Tantara tamin'ny 26 Mey 2010
Ny tafan'ny mpamaham-bolongana tamin'ny fifampitifirana sy ny fanovana governemanta
Nisy fifampitifirana nampandriaka ny ra teo amin'ny FIGN izay sangan'ny avy amin'ny zandary mpampandry ny fahalemana miisa 21 sy avy amin'ny mpitandro ny filaminana manoa ny fitondrana mivondrona ao amin'ny...
Uruguay: Diabe ampahanginana ho fahatsiarovana ireo voafonja nanjavona
Tato anatin'ny 15 taona nifanesy, isaky ny 20 May dia mifamory ao Montevideo ny Uruguayans mba handray anjara amina diabe am-pahanginana ho fahatsiarovana ireo novonoina sy nanjavona nandritry ny jadona miaramila izay nanomboka ny 1973 ary nifarana tamin'ny 1985. Ny vondrona Mujeres y Familiares de Detenidos Desaparecidos (Vady sy fianakavian'ireo voafonja nanjavona) no nikarakara ny diabe, ary tamin'ity taona ity ry zareo dia nanomana video iray [es] izay ilazan'ny mpitondra teny iray avy amin'ny vondrona mikasika ny niandohan'ny Diabe sy anazavan-dry zareo ny ady ataony
Chili: Tolo-kevitra avy amin'ny mpizahantany
Ao an-tanànan'i Arica, any Chili ny mpamaham-bolongana Tomás Bradanovic no nanoratra hoe “tokony hihaino ny mpizahantany isika [es],” fa maro diamaro manko ny mailaka azony avy amin'ny mpizahantany izay saiky...