- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Emirà Arabo mitambatra: nahita rameva

Sokajy: Emirà Arabo Mitambatra, Tontolo_iainana

Raha miteny amin'olona ianao fa mipetraka any amin'ny helodrano Arabika , dia zavatra roa no tonga ao an-tsain'izy ireo – ny solika sy ireo rameva. Noora Nasrallah, izay mi-tweet amin'ny solon'anarana PurpleNano, milazalaza ny fifanenany tamina rameva tany UAE ao amin'ireo tweets mitohitohy anio.

Ao amin'ny tweet-ny voalohany [1], dia miteny izy:

Haha najanon'ireo polisy teo amin'ny araben'ny Emirates mankany #RAK daholo izahay satria nisy rameva nandeha nanaraka ny arabe 😀

Ny tweet [2] manaraka dia mitondra vaovao hafa maro mikaika ity rameva hory sy ngamba mety very ity:

Rameva mampalahelo!! Feno tahotra izy mihazakazaka manaraka ny arabe :S

Ary farany dia niditra an-tsehatra [3] ny polisy tsy hahalany ny andro:

Haha tafampita  soa aman-tsara ny arabe ilay rameva. “Bravo” ny polisy! http://tweetphoto.com/24014216

Ao amin'ny Tweetpic, PurpleNano dia mandefa ity sary manaraka [4] ity:

[5]

Nanavotra ny rameva ny polisy

Tsara fiafarana tsara ho an'ny rameva iray, raha ny hevitro.