Palestina: “Matahotra ranomasina aho”

Ho fihetsehana amin'ny “raid” tamin'ny Flotilla-mpahafahan'i Gaza tamin'ny 31 May, nanoratra lahatsoratra miendrika kanto ilay mpitoraka blaogy Gaza Kawther Abu Hani miainga amin'ny fomba fijerina ankizy, mitondra ny lohateny hoe Tsy Levona ireo Vatomamy. Tao amin'ny blaoginy Notes of the Night, manoratra i Kawther :

أنا خائفة جدا من البحر مرة قتلوا هدى غالية على الشاطئ و مرة أصيب جارنا الصياد برصاصة قطعت ذراعه فأكلتها الأسماك.. أمي هذه المرة أنا أكثر خوفا و قلقا من البحر و أصبحت حذرة من الماء حتى ماء الصنبور أنا خائفة منه أمس استهدفوا طيارتي الورقية المحلقة في سماء البحر و في الصباح اغتالوا أسطول الحرية أعلن المخيم أن المساعدات تأجلت
Tena matahotra ranomasina aho Indray andro dia novonoina teo amoron-dranomasina ny [fianakavian'i] Huda Ghalia, ary andro iray hafa indray dia voatifitra ny mpanjono mpiray vodirindrina aminay ary naràtra ny tanany dia nohanin'ny trondro… Ô ry Neny… Izao aho dia vao mainka matahotra sy mihorohoro momba ny ranomasina Dia lasa miahiahy ny rano aho Na ny ranon'ny “robinet” aza mampatahotra ahy Omaly dia nokendren'izy ireo ny papangoko nisidina tany an-danitry ny ranomasina Ny maraina dia novonoin-dry zareo ny Flotilla-mpahafahana Nanambara ny toby fa ahemotra ny fanampiana
يا إلهي كم يصدّق الصغار أبسط المبررات لكنني لا أصدق أن الحلوى التي على متن الأسطول قد نجت من الغرق, حتى و إن لم تغرق فإنها قد اعتقلت و ربما صودرت إلى أطفال يهود.. لماذا الأطفال اليهود محظوظون أكثر منا؟
Andriamanitra ô Mino ireo fialan-tsiny faran'izay tsotra ny madinika Nefa tsy mino aho fa afaka nitsoaka tamin'ny filetehana ireo vatomamy teny ambonin'ny flotilla, na dia hoe tsy nilentika aza izy ireo fa nalaina an-keriny ary mety nalaina ho an'ireo ankizy Israeliana… Nahoana ireo ankizy Israeliana no tsara vintana noho izahay?
Children on Gaza shore

Ankizy eny amin'ny morontsirak'i Gaza (sarin'i Emad Badwan http://emadbadwan.wordpress.com/ )

أووه تلك المستوطنة التي ترتفع برأسها و عيونها إلى مخيمنا.. تبدو أبشع من غول حكاية جدتي, أعتقد أن الحلوى ذهبت إليهم, يا خسارة.. كان مذاقها سيكون حلوا في فمي و سيذيب مرارة الحصار العالقة في حلقي.. كنتُ أنا و أصدقائي نخطط لجمع قطع الحلوى التي تبحر إلينا و نصنع منها بيتا صغيرا لننتقم به من الخيم, أتظنين يا أمي أنهم سيُرجعون الحلوى إلينا؟ المعلمة أخبرتنا أن الأمهات اليهوديات لا يرضين لأطفالهن بأن يأكلوا حلوى ملوثة, استغربتُ من ذلك و قفزت من مقعدي أسأل المعلمة ” و هل الحلوى التي يحملها الأسطول ملوثة”, لم تجبني المعلمة و راحت تكمل شرح درس الاحتمالات.. صديقي قال لنا أن الحلوى حقا ملوثة, لقد تلوّثت بالرصاص و بالغاز المسيل للدموع, ثم سكت قليلا و قال بفرح ” لكن الدم طهرها “, صديقتنا أمل تقيّأت عندما سمعته يقول ذلك, لم تحتمل تخيل مشهد قطع حلوى مبللة بدم الكبار, أما أنا فابتهجت و اطمأننتُ بشأن الحلوى.. حلوى بطعم الدم و البحر و البلاد الحرة.
Ô… Io mpanjanaka mampitraka ny lohany sy ny masony mijery ny tobinay… Toa mbola ratsy noho ny biby any anatin'ny anganon'i Nenibe. Mieritreritra aho fa lasan'izy ireo ny vatomamy – mampalahelo… Mety ho mamimamy tato am-bavako ny tsirony, dia mety nanjavona ho azy ny ngidin'ny sakana ao an-tendako… Nitetika ny hanangona ireo vatomamy mandeha mankaty aminay izaho sy ireo namako, dia hanao trano lay kely avy amin'ireo hanoloanay ireo trano lainay. Ry neny, mieritreritra ve ianao fa averin-dry zareo aminay ireo vatomamy? Niteny taminay ireo mpampianatra anay fa tsy mba manome vatomamy voampozina ho an'ireo zanany ireo reny Israeliana; gaga tamin'izany aho, ary nitsanjana tamin'ny sezako no nanontany taminy hoe, “Voapozina angaha ireo vatomamy nentin'ilay flotilla?” Tsy namaly ahy ilay mpampianatra fa nanohy nanazava ny lesona momba ny “probabilité”… Niteny taminay ny namako fa tena voapozina ireo vatomamy ireo, voapozina tamin'ny bala sy baomba mandatsa-dranomaso; nangina nandritra ny fotoana fohy izy dia niteny tamin-kafaliana hoe, “Nefa manadio azy ireny ny rà.” Nandoa i Amal namanay raha vao nandre azy niteny izany; tsy zakany ny mieritreritra vatomamy mihosina amin'ny ràn'ireo olon-dehibe. Nefa fay aho ary nilamin-tsaina momba ireo vatomamy… Vatomamy manana tsirona rà sy ranomasina ary firenena afaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.