- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amerika Latina: Fankalazàna ny Andron'ny Aterineto isam-paritra

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Meksika, Però, Venezoela, Teknolojia

Ny Andron'ny Aterineto dia hetsika fanao any Espana nanomboka tamin'ny taona 2005 ka niparitaka maneran-tany izay isaorana ny Firenena Mikambana, nanondro ny 17 Mey ho Andro Iraisam-pirenenan'ny Fiaraha-monin'ny fampahalalam-baovao [1]. Tamin'ity taona ity, nisy hetsika maro naparitaka sy notontosaina tamin'ny alalan'ireo blaogy sy Twitter nanerana ny firenena maro any Amerika Latina.

Tany Meksika, nisy hetsika notontosaina tao amin'ny Trano-bakoka Nasionaly any Monterrey, ka ny lohahevitra tamin'izany dia ny fomba hanairana ny fitomboanan'ny orinasa mandritra izao fotoanan'ny krizy ara-toekarena izao, amin'ny alalana atrikasa miresaka ireo orinasan'aterineto vaovao sy ny dokambarotra amin'ny aterineto ho an'ny orinasa kiritika, madinika ary salasalany (MIPYMES ho an'ny fanafohezana ny teny Espaniola). Ho fanampin'izany, azo narahina amin'ny aterineto koa io andro fieritreretana io amin'ny alalan'ny tatitra mivantana tao amin'ny www.diadeinternet.org.mx [2].

[3]

Sarin'ny Fankalazana ny Andron'ny Aterineto tany Peru, nalain'i Juan Arellano ary nahazoana alalana tamin'ny.

Ny Filoha Lefitra Mpanatanteraka ao amin'ny Fikambanana Meksikana misahana ny Aterineto, Fernando Solcá, dia niresaka momba ireo sakana roa lehibe izay tsy maintsy dinganin'ny firenena mba handrosoana [4], anisan'izany ny hafainganam-pandehan'ny aterineto “any ny 512 KB dia raisina ho haingam-pandeha” ary koa ny fahabangan'ny  hosina [fibre optic], “tsy hanome afa-tsy hosina ny  roa antsika ny governemanta, fitiavan-tena izany ary tsy azo antenaina mihitsy ny hoe handroso eny ny taona ka mavesatra be ny fampandehanan-draharaham-panjakana ao amin'io sehatra io, izay zavatra mbola mampitohana hatrany ny firenena.”

Any Lima, Peru, ny Fivondronana ao San Martín de Porres dia nikarakara fampirantiana izay ahitàna trano eva [es] [5] ahafahan'ny olona maka horonantsary mamaly ny fanontaniana momba ny heviny momba ny aterineto, izay fihetsiketsehana nasongadin'i [6] Juan Arellano ao amin'ny blaogy Globalizado [es]:

En otro stand, o kiosko, estaban motivando a los asistentes a dejar un mensaje respondiendo a la pregunta “¿Qué significa internet para tí?”. Vi varios niños y adolescentes pensando que decir y luego usando las dos lap tops acondicionadas para tal fin.

Tao amina trano eva iray hafa, nampirisika ireo mpanatrika ry zareo mba hametraka hafatra mamaly ny fanontaniana hoe, “midika inona ny aterineto aminao?” Nahita ankizy sy tanora maro aho nieritreritra izay hoteneniny ka nampiasa solosaina finday roa ho an'izany.

Any Venezuela, ny hetsika “Todos en Red [es] [7]” (Ny rehetra amin'ny aterineto) dia nanolotra teny fampieritreretana momba ireo hetsika tamin'io andro io sy ny  fahazotoa-miserasera any amin'io firenena io. Afaka jerena ao amin'ny Twitter ny fanampim-baovao amin'ny alalan'ny teny fototra #Todosenred [8].

Farany, ny tanànan'i Cali, Colombia dia iray amin'ireo tanàna izay nampiseho ny fisiany tamin'io andro io. Ny gazetiboky amin'ny aterineto Equinoxio [es] dia nanoratra momba ireo hetsika tamin'iny andro iny [9] izay nihoatra lavitra noho izay noeritreretin'ireo mpanatrika rehetra sy ireo nanaraka mivantana taoamin'ny vohikala ofisialy [es] [10] sy ny kaonty Twitter (@DiaInternetCali [11]). Fanampin'izany, nisy “chaine” YouTube [es] [12] koa afaka ijerena ireo hetsika nisongadina tamin'izany.