- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

MENA: Mila misafidy i Israely

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Ejipta, Emirà Arabo Mitambatra, Israely, Jordania, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Vaovao Mafana, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Avy any ankavia, havanana, afovoany, mirarak'ompana ny fanamelohana taorian'ny fanafihan'i Israely ny sambo Tiorka nizotra ho any Gaza mba hanatotra fanampiana noho ny maha-olona no sady handrava ny fahirano atao amin'ny Palestiniana.

Ao amin'ny  Twitter, i Queen Noor Al Hussein avy any Jordan dia ni-tweet [1]:

Fotoana izao hisafidianan'i Israely na hiaina ao anaty Fanjakana jiolahimboto paria mankahatra ny lalàna iraisam-pirenena & ny maha-olombelona na hifandinika hisian'ny hoavy mandry fahalemana.

Sultan Al Qassemi avy amin'ny firenena UAE  dia mandinika [2] sady zendana:

Oadray jereo, hatramin'ny mpanao jadona Sodaney aza nanameloka ny fanafihan-dozan'ny mpanavakava-bolonkoditra Israeliana. Dia nahita ny tsy fahita aho ka. #jumpingonthebandwagon

Ary i  Mariam, mbola avy any UAE ihany koa, dia mbola miandry [3] izay ho fihetsiky ny Firenena Mikambana mikasika ilay fanafihana:

Nitady izay fanehoan-kevitr'i Ban Ki Moon aho #freedomflotilla [4]. Vaovao farany nivoaka: Ban Ki Moon dia mandrisika ny vahivavy hampiato ny fifohana sigara.

Ny andiany voalohany tamin'ireo  tweets nalefan'i Queen Rania avy any Jordana dia milaza fa [5]:

Tohina noho ny famonoana olona sivily tany amin'ny fari-dranomasina iraisam-pirenena #FreedomFlotilla [6]. Menatra noho ny risi-po sy ny sorona nataon'ireo mpandeha tamin'ny anaran'ny rariny sy ny hitsiny.

Hoy izy manampy [7] avy eo:

Izay sambo rehetra manandrana mandy fahirano dia Sambo irain'ny Fanantenana ho an'ny vahoakan'i  #Gaza [8].

Sombintsombiny amin'ireo antony:

#FreedomFlotilla [6] Zava-misy1:FAHASALAMANA–95% amin'ny rano ao  Gaza no tsy manaraka ny fenitra WHO [OMS] ka mitondra fanampoizinana ho an'ireo zaza vao teraka an'arivony. PLZ RT!  [Azafady Avereno alefa Tweet!] (source [9])

#FreedomFlotilla [6] Zava-misy 2:FANABEAZANA–1/3 n'ireo sekoly no rava nandritra ny fanafihana an'i  Gaza tamin'ny taona ‘09; Tsy mbola voavoatra izy ireny. PLZ RT! (source [10])

#FreedomFlotilla [6] Zava-misy 3: FAHANTRANA– 80% n'ny vahoaka ao  Gaza no miaina ambanin'ny fetra farany mitory fahantrana; 95% n'ireo orinasa tsy mainkina no nandrindrim-baravarana. PLZ RT! (source [11])

#FreedomFlotilla [6] Zava-misy 4: SAKAFO– Roa ampahatelon'ireo Gazans [mponin'i Gaza] no tsy mahalala intsony hoe avy aiza indray ny ho sakafon'izy ireo manaraka. PLZ RT! (source [12])

Ilay Ejiptiana Abdelrahman no kinga namaly [13] an'i  Queen:

.@QueenRania روحى صحى جوزك قوليله قوم اسحب السفير يا منيل #FreedomFlotilla
@QueenRania Mifohaza ka tairo ny vadinao ary teneno izy handroaka avy hatrany ny masoivoho (Israeliana)

Mbola avy ao Ejipta, i Amira Howeidy nanamarika fa [14]:

Azafady mba atsaharo ny fampitahana ny tafika Israeliana amin'ireo jiolahin-tsambo Somaliana! Manambany ny jiolahin-tsambo Somaliana izay tsy namono olona akory izany #flotilla [15] #gaza [16]

Mandritra izany, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny any Bahrain,  Dr Nazar Al Baharna dia mi-tweet hoe [17]:

Manaraka akaiky izahay miaraka amin'ny Masoivohonay any Jordana sy ny Masoivoho Palestiniana ary ny Minisitry ny Raharaham-bahiny any Jordana mba hijery akaiky ireo teratany  Bahrainis tao anatin'ireo sambo

Ary androany dia mitatitra [18] ny Minisitry ny Raharaham-bahiny any Bahrain, Shaikh Khalid Al Khalifa  fa:

Navotsotra daholo ireo Bahraini voafonja … Efa any Jordana an-dalana hody izy ireo

Araho izahay ao amin'ny takelaka manokana ho fitaterana [19] ny fanafihana ny sambo.

Avy amin'ny Amira Al Hussaini [20] · Navoaka tamin'ny 2 June 2010 [21]