Ejipta: Homboy i Scheherazade


Tamin'ny volana Aprily 2008, dia vodona mafy tany amin'ny ambavafony ny fahalalahana miteny sy ny famoronana any Ejipta noho ny fangejana ny BD ho an'olon-dehibe noforonin'i Magdy El Shafee's – Metro. Nametraka ny raharaha teo anivon'ny fitsarana ilay mpanoratra sy ny trano mpanonta ny bokiny kanefa tsy nahazo y rariny. Voapanga ho maniratsira an'Andriamanitra sy manimbazimba ny maha-kristiana i Dr Youssef Zidane noho ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Azazeel (Beelzebub). Mety ho voatana an-tranomaizina mandritra ny dimy taona i Zidane. Androany dia voapanga ho vetaveta i Scheherazade ao amin'ny alina 1001 ary te hahita azy ho faty ny sasany amin'ireo mpahay lalàna – tamin'ny antson'izy ireo ny amin'ny fanalàna ny boky!

The Chronikler nanoratra:

Herinandro vitsy lasa izao, rehefa niezaka ny hangeja ny fomba fisafidianana ny vakiteny ataon”ireo Egyptiana amin'ny fiantsoana azy ireo hanakana ny fivoahan'ilay boky vaovao Alina arivo iraik'amby amin'ny endriny vaovao izay be mpitia sy ahitàana ireo ‘personnages’ tsy lefin'ny taona ao anatiny, ao anatin'izany i Aladdin, Ali Baba ary Sindbad,  ny vondrona iray mitonona ho Mpahay Lalàna Tsy mifato-tànana (somary miaro eson-teny kely) . Ny anton'izany? Ireo tahiry nandalo taonjato ireo dia  “vetaveta” ary  mety hahatonga ireo olona ho “veta saina sy hanota”.

Soa ihany, nifanome tànana hiaro ireo tantara tsara ireo ny manampahaizana Ejiptiana,  nampitandrina mikasika ny fisosohan”ny  “Bedouinisation” amin'ny kolontsaina Egyptiana. Ity dia, mety ho, ohatra mampihomehy indrindra amin'ny firehana vaovao, izay antsoiko hoe, fanamelohana mihatra amin'ireo asa efa nivoaka.

Zeinobia miheritreritra fa Scheherazade dia nanome anatra mikasika ny fiainana tamin'ny vadiny tao anatin'ny Alina 1001 indrindra amin'ny politika sy ny fahaizana mitantana, izay no mahatonga ireo olona te hahita azy ho faty.

Mampalahelo i Scheherazade , nanao an'izany izy ary navotan'ireo tantarany ireo ny fiainany  fahiny tahaka ny amin'izao fotoanan'ny fivoarana izao izay maro no miezaka mandrara ireo tantara nanavotra azy sy ireo zanakavavin'ny fireneny tanatin'ny Alina 1001 !!

Zeinobia mitantara amintsika fa:

Tsy vao voalohany izao no nitranga fa efa nitranga ihany koa ity taloha rehefa naniry ny handrara ny fanontana ity boky ity ireo mpahay lalàna tamin'ny 1985.

Alohan'ny zava-drehetra dia tokony ho fantatrao fa ny fanontàna resahan'izy ireo dia mikasika ny fanontàna tranainy avy amin'ilay  boky ao anatin'i Ejipta maoderna nandritra ny fotoanan'i Mohamed Ali pasha tao amin'ilay trano fanontàna Imbaba ary izy io dia natonta taorian'ny fahazoana alalana sy ny fanitsiana nataon'i Al Azhar ; eny,  neken'ilay Al Azhar tamin'ny taonjato faha 19 niaraka tamin'ny teniny sy ny sariny ratsy NSFW !!! Ny famoahana farany hitanao ao amin'ny trano fanontana Imbaba dia ny fanontàna tamin'ny 1935 izay tsy hita intsony any Cairo na any amin'ny trano famakiam-bokin'i Alexandrie fa any amin'ny Anjerimanontolon'i Toronto !! “aza manontany ahy hoe ahoana na fa maninona !!”

Namaky ny boky fototra niaingàna – izay heverina ho tsy noraràna – Zeinobia miteny:

Ny fitsarako manokana dia tena mahafinaritra ity boky ity miaraka amin'ireo tantarany miaty tantara, tontolo iray tena hafa ary ekena fa tena misy resaka ara-nofo maro ao kanefa dia mbola maro koa  ireo fanavakavahana ara-pirazanana atao amin'ireo foko hafa  izay tsy nampahazo aina ahy. Kanefa ambonin'ireo rehetra ireo dia manaitra ity boky ity, tena manaitra ary mety ho taitra ianao amin'ireo tononkalo, ireo ohabolana sy ireo zava-nitranga ara-tantara tanisaina ao anatin'ity boky ity.

Ary momba ny resaka fahavetavetana, dia manamarika izy:

Tsy ity boky ity irery anefa no misy sary mibaribary, noho ny antony tsy fantatra dia ity irery no tadidy. Ny zavatra hitantsika any amin'ny TV dia mbola ratsy noho izay, Andriamanitra ô! , mba makà Melody TV fotsiny dia ho fantatrao hoe inona no tiako ho lazaina.

Mechanical Crowds dia tsy faly amin'ny fomba fitondran'ny Ejipta ny fahalalahana miteny:

Ny faneriterena ara-kevitra dia iray amin'ireo antony mahatonga an'i Ejipta ho tratra aoriana. Tokony hiala amin'ity fahazaran-dratsy ity isika ary hitady fahafahana. Tsy mbola nampitaha ny tononkiran'ny mozika Ejiptiana tamin'ireo hira vahiny ve ianao? Ireo hira Ejiptiana dia azo alaina sary an-tsaina mialoha sady mpanafosafo ary 90 % amin'izy ireo dia mikasika ny fitiavana. Mbola misy zavatra mahaliana lavitra noho ny lehilahy mitia vehivavy eto amin'ny fiainana! Mba jereo ny hira avy any amin'ny toerana hafa ary dia hahita fahaiza-manao maro & fahaiza-mamorona ianao.

Ny 9 jona, dia nanemotra ny raharaha mikasika ny fandrarana ity boky ity ny fitsarana; Banat Zayed miteny:

اصدر النائب العام في مصر عبد المجيد محمود بيانا الثلاثاء اعلن فيه براءة “الف ليلة وليلة” من تهمة ازدراء الاديان والدعوة للفجور.
من جهة اخرى، قال النائب العام ان التحقيقات في قضية رواية “عزازيل” التي اعتبرتها الكنيسة القبطية مسيئة للمسيحية، ستعلن خلال الايام القليلة المقبلة.
Ny Lehiben'ny Fampanoavana, Abdel Meguid Mahmoud dia nanemotra ny fandraràna mikasika ity boky lovan'ny Arabo “Alina arivo iraik'amby” ity. Ireo famelohana noho ny fanaratsiana ny fivavahana sy ny fahavetavetana rehetra dia nahilika.
Nandritra izay fotoana izay, dia niteny ilay Lehiben'ny Fampanoavana fa ny fanadihadihana mikasika ilay boky “Azazeel,” ilay fiangonana Coptic izay raisina ho manohintohina ny maha-Kristianina, dia ho lazaina amin'ny andro manaraka.

Mandritra izany, ny mpitoraka blaogy Ahmed Al Sabbagh dia nametraka rohy azo hakàna ity boky ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.