa arahana tsindrimandry fotsiny.

Ity fifanandrinana taloha ity dia lasa finamanana, araka izay lazain'i [es] [7] Monty Python ao amin'ny blaogy Otras tardes :

Karpov también aprovechará su estadía en Perú para promover su candidatura a la presidencia de la Federación Internacional de Ajedrez (FIDE), que cuenta con el apoyo de su ex rival Kasparov.

Karpov dia hahazo tombony amin'ny fijanonany any Pero mba hampitomboany ny lanjan'ny firotsahany ho Filohan'ny Federasion'ny Echec Erantany -FIDE, izay tohanan'i Kasparov izay mpifanandrina taminy fahiny .

Tamin'ny Talata 22 Jona, dia tsy nila adiny roa akory ireo tompon-daka roa ireo handresena ireo ankizy 25 voafantina. Ankoatry ny fahatanoran'izy ireo, dia natoky tena tamin'ny fikisahany ireo ankizy. Tamin'io andro io ihany, dia niverina tany Bolivia i Karpov sy Kasparov.

Christian Torres (@vergato [8]) dia nisaotra ireo kintana roan'ny echec ireo ao amin'ny Twitter:

Maestros gracias por venir!!! 2 Genios en Peru …

Misaotra anareo tompoko noho ny fahatongavanareo!!! Kintana 2 aty Pero …
Sary avy  amin'ny mpampiasa Flickr Mukumbura [9], nampiasaina ny Creative Common lisense.