- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Aostralia: Manaitra ireo mpanan-karena Aostraliana i Bob Geldof

Sokajy: Aostralia, Fampandrosoana, Teratany, Vonjy Voina

Niteraka resa-be ilay mpihira malala-tànana Bob Geldof tamin'ny fandàlovany tany Aostralia tamin'ity herinandro ity:

Niteny SIR Bob Gedolf fa vendrana ara-toekarena i Aostralia amin’ny fanafarana ny hery enti-mamokatra any ivelany nefa ny talentan’ireo “Aborigènes” very maina fotsiny.

Teo ampandraisana fitenenana nandritra ny sakafo maraina ho an'ilay mpandraharaha momba ny arintany, ny hetsiky ny fitetezam-paritra GenerationOne [1] ataon'i Andrew “Twiggy” Forrest, izay mikendry ny hampitsaharana ny tsy fitoviana misy eo amin’ireo teratany amin'ity andian-taranaka ity, noharin’i Geldof amin’ny fari-piainan’ny mponina mahantra any min’ny tany Afrikanina, izay hitany maso ny fiainan’ny teratany any Aostralia.
Mitsikera ny fomba tsy mendrika amin'ny fitondran'i Aostralia ireo teratany i Sir Bob Geldof [2]

Toa mankasitraka ny tsy fanajan'i Geldof ny fanararaotam-pahefàna any an-toerana i Greg Tingle ao amin'ny Australian Sports Entertainment:

Namporisika ireo “mpanefoefo adaladala” (Atoa Packer sy ny tariny) izay voaasa tamin’io sakafo maraina io i Geldof mba handray anjara tsy am-pisalasalàna sy hieritreritra matotra tsara amin’ny ady izay ataon’Atoa Forrest mba hampitsaharana ny tsy fitoviana eo amin'ireo teratany. Mahamenatra fa tsy nanatrika ny  “Mpanakarentsika” (Branson), Steve Wynn (mbola manangona be foana), ary ireo akama mpanefoefo ao amin’ny ‘Google’.
Ireo teratany Aostraliana sy ireo trano filokàna no mampiakatr'afo an'i Bob Geldof [3]

Manaparitaka ny tenin'ireo mpahay tantara eo an-toerana i CairnsBlog:

Nilaza i Dokotera Timothy Bottom fa sahisahy ireo teratany vahiny toa an-dry Atoa Bob Geldof milaza fa tsy fahasahiana ny filazàna fa “manao sesitany ireo teratany Aostraliana avy ao amin'ny fireneny ihany i Aostralia”, fa fandinihana anaty tokony ho efa hitantsika hatramin'ny ela tany.

“Tena marina tsy azo idihifana izay voalazany!” hoy Dokotera Bottom. “Izay tsy voalazany dia ireo hevi-baventy manazava an’io.”
BOB GELDOLF: ‘Tsy fahaizana sy tsy misy fotony ara-toekarena’ ny fomba fitondràn'i Aostralia ireo tera-tany [4]

Voatatitra amin'ny antsipiriany ao anatin'ny lahatsoratra ny fanazavan’i Dokotera Bottom ireo antony ireo.

Misimisy ihany ireo mpitoraka blaogy, toa an-dry A Western Heart, izay nanenjika an'i Geldof amin'ny fananany sy ny fihatsarambelatsihiny ihany :

Karazana fankahalana noho ny fandresena sy ny harena, bob, sao dia tokony haverina aminao koa izany, mifanohitra amin'izay mety ho eritreretina fasista tezitra toa anao, tsy azo terena hizara ny volany ireo mpanefoefo, afaka manao izany izy raha tiany, raha tsy tiany izany, tsy azonao terena izy. Saingy malalaka tsara ianao hanome ny volanao, amin’izay fotoana izay, mino aho fa tsy “mpanefoefo adaladala” ianao, sa tsy izany ry Bob?
Go home bob [5]

Voatsikera tao amin'ny Bigpond LiveNews koa ireo fandraisana anjara nataony:

Misy tatitra milaza fa nitety ireo fivoriana arak'asa sy ireo hetsika fanaovana asa soa tany Aostralia Atoa Geldof tamin'ity volana ity, ary voalaza koa fa nandray karama be izy ho an'ireo fifanarahana fandraisam-pitenenana sasantsasany nataony.
Sir Bob Geldof tao amin'ny Melbourne Fundraiser [6]

Namerina ireo antso nataon'ny Oxfam Aostralia [7] ho an'i Aostralia koa i Geldof mba hampitomboany ny fanampiany ny any ampitan-dranomasina:

Mbola mieritreritra foana i Bob Geldof fa anisan'ireo firenena tena manan-danja i Aostralia eto ambonin'ny tany raha vao  tetik'asa fanampiana ny any ivelany no jerena.

Nanome valin-teny fanamafisana ilay mpihira tso-po raha nanontaniana hoe milanja ny vesatry ny fanampiana iraisam-pirenena eran'izao tontolo izao ve Aostralia.
Ny fanampiana “mampalahelo” ataon'i Aostralia any ivelany: Bob Geldof [8]

Tiavo izy na ankahalao, fa tsy hiala izany i Bob.