Avy any ankavia, havanana, afovoany, mirarak'ompana ny fanamelohana taorian'ny fanafihan'i Israely ny sambo Tiorka nizotra ho any Gaza mba hanatotra fanampiana noho ny maha-olona no sady handrava ny fahirano atao amin'ny Palestiniana.
Ao amin'ny Twitter, i Queen Noor Al Hussein avy any Jordan dia ni-tweet:
Fotoana izao hisafidianan'i Israely na hiaina ao anaty Fanjakana jiolahimboto paria mankahatra ny lalàna iraisam-pirenena & ny maha-olombelona na hifandinika hisian'ny hoavy mandry fahalemana.
Sultan Al Qassemi avy amin'ny firenena UAE dia mandinika sady zendana:
Oadray jereo, hatramin'ny mpanao jadona Sodaney aza nanameloka ny fanafihan-dozan'ny mpanavakava-bolonkoditra Israeliana. Dia nahita ny tsy fahita aho ka. #jumpingonthebandwagon
Ary i Mariam, mbola avy any UAE ihany koa, dia mbola miandry izay ho fihetsiky ny Firenena Mikambana mikasika ilay fanafihana:
Nitady izay fanehoan-kevitr'i Ban Ki Moon aho #freedomflotilla. Vaovao farany nivoaka: Ban Ki Moon dia mandrisika ny vahivavy hampiato ny fifohana sigara.
Ny andiany voalohany tamin'ireo tweets nalefan'i Queen Rania avy any Jordana dia milaza fa:
Tohina noho ny famonoana olona sivily tany amin'ny fari-dranomasina iraisam-pirenena #FreedomFlotilla. Menatra noho ny risi-po sy ny sorona nataon'ireo mpandeha tamin'ny anaran'ny rariny sy ny hitsiny.
Hoy izy manampy avy eo:
Izay sambo rehetra manandrana mandy fahirano dia Sambo irain'ny Fanantenana ho an'ny vahoakan'i #Gaza.
Sombintsombiny amin'ireo antony:
#FreedomFlotilla Zava-misy1:FAHASALAMANA–95% amin'ny rano ao Gaza no tsy manaraka ny fenitra WHO [OMS] ka mitondra fanampoizinana ho an'ireo zaza vao teraka an'arivony. PLZ RT! [Azafady Avereno alefa Tweet!] (source)
#FreedomFlotilla Zava-misy 2:FANABEAZANA–1/3 n'ireo sekoly no rava nandritra ny fanafihana an'i Gaza tamin'ny taona ‘09; Tsy mbola voavoatra izy ireny. PLZ RT! (source)
#FreedomFlotilla Zava-misy 3: FAHANTRANA– 80% n'ny vahoaka ao Gaza no miaina ambanin'ny fetra farany mitory fahantrana; 95% n'ireo orinasa tsy mainkina no nandrindrim-baravarana. PLZ RT! (source)
#FreedomFlotilla Zava-misy 4: SAKAFO– Roa ampahatelon'ireo Gazans [mponin'i Gaza] no tsy mahalala intsony hoe avy aiza indray ny ho sakafon'izy ireo manaraka. PLZ RT! (source)
Ilay Ejiptiana Abdelrahman no kinga namaly an'i Queen:
Mbola avy ao Ejipta, i Amira Howeidy nanamarika fa:
Azafady mba atsaharo ny fampitahana ny tafika Israeliana amin'ireo jiolahin-tsambo Somaliana! Manambany ny jiolahin-tsambo Somaliana izay tsy namono olona akory izany #flotilla #gaza
Mandritra izany, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny any Bahrain, Dr Nazar Al Baharna dia mi-tweet hoe:
Manaraka akaiky izahay miaraka amin'ny Masoivohonay any Jordana sy ny Masoivoho Palestiniana ary ny Minisitry ny Raharaham-bahiny any Jordana mba hijery akaiky ireo teratany Bahrainis tao anatin'ireo sambo
Ary androany dia mitatitra ny Minisitry ny Raharaham-bahiny any Bahrain, Shaikh Khalid Al Khalifa fa:
Navotsotra daholo ireo Bahraini voafonja … Efa any Jordana an-dalana hody izy ireo
Araho izahay ao amin'ny takelaka manokana ho fitaterana ny fanafihana ny sambo.