Uruguay: Diabe ampahanginana ho fahatsiarovana ireo voafonja nanjavona

Tato anatin'ny 15 taona nifanesy, isaky ny  20 May dia mifamory ao Montevideo ny Uruguayans mba handray anjara amina diabe am-pahanginana ho fahatsiarovana ireo novonoina sy nanjavona nandritry ny jadona miaramila izay nanomboka ny  1973 ary nifarana tamin'ny 1985. Ny vondrona Mujeres y Familiares de Detenidos Desaparecidos (Vady sy fianakavian'ireo voafonja nanjavona) no nikarakara ny diabe, ary tamin'ity taona ity ry zareo dia nanomana  video iray [es] izay ilazan'ny mpitondra teny iray avy amin'ny vondrona mikasika ny niandohan'ny Diabe sy anazavan-dry zareo ny ady ataony:

persigue los objetivos de verdad, justicia, memoria y nunca mas terrorismo de estado.

mitady ny tena marina, ny rariny, ary ny fahatsiarovana sy ny mihoatra aza mba tsy hisy intsony indray ny jadom-panjakana.

Sary nalaina nandritry ny Diabe am-pahanginana teo aloha. Soratra mivaky hoe “Mifidy ny fahatsiarovana izahay.” Sary nampakarina tao amin'ny  Flickr an'i Xanti Revueltas ary nampiasàna ny Creative Commons license

Rosa Zarina Loureiro Malán, ao amin'ny blaoginy Mburucuya [es] manoratra fa:

Esta Marcha recuerda los asesinatos enigmáticos ocurridos y se reclaman datos sobre más de 200 personas Desaparecidas – acaecidos en el Uruguay – en tiempos de la Dictadura. Para sanar las heridas de nuestro pueblo, tienen que ser aportadas a la población, las: Informaciones Necesarias, para que tomen conocimiento de ellas todos los uruguayos

Ny Diabe dia fahatsiarovana ireo vonoolona tsy mazava izay nisy ary mikiaka fanazavana momba ireo olona maherin'ny 200 tsy hita popoka  – nitranga teto  Uruguay – nandritra ny fitondrana jadona. Mba hanakatonana ny ferin'ny vahoakay, dia tsy maintsy mahazo ny vaovao tokony hofantatra  ny olona, amin'izay dia ho afaka hahafantatra daholo ny zava-nitranga ireo Uruguayans rehetra tsy ankanavaka.

Nanoratra lahatsoratra manazava ny tena dikany sy manao sarinteny momba ny fari-piainana amin'izao fotoana izao iainan'ny fianakavian'ireo voasambotra nanjavona  ary mbola mikatsaka hatrany ny marina ireo Uruguayan mpitoraka blaogy. Tamin'ny taona lasa, fitsapankevitra iray ho fanafoanana ny lalàna miantoka ny maha-tsy matimanota an'ireo nanao heloka bevava nandritry ny fitondrana jadona  no nandamoaka [es], nahatonga fahasorenana tamin'ireo  Uruguayans maro sy tsy hahatoky intsony ny rafitra mpanao lalàna. Ny Filoha ankehitriny, José Mujica — izay nizaka manokana ny hirifiry avy amin'ny fitondrana jadona—  dia nanome soso-kevitra ihany koa ny mba hamotsorana ireo manamboninahitra miaramila voagadra [es] voarohirohy tamin'ny fitondrana jadona ka efa feno 70 taona na mihoatra ankehitriny.

Ny blaogy Uruguay Antinatural [es] dia namoaka lahatsoratra maro miresaka momba ilay Diabe. Lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe, “Esto Continúa” (Mitohy ity) dia mamariparitra ny Diabe tamin'ity taona ity sy ny hevitra fonosiny:

Había expectativa. Prometía ser multitudinaria. Y lo fue. Cuadras y cuadras de personas caminando en silencio, para no callar. Pero, sobre todo, fue diferente. Las personas así lo sintieron. Fue la primera Marcha del Silencio después del fracaso del plebiscito por la nulidad de la Ley de Caducidad. Y la primera después de que el presidente José Mujica (que acompañó la caminata durante dos cuadras) hablara de reconciliación. De unidad nacional. De convivencia. Pero sin consultar a las víctimas, se quejaban.

Decían que la multitud era una señal de que no se perdió la batalla. De que todavía se puede anular. Decían que la multitud es la reafirmación de que no hay derrota y una señal de que hay que seguir luchando contra la impunidad. Decían que esa multitud era dolor y que las respuestas para ese sentimiento habrá que construirlas entre todos. Y decían que todavía quedan marchas. Hasta que haya verdad. Hasta haya justicia. Algo que quizás muchísimas personas que ayer marchaban no lleguen a ver. Por el tiempo, por los años de lucha.

Ela no niandrasana. Noeritreretina ho goavana tokoa izy ity. Ary dia izay tokoa. Vondrona ka vondron'olona moa izao nizotra ampahanginana izao, tsy nangina aza. Saingy ambonin'ny zavatra rehetra, hafa kely ilay izy. Toy izany no nahatsapan'ny olona rehetra azy ity. Io no Diabe ampahanginana voalohany taorian'ny tsy fanjarian'ilay fakankevitra ho fanafoanana ny lalàna famotsoran-keloka. Ary voalohany taorian'ny antso  fihavanana nataon'ny Filoha  Jose Mujica (izay nanaraka ny Diabe tokony ho tangoron-trano roa teo ho eo). Ho amin'ny firaisam-pirenena. Ho amin'ny firaisa-monina. Nefa tsy mba nisy fanatonana ireo niharam-boina, hoy izy ireo nitaraina.

Nolazain'izy ireo fa ny hamaroan'ny olona dia famantarana fa tsy very momoka akory ny tolona. Izany [ilay lalàna] dia mbola azo ovàna ihany.  Nambaran'izy ireo fa ny hamaroan'ny olona dia fanamafisana fa tsy misy akory ny faharesena ary famantarana fa tsy maintsy manohy ny tolona fanoherana ny tsy matimanota isika. Nolazain'izy ireo fa naneho ny fanintainany ny olona ary ny valin'izany dia mila tadiavina miaraka. Ary dia mbola nambaran-dry zareo fa Diabe maro no mbola ho avy. Ambara-pahita ny marina. Ambara-pisian'ny rariny. Zavatra izay angamba maro amin'ireo olona nitanjozotra omaly ny tsy hahita an'izany akory. Noho ny fotoana, noho ny taona maro nitolomana.

Sary milaza hoe  “Any ho any ry zareo” nalaina nadritra ny Diabe Ampahanginana teo aloha. Sary nampakarina tao amin'ny  Flickr an'i Pachakutik nampiasana ny  Creative Commons license

Ivonne Leites ao amin'ny blaogy El Polvorín [es] dia manantena fa tsy tokony hisy ilàna ny  Diabe ho fitakiana ny rariny intsony amin'ny taona ho avy, satria horaisina ny fepetra rehetra ilaina mba handrodanana ilay  “lalàna maha-tsy matimanota”:

No olvidamos ni perdonamos a los asesinos de ayer, pero tampoco nos congraciamos con los traidores de hoy. Ojala que el próximo año no sea necesaria la marcha, ojala que el mayo del 2011 nos encuentre con esta ley caduca ya anulada. Pero si llega mayo y nos encuentra igual que hoy, ojala que decidamos quebrar el silencio… que ya va siendo hora.

Aoka tsy hohadinointsika na havotsotsika ireo mpamono olon'ny omaly, nefa koa aoka isika tsy hanome vahana ireo mpamadika amin'izao fotoana. Enga anie amin'ny taona ho avy, tsy ho ilaina intsony ny Diabe, antenaiko ny volana May 2011 dia hahitantsika miaraka amin'ny fahafoanan'io lalàna io. Nefa raha ho tonga ny  May ka mbola hahita antsika toy izao misy antsika ankehitrio, dia antenaiko ny hamakiantsika ny fahanginana …  fotoanan'izany izao.

Victoria, iraikambin'ny roapolo taona, avy any Uruguay nandefa tononkalo Desparecidos [es] (Ireo tsy hita nanjavonana) nosoratan'i Mario Benedetti, Uruguayan iray mpanoratra, ao amin'ny blaoginy. Mpitoraka blaogy iray fantatra amin'ny anarana hoe Master of Puppetz [es] no nitondra fanamarihana ami'ny lahatsoratr'i Victoria manao hoe,

Ojalá me equivoque, pero tengo tan poca esperanza en que algún día sabremos que pasó con todas estas personas. Ayer participé en mi ciudad junto con mi madre (que tiene un tío desaparecido) de la marcha en cuestión. Solidaridad, dolor en algunas caras, una mezcla de feas sensaciones se veía en las caras de algunas personas, espero se sepa algún día, de corazón, lo dudo.

Eso si, que esto NUNCA MÁS suceda

Enga anie ho diso aho, saingy kely finoana aho hoe indray andro any ho fantatsika izay nahazo ireny olona rehetra ireny. Omaly aho dia nandray anjara tamin'ny Diabe tao an-tanàna niaraka tamin'ny reniko (izay manana dadatoa tsy hita popoka). Firaisankina, alahelo nameno ny endrika sasany, fifangaroharoana fihetseham-po mavesatra  samihafa no hita teny amin'ny endriky ny olona maro, antenaiko fa indray andro any ho fantatsika, fa ao am-poko, misalasala aho ny amin'izany.

Zavatra tokana no azo antoka, dia ny hoe tsy hiverina INTSONY ny toy izany.

Uruguay dia iray amin'ireo firenena aty Amerika Latina mbola miady mafy ny hitondrana ireo mpanitsakitsaka ny zon'olombelona nandritra ny fitondrana jadona ho eo anatrehan'ny fitsarana. Noho ireo fianakavian'ireo tsy hita popoka efa miha antitra, be ny manahy fa ireo tanora  taranaka aty aoriana dia tsy hafana fo intsony hanohy ny fitondrana ny raharaha eny amin'ny fitsarana; na izany aza, ireo olona maherin'ny  10,000 avy amin'ny sokajin-taona rehetra nanao ny Diabe tamin'ity taona ity – araka ny itateran'ny gazetim-panjakana azy [es] — sy ny fahalinana asehon'ireo tanora mpitoraka blaogy toa an-dry Victoria dia efa milaza sahady fa tsy ho ato anatin'ny fotoana fohy no hahataperan'ny tolona fikatsahana ny rariny ao Uruguay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.