- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Ireny elo “vinyl” mahazatra ireny

Sokajy: Mediam-bahoaka

Zavatra mahafinaritra ny elo Japoney nentin-drazana na wagasa [1], vita amin'ny bararata sy taratasy Japoney. Saingy ny elo mahazatra indrindra, dia ity iray mora vidy, tantera-pahazavàna, vita amin'ny plastika sy “vinyl” (avy amin'ny mpandika: karazana plastika hafa ihany koa ny vinyl). Azo vidiana na aiza na aiza any amin'ireo kioska sy mpivarotra ena-madinika izy.

[2]

‘Orana mahakamo fotsiny, tsy misy lanezy’ nalain'i kirainet

Fananana

Mari ao amin'ny watashi to tokyo [3] [Izaho sy Tokyo] dia manazava fa mahazatra ny maha-ambany dia ambany ny toe-tsaina miaro fananana.

Ankehitriny any amin'ny birao, maro loatra ireo olona mampiasa ity karazana elo ity ka sarotra ny manavaka hoe iza ny ahy dia iza ny anao. Noho izany dia mandray iray fotsiny isika rehefa avy ny orana, sy am-pisalasalana. Toa mieritreritra ny olona fa maimaimpoana ny elo “vinyl” mazava. Saika fahazarana ny fanangona'ny olona elo “vinyl” toy izany. Hay moa izaho koa manao izany.

Na fanahy iniana na tsia, ny fitoerana elo eo alohan'ny varavaran'ny mpivarotra enta-madinika dia toerana voalohany hanakalozana elo sy hangalarana azy. Mitantara tranga vao haingana [4] ny mpaneho hevitra iray tao amin'ny blaogin'i Tagame :

前にちょっといいビニール傘をコンビニの外の傘立てに置いておいたら、出てきた時には骨がさび付いたふる~いビニール傘に変わってました。

Namela elo “vynil” lafo vidy iray aho tao amin'ilay fitoeran'elo teoalohan'ny toeram-pivarotana enti-madinika iray. Rehefa nivoaka aho fotoana maromaro taorian'izay, lasa elo antitra sy arafesenina no tao.

Ni-tweet an-katezerana i @Yutarine [5], leo:

雨の日のコンビニで他人の傘をパクる奴には等しく死を。

Ho faty avokoa anie ireo izay mangalatra ny elon'ny sasany any amin'ny toeram-pivarotana enta-madinika mandritra ny andro avy orana.

Filazàna toetr'andro

Olona maro no manao fahazarana ny mijery ny filazàna toetra'andro amin'ny maraina. Niteny i Lester Ho [6]:

Araka ny fantatareo dia azo antoka 90% ny faminavinana toatr'andro aty Japana ary hahafantatra ny toetr'andro anio avoko ny rehetra ary raha ho avy ny orana dia hahita olona marobe ianareo efa mivonona amin'ny elo na fia mbola tsy mirotsaka aza ny orana.

Tsy fantatro hoe tena azo antoka marina ve ireny tatitra ireny, fa zava-dehibe ny tsy fahatratraran'ny tampotampoka (sy kotsa!). Mety mamboraka ny sasany amin'ireo fahazaranao izany? Manontany tena ilay mpitoraka blaogy ao amin'ny Odeon Apple [7] raha hikorompaka sy tsy hatoky ireo mpanjifa azy ireo mpivarotra elo “vinyl”, tsy toy ilay “tena izy”.

「この人、朝のニュースや天気予報も見ずに外に出かけ、行った先でビニール傘を買うなんて、準備などがきちんとできない人じゃないだろうか、行き当たりばったりなんじゃないの」と思われそうなこと。

Mety hieritreritra ny sasany, “Ity olona ity dia nandao ny tranony tsy nijery ny vaovao maraina na ny filazàna toetr'andro, dia nividy elo “vinyl” teny an-dalana. Ny olona toy izany dia mety ho tsy matotra na tsy dia mahay mandamina mialoha.”
[8]

Sarin'ilay rindram-baiko Elo

Misy mihitsy aza ny rindram-baiko amin'ny iPhone [9] avy amina orinasa Japoney iray ka ny hany tanjony amin'izany dia ny hampahafantatra anao raha mila mitondra elo androany na tsia. Nanolotra izany ny blaogy Tokyo Hacker tao amin'ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Manao veloma ireo elo “vinyl” [10] ” [ja].

Very dia hita

Ny elo dia #1 ao amin'ny lisitry ny entana very nomena ny Biraon'ny Polisy An-tanan-dehibe. Tamin'ny 2006, elo teo amin'ny 430 000 [11] no naterina, izay maherin'ny 20 isan-jaton'ireo fitaovana very rehetra.

Nanao ny famaritany manokana ny “fitaovana very” mihitsy aza ny Fikambanan'ny Lalam-by Japoney Tsy miankina ary misy fanononana ny elo ao amina rakibolan'ny teny mifandray amin'ny lalam-by [12].

大都市の鉄道では、「ひと雨500本」という言葉が示すように、雨が降ると傘の忘れ物が多くなります。

Araka ilay oha-pitenenana “Orana iray, elo 500”, mahazo elo very marobe ireo orinasan-dalam-by any amin'ny tanàn-dehibe rehefa andro avy orana.

Mikarakara tetik'asa mampiasa ireo elo voaangon'ireo orinasan-dalam-by isan-taona ny tanànan'ny Kanazawa. Ampanofaina maimaimpoana any amina toerana am-polony maro izy ireny, anisan'izany ireo toerana momba ny fizahan-tany sy ireo fiara fitaterana. Voamarika amin'ny sary famantaran'ilay mpihira Eri Takena [13], azo averina na aiza na aiza any amin'ireo toerana voatondro ireo izany. Nefa tsy mandositra ny fahazaran-dratsy. Maro tamin'ireo elo ireo no tsy niverina tamin'ny taon-dasa – toa maro ireo mpizaha tany no mitondra azy ireny mody hataony fahatsiarovana.

Tsy ho ela dia hanambara ampahibemaso ny fanombohan'ny tonon-taona firotsahan'ny orana ny Mpandraharaha ny Toetr'andro any Japana.