Ejipta: Fampiasana amin'ny tsy tokony ho izy ny World Wide Web, Manampahefana mitory ireo mafana fo

Misuse of World Wide Web Charge

Ny Sabotsy 22 May 2010 ny Fitsarana ady heloka ao AlKhalifa no handinika ny raharaha  8260/2009 , izay anenjehan'ny mpitsara Abdel Fattah Mourad an-dry Ahmed Seif – Talen'ny Hisham Mubarak Law Center (HMLC), Gamal Eid – Talen'ny  Arabic Network for Human Rights Information (ANHRI) ary ilay mpitoraka blaogy Amr Gharbeia ho “naniratsira, nanala baraka, nanamby, nanaratsy sy nanaraotra ny tolotra aterineto”.

Ilay mpitsara izay nangataka, tany amin'ny taona 2007 tany, ny hanakanana tranonkala sy blaogy miisa 51, dia miampanga an'i Gharbeia ho namoaka ary tsy namafa fanamarihana vitsivitsy “manivaiva”  napetrak'ireo mpitsidika ny blaogy.  Seif, Eid ary Gharbeia dia samy enjehina ho nampiasa tsy ara-dalàna ny fitaovan-tserasera ka isan'izany ny antso ampitain-davitra (telefaona) sy ny World Wide Web!.

Ity tranga ity dia iray ao anatin'ny maro amin'ireo  tranga noforonin'i Abdel Fatah Murad hamelezana ny HMLC, ANRHI ary indrindra koa hamelezana ireo mpitoraka blaogy,  ireo mpiaro ny zon'olombelona ary ireo tranonkalam-baovao.

Ny Tambajotra Arabo Mpandinika ny Zon'olombelona dia niteny hoe:

Ny mpitsara Abdel Fattah Mourad dia misitraka ny maha-tsy matimanota tsy araham-panenjehana noho ny fanitsakitsahana ny fizaka-manana ara-tsaina [intellectual property], na dia mandika pejy efa ho ampolony mahery amin'ny tatitry ny  Tambajotra Arabo Fanomezam-baovao momba  ny Zon'Olombelona sady mamoaka ireny ao anatin'ny iray amin'ireo bokiny aza. Ny tsy maha-matimanota dia mandrisika azy hamorona tranga  misimisy kokoa hanenjehana ny Tambajotra Arabo sy ny Hisham Mubarak Law Center  na dia efa voamarina izao aza fa namorona tranga roa koa izy tsy ela izay.

Raha mihazakazaka fatratra ireo tranga karakarain'ity mpitsara ity, ny fitarainana napetrak'i Gamal Eid tamin'ny Aprily 2007 momba ny fanitsakitsahana ny fizaka-manana ara-tsaina kosa dia mihitsoka any anaty vatasarihan'ny Lapan”ny fitsarana any. Toa sahala amin'ny jamba ny fitsarana Ejiptiana manoloana mpitsara iray manitsakitsaka ny zon'ny hafa sy mandika lalàna raha ny tokony hataony dia ny manaporofo ny maha tsy manan-tsiny azy.

Ity mpitsara ity dia efa namorona fanenjehana an'i Gamal Eid sy ireo mpitoraka blaogy, Manal Hassan sy Alaa Seif tamin'ny 2007  noho ny fanivaivana sy fanalam-baraka. Samy afaka tamin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fampakarana Fitsarana ambony izy telo ireto rehefa azon'ny fitsarana antoka ny famoromporonana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.