Bangladesh: Facebook nosakanana vonjimaika

Facebook Banned In Bangladesh

Bangladesh izao no firenena faharoa any Azia aorian'i Pakistan manakana ny Facebook iray manontolo tao ho ao. Tamin'ny Zoma 28 May 2010 nanodidina ny tamin'ny 8:30 dia natao ny fanakànana noho ny fampielezan-kevitra masiaka manohitra ny Praiminisitra Sheikh Hasina ary nanohintohina fivavahana mihitsy,  hoy ilay mpitoraka blaogy sady mpanao gazety Biplob Rahman mitatitra [bn] ao amin'ny vohikala fitoraham-blaogy MuktoMona. Na izany aza dia mbola azo idirana ihany io vohikala io amin'ny alalan'ny finday (m.facebook.com).

Fotoana fohy taorian'izay dia nanamafy ireo gazety tamin'ny alalan'ny tenin'ireo tompon'andraikitraao amin'ny Bangladesh Telecom Regulatory Commission (BTRC) [Komisiona mpiandraikitra ny Telecom any Bangladesh] fa nosakanana mandritra ny fotoana voafetra ny Facebook.

Vao haingana ny BTRC no nibaiko ireo mpitantana ny rakitra (“data service”-n'ny) aterineto ao amin'ny Mango Telecom sy ny Orinasam-pifandraisana any Bangladesh  mba hitady fomba hanakànana ireo votoaty tsy manaja fiaraha-monina avoakan'ireo mpampiasa Facebook.

Saingy tsy nahomby tamin'izany ireo orinasa roa ireo, ka izany no nanery ny fitondràna hanàkana ny vohikala iray manontolo, hoy ity tompon'andraikitra, izay nangataka ny mba tsy hanononana ny anarany.

The Daily Star

Araka ny lazain'ny Facebook dia maherin'ny 900.000 ireo mpampiasa  Facebook any Bangladesh ary 60%-n”izy ireny no manodidina ny 18 hatramin'ny 24 taona. Mpampiasa aterineto maro, toa an'i Sukanta Rai ao amin'ny Prothom Alo Blog no manontany tena manao hoe:

ফেসবুক কি দোষ করল কেউ কি আমারে বলবা?

Fa inona no nataon'i Facebook, misy afaka milaza amiko ve?

Mampahafantatra i S. M. Mahbub Morshed ao amin'ny Sachalayatan :

বাংলাদেশের দ্বিতীয় জনপ্রিয় সাইট ফেইসবুকে হাসিনা-খালেদার ব্যাঙ্গাত্মক ছবি প্রকাশের পর মাহাবুব আলম রডিনকে গ্রেপ্তার করে র‍্যাব। এর কিছুক্ষণ পরেই বাংলাদেশ থেকে ফেইসবুক এক্সেস না করার খবর আসতে শুরু করে।

Taorian'ny namoahana sary vetaveta ahitana an'i Hasina sy Khaleda (Ny Praiminisitra sy ny mpitarika ireo mpanohitra) tao amin'ny vohikala faharoa malaza indrindra any Bangladesh dia nisambotra tanora iray antsoina hoe Mahbub Alam Rodin ny Rapid Action Battalion (RAB – hery manokana haingam-piasa).Fotoana fohy taorian'izay dia tsy afaka niditra tamin'ny Facebook intsony ireo Bangladeshis.

Manontany tena i Chitpotang ao amin'ny Unheard Voices blog raha nisy fandrahonana avy amin'ireo antoko ara-pivavahana nanery ny fitondràna handray izao fanapahan-kevitra izao:

Izay no filazan'ny “tompon'andraikitra” azy. Inona no tena antony? Hmm, sao dia misy ifandraisany amin'ny fiverenan'ny   Naya Diganta sy Khatme Nabuwwat, Amini, ary ny al amin'ny endrika fanondranana ny fanakànan'ny Facebook any Pakistan noho ny Fifaninana Kisarisarin'i Mohammed? Fandrahonana  hikarakara fitokonana ny andro aorian'ny fitokonan'ny BNP tamin'ny volana Jona, izay mety mbola ho goavana lavitra? Toy ny mahazatra dia mamaly ny fandrahonana Silamo/”Rightist” ny AL (Awami League) amin'izay saim-patany, mirodana avy hatrany.

Na izany aza dia maneho ny heviny i Aminul Islam Sajib ao amin'ny Life with technology :

Na dia miteny aza ny BTRC fa nosakànana ilay vohikala noho ny fampiantranoany vontoaty manohatra fivavahana sy vetaveta, tsapako fa ireo kisarisary mampiseho ireo mpanao politika roa naparitaka tao no tena antony nanakànana io vohikala io. Afaka manao izay mety ny fitondràna amin'ny famafàna ireny vontoaty ireny. Nefa naleony nanakana antsika noho ny fitiavan-tenany ary miezaka ny mandresy lahatra antsika fa zavatra hafa ny antony (ireo resaka mamingavinga fivavahana). Angaha tsy fantatr'izy ireo fa misy “proxy” an-jatony, toa an-dry hidemyass.com, redfish.tk (manome anao ny rohy ahafahanao miditra indray amin'ilay vohikala voasakana) afaka ahazoana miditra amin'ny Facebook. Raha izany, maninona no sakanana Facebook? Ny fanakànana an'i Facebook tsy manakana ireo olona tsy ho afaka hiditra amin'ilay vohikala. Toy ny fifanandrinana ny nanasakànana an'i Facebook noho ny fanararaotana.

Gaga sady tezitra ireo Bangladeshi mpampiasa aterineto noho izao zava-mitranga rehetra izao. Ireo mpitoraka blaogy toa an'i https Shahriar ao amin'ny Cadet College Blog dia manazava ny fomba tsotra azo ihodinaana amin'io sakana io amin'ny fampiasàna https sy “proxy” hafa. Na izany aza, mampitandrina [bn] ireo mpampiasa aterineto i  Aranya Anam ao amin'ny Amar Blog mba hitandrina ihany amin'ny fampiasàna ireny vohikala “proxy” ireny   ary manome rohy ilaina amin'izany.

Haseeb ao amin'ny Sachalayatan dia miantso ity fanakànana ity [bn] ho “tsenan'ny fihetseham-po”.

Misikera i Arup Rahee ao amin'ny Somewherein :

ফেসবুক বন্ধ করা কোন সমাধান না। কেউ কোন বিষয়ে কোনখানে মতামত, সমালোচনা, ব্যঙ্গ-বিদ্রুপ ইত্যাদি করলে সেই মাধ্যমটাকেই বন্ধ করা খুব একটা কাজে যে আসে না, তা ইতিহাস বারবার প্রমান করতেছে।

Tsy vahaolana ny fanakanana ny Facebook. Raha misy mitsikera, manao kisarisary na maneho hevitra manohatra olona na zavatra iray, tsy vahaolana hanoherana an'izany ny fanakànanailay media – voaporofon'ny tantara izany.

Miteny i Samir Kumar Ghosh :

আমার মতে এই উদ্যোগ টি নেয়ার আগে সরকারের একটু ভাবা উচিৎ ছিলো। সরকার যদি এসব করার ব্যাপারে সবাইকে সতর্ক করে দিতেন বা আইনের ভয় দেখাতেন তাহলে হয়তো এর চেয়ে বেশি ফল দিতো।

Amiko dia tokony nieritreritra kely aloha ny fitondràna talohan'ny nanakànany an'i Facebook. Raha namoaka fanairana sy fampitandremana ny governemanta – mety ho nandaitra kokoa izany.

Na eo aza izany dia misy ihany ireo hevitra manohana ny fanakànana. Miteny Guru Bhai ao amin'ny Somewherein :

যেসময় ওদের খেলার মাঠে বন্ধুদেরকে নিয়া খেলার কথা অথবা হোমওয়ার্ক করার কথা ,সেইসময় মোবাইল বা কম্পিউটার নিয়ে সোশ্যাল নেটওয়ারকিং এর নামে পরকীয়ায় বা ভার্চুয়াল ডেটিংয়ে (কিংবা অন্য কিছুতে) ব্যস্ত ,যা একটি স্বাধীন সার্বভৌম রাষ্ট্রের জন্য অত্যন্ত লজ্জাজনক

Raha tokony nandany fotoana tamin'ny filalaovana teny an-tokotany na tamin'ny fanaovana ireo enti-mody ireny tanora ireny dia ilaozany mandany fotoana amin'ny fanaovana sipa amin'ny aterineto (na tranga mitovy amin'izany) amin'ny fampiasàna ireo tambajotra ara-sosialy – izay henatra ho ana firenen-dehibe.

Maneho ny heviny koa ireo mpampiasa Twitter:

taslimanasreen: Areti-mifindra angaha ny fanakànana !! nosakanan'i Pakistana facebook ! Izao indray Bangladesh !

julu_vai: ny governemanta any bangladesh, amin'ny fanakànana ny facebook noho ny hatezerany manokana, dia nahatonga hasosoran'olona antapitrisany maro. Aiza ny Fahalalahana miteny?

kowsheek: Finally govt realised that facebook is injurious for pm's health. #bangladesh

DarthShayan: Mila mijoro ireo vahoaka ao #Bangladesh. Avelantsika anjakazakan'ireo mpanao politika foana isika. Angaha moa Bangladesh tsy demokrasia miaraka amin'ny fahalalahana?

Nisy vondrona Facebook noforinana, antsoina hoe Tsoahy ny fanakànana ny Facebook any Bangladesh. Mitatitra i Kajal Abdullah ao amin'ny Somewherein fa efa miforona koa ny fanoherana tsy amin'ny aterineto:

অলরেডী প্রতিবাদ শুরু হয়ে গেছে। ঢাকা বিশ্ববিদ্যালয়ের শিক্ষার্থীরা আজ রাত ১২ টায় রাজু ভাস্কর্যের সামনে ফেসবুক বন্ধের প্রতিবাদে ব্যাপক প্রতিবাদ কর্মসূচী পালন করেছেন। এবং হুশিয়ারি দিয়েছেন অবিলম্বে ফেসবুক চালু না করে দিলে আগামী কাল থেকেই ঢাবি শিক্ষার্থীরা মানববন্ধনসহ নানা আন্দোলনে যাবে।

Efa nanomboka ireo fanoherana. Nikarakara fanoherana ireo mpianatra sasantsasany ao amin'ny Dhaka University (DU) teo alohan'ny tsangam-bato Raju tamin'ny misasak'alina. Nampitandrina izy ireo fa raha tsy tsoahina ny fanakànana an'i Facebook dia hanao “human chain” sy endrika fanoherana hafa ireo mpianatry ny DU.

Miteny i Nazrul Islam at Sachalayatan :

আমরা প্রথমত একটা গণতান্ত্রিক সরকার চাই। যেই সরকার সবাইকে কথা বলার সুযোগ দিবে। সবার মত প্রকাশের সুযোগ দিবে।

ডিজিটাল বাংলাদেশ গড়ার স্বপ্ন দেখিয়ে বর্তমান সরকার ক্ষমতা নিলো। কিন্তু আমরা দেখলাম এই সরকার ডিজিটের কিছুই জানে না।

আমাদের সরকার জানেই না, যে এসব নিষেধাজ্ঞা কোনো কাজের কথা না। বর্তমান দুনিয়ায় নিষেধাজ্ঞার চেয়ে হাস্যকর কিছু নাই আসলে। যার দেখার সে ফেসবুক কেন, দুনিয়ার সবকিছু দেখতে পারবে। তবু সরকার নিষেধাজ্ঞা জারী করে। [..]

এই নিষেধাজ্ঞা হয়তো কয়েকদিন পরই তুলে নিতে হবে। কিন্তু এই সরকারের ইতিহাসে তা আজীবন রয়ে যাবে।

Mitaky fitondràna demokratika manome fahalalahana miteny izahay – miaro ny fahalalan'ny tsirairay maneho hevitra. Nahazo fahefàna ity fitondràna ity tamin'ny fampanantenana Bangladesh ara-“digital”. Nefa vavolombelona isika fa tsy mahalala na inona na inona momba ny eny hoe “digital” izy.Tsy mahafantatra ny governemantantsika fa tsy mandaitra ireny fanakànana ireny – tsy misy zavatra ratsy noho izany amin'izao fotoana izao. Na iza na iza maniry dia afaka miditra amin'ny Facebook na zavatra hafa rehetra amin'ny aterineto. Nefa dia mbola manao fanakànana iray hafa indray ny governemanta.

Mety ho voatery hanàla io fanakànana io ry zareo afaka andro vitsivitsy. Nefa hijanona ho marika ratsy amin'ny asan'ny governemanta ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.