- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksika: vonona hifanandrina amin'i Frantsa

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fanatanjahantena

Milalao ao anatin'ny vondrona A mifanandrina amin'i Uruguay, Frantsa ary Africa Atsimo ny ekipa Meksikana amin'ity Mondial FIFA 2010 ity. Amin'ny lalao fanokafana dia I Meksika no nifanandrina tamin'ny mpampiantrano, Afrika Atsimo. Na dia nifarana tamin'ny 1-1 aza ny lalao, dia namela marika tsara sy nampisy tara-panantenana ho an'ireo mpanohana ny ekipa Meksikana. Amin'ny Alakamisy 17 Jolay, dia i Frantsa indray no hifanandrina amin'ny Meksika. Mampiasa Twitter ireo Meksikana hanehoan'izy ireo ny fanantenany mikasika ny lalao manaraka. Ireto misy ohatra vitsy mampiseho ny eritreritr'ireo mponina Meksikana amin'ny zavatra mety hiseho, indrindra ny avy amin'ireo tanora:

@NetLeon [1] @jakchiva si #mex Mexico le gana a #fra France no twitteo una semana aunque me muera en el proceso.

@NetLeon [1] @jakchiva raha mandresy ny #fra Frantsa i #mex Meksika dia tsy hitoraka tweet mandritry ny herin'andro, na dia ho faty eny antsefatsefan-dalana eny aza.

Nanao tsikera mahatsikaiky ireo hafa, toy i @ManzanitaGrunge [2], izay  hampitahany amin'ny mpilalao horonan-tsary sy TV Meksikana, Carmen Salinas.

@ManzanitaGrunge [2] si #mex Mexico le gana a #fra France , me chuto todas las películas de Carmelita Salinas que existan. #Hedicho

@ManzanitaGrunge [2] raha mandresy ny #fra Frantsa i#mex Meksika, dia hijery ny horonan-tsary rehetra ahitana an’ i Carmelita Salinas.

@torrewhite [3] A dos días del juego!!! Ya quiero ver el #mex Mexico contra #fra France

@torrewhite [3] oa andro mialoha ny fifandonana!!! Tena te-hahita an'i #mex Meksika hifanandrina amin'ny #fra Frantsa aho

Ao ihany koa ireo mihanihany, tahaka an'ity avy amin'i @Ruta2010 [2] ity:

@Ruta2010 [4]que hace un mexicano cuando México #mex Mexico gana la copa del mundo? R: apaga el playstation jajajaja

@Ruta2010 [4]Inona no hataon'ny Meksikana raha mahazo ny amboara eran-tany i Meksika #mex? Valiny: tsy hilalao playstation izy hahaha

Farany, teny fohy avy amin'ireo mpandray anjara misongadina : ireo mpilalao baolina kitra Meksikana:

@mexicoworldcup [5] Carlos Vela: “Tsy misy safidy: na mamono na maty.” Guardado:  “Hilalao hatramin'ny fara-fofon'ainy” i Mexika. Morbid. #WorldCup Inona no mitranga? bit.ly/aH2taj

Ao ireo tweets no mahatsikaiky, ao koa ireo feno fanantenana. Rahampitso, rehefa vita ny fifandonana, dia hampitomaratara ny fihetsehim-pon'ny firenena amin'ny vokatr'ity fifandonana sarotra ity ireo mpitoraka Tweet Mexikana, izay azo antoka fa lalao hanaintaina.