Afrika Atsimo: Adihevitra momba vuvuzela amin'ny mondial

Angamba azo hamaritana ny endriky ny fifaninanana fiadiana ny amboara erantany 2010 ny firentirentin'ny kianja vaovao sy ny karazam-pitafiana marevaka anaovan'ny mpanohana ny ekipam-pirenena 32 mifaninana. Tsy misy fisalasalana kosa fa ny feo mampiavaka ity fifaninana ity dia ny feon'ny vuvuzela, izay henon'ny mpijery any an-kianja na amin'ny fahitalavitra. Niteraka adihevitra na tokony hanampy na tokony hoesorina amin'ny tontolon'ny mondial ny feon'ity vuvuzela ity.

Ho an'ny mpijery baolina fandaka Afrikana Tatsimo dia ao anatin'ny fombafomba fijerena lalao baolina ny vuvuzela ka tsy hitany izay olana. Zava-baovao ho an'ny vahiny kosa anefa ny feon'ity fitaovana vita amin'ny plastika ity.

Sarina Vuvuzela tao amin'ny Soccer City avy amin'ny alvez ary nampiasana mifanaraka amin'ny dinan'ny Creative Commons.

Efa adihevitra izy ity nandritra ny Amboaran'ny Confederations 2009 notontosaina tany Afrika Atsimo ihany ho an'ny mpijery baolina manerantany izay tratran'ny feony. Misy ny sasany izay niantso ny handrarana ny fampisana azy any an-kianja satria hoe manimba ny firavoravoan'ny lalao. Nanohana tanteraka ny hampiasana azy mandritra ny mondial 2010 kosa anefa ny filohan'ny FIFA Atoa Sepp Blatter. Nolazainy fa, “tsy tsy tokony eoropeanizentsika kosa ny mondial Afrikana.

Ankehitriny kosa, andro vitsy nanombohan'ny fifaninanana dia lasa adihevitra an-tserasera indray izy io ho an'ireo izay mitaraina ny aminy, sy ho an'ireo miaro ilay zavamaneno eny fa na ireo mitsikera ny mimenomenona amin'ity vuvuzela ity aza. Na dia misy aza ny tatitra milaza fa mety hijery ny amin'ny fifehezana ny fampiasana vuvuzela noho ny fitarainan'ny televiziona aza ny FIFA dia tsapan'ny maro fa mbola hitohy ihany ny fampiasana io zavamaneno io.

Ny mpisioka an-tserasera Syriana (twitter) Anas Qtiesh moa dia mampitaha ny feon'izy ity amin'ny feon'andiam-bibikely ka nanoratra hoe “mila aringana (amin'ny entona ny bibikely) eny an-kianja, efa tsy voafehy intsony ny fipariaky ny tantely.” Maro moa ny kaonty Twitter no mandrisika ny fitarainana momba ity vuvuzela ity: @stopvuvuzela, @vuvuneela, ary ny @vuvunee.

Misy koa ny hafa kinga amin'ny fiarovana ny nentim-pahazaran'ny baolona fandaka any Afrika Atsimo. Manoratra i Michelle Sibanda (@pinkminx36) :

Lovan'ny taninrazanay ny vuvuzela…noho izany TSY hitsahatra izahay ny hitsoka azy ary mahazo mitaraina ianareo mandra-paniry nify ny akoho!!!”

Mampihomehy ny hafa kosa ny fitsikerana ny feon'ny vuvuzela ka nanome fanazavana ny fitarainan'izy ireo. Daniel Reeders (@onekind) nametraka:

Sambany nahita an'i Afrika mitabataba, mikorotandrotana sy tafahoatra ny loha ny tontolo tandrefana ka mifikitra mitaraina amin'ny twitter sisa #vuvuzela

Farany, Karabo Harry (@kayrabH) no manolo-kevitra ao anatin'izany rehetra izany:

Raha mahatezitra anareo ny feon'ny #Vuvuzela mividiana #EarPlugs fa amin-javatra toy ny tsy fahaiza-mamaky teny (#Illiteracy) & fahantrana (#Poverty).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.