- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Nipoaka ny fifandonana teo amin'ny tafika sy ny mpitandro ny flaminana tsy mitovy hevitra

Sokajy: Madagasikara, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Politika, Vaovao Mafana

Tamin'ny 20 May 2010, dia nisy ny fifandonana teo amin'ireo mpitandro ny filaminana mpifanandrina [1] izay naharitra ora iray tao an-drenivohitr’ i Madagasikara, Antananarivo. Ity krizy ara-politika mitohy ity dia mbola nahitana herisetra indray, araka ny voalazan'ny Croix rouge dia olona telo no naratra nandritry ny  fifandonana [2] (fr). Vondron”olon-tsotra an-jatony tohanan'ireo zandary tsy mitovy hevitra (Forces d'Intervention de la Gendarmerie Nationale: FIGN) dia voadidin'ny fitambaran-tafika (état-major mixte opérationnel régional: Emmo-Reg), ary dia nifampitifitra. Ny Kolonely lehiben'ny FIGN Raymond Andrianjafy dia nanazava fa ny anton'ity fitangoronana tany Andrainarivo-Mausolée [3], dia mba amelana ireo sivily haneho ny tsy fanekeny an'ity teo-zavatra ity sy ny hiezahana hitondra vahaolana amin'ny krizy (fr). Nolazainy fa ny ataon'ny FIGN dia ny hiaro ny fivoriana mba tsy ho tratran'ny famoretana.

Ity fifandonana ity dia taoriana kely ny fanafihana radio [1] nataon'ireo tafika manokana tamin'ny 17 May raha nisy ny valandresaka mivantana [4] teo amin'ny mpitarika ny mpanohitra Ambroise Ravonison sy vahiny iray hafa, Harrison Razafindrakoto.

Ireo mpitoraka blaogy sy twitter any Madagascar no nampahafantatra ny fifampitifirana voalohany tamin'ny maraina:

Pierre Maury any Antananarivo dia ni-tweet fa ny fifampitifirana dia nanomboka tamin'ny 9:42 maraina [5] izay mafy tokoa ary niharitra [6]45 minitra [6]fara-fahakeliny [6].

InvestGasy nitatitra fa kamion'ny tafika telo [7] no tazana nanakaiky ny toerana nisian'ny fitokonana ary tranom-barotra vitsivitsy ny tanàn-dehibe [8] no nikatona.

Jentilisa izay tany amin'ny fitokonana dia namoaka ity vaovao ity tamin'ny 11 atoandro local time [9] (mg):

Tsy tafiditra Mausolée intsony ny olona saiky hankao taorian'ny fanafihana teo. Manohy ny hira sy ny vavaka izay efa tafiditra Mausolée

Ranjachrys, izay tao ihany koa , dia nanamarina fa ny nitohy ny fotoma-bavakanataon'ny mpitondra fivavahana [10] nandritra ny fifandonana. Nitatitra ihany koa izy fa mpitondra fivavahana iray no voasambotra [11] avy eo. Tomavana [12], mpitoraka blaogy monina any Geneva, dia nanambatra ny vaovao avy amin'ireo mpitoraka blaogy tamina tamba-tsehatra media sosialy samy hafa ary nandahatra ny fotoanan'ireo zava-nitranga [13] nolazain'ireo mpitoraka twitter:

[14]

tahirin'ireo twitter avy aty Madagascar

Ireo mpitoraka Twitter Tomavana, Sameganegie [15] sy Dotmg [16] dia nampitandrina ny vahoaka mba ho mailo fa maro ireo antsoina hoe “vaovao” izay heno avy amin'ireo radio samihafa ary ireo vaovao ao amin'ny twitter no mampiahiahy. Maro amin'izy ireo no tsy tena mari-pototra sy entina hanaovana propagandy fotsiny. Nivoaka ny teny famantarana #fvtm [17]( fanafohezana ny: “filazana vaovao tsy marina”) ao amin'ny twitter mba hahafantarana ireo vaovao tsy marina.

Mbola mivoatra hatrany ity raharaha ity ary hametraka ireo vaovao eto izahay raha mbola misy zava-mitranga.

Ireto ny vaovao ara-potoana ao amin'ny twitter izay mitondra ny teny famantarana #Madagascar [18].


Twitter Search Widget by TweetGrid [20]

tomavana [12]: RT @iiimmy [21]: Last day @ paradise.. Well a battlefield yesterday but it's all good now @ #Madagascar re: http://ff.im/kpDyl [22] vendredi 21 mai 2010 16:15:16
tomavana [12]: RT @PhilouOne [23]: Pour preparer un projet de cooperation avec #Madagascar ,on recherché un lycee sur l'ilot SteMarie Faites passer Le MSG vendredi 21 mai 2010 16:12:45
DjairBarros [24]: kkkkkk i like a move move… #madagascar vendredi 21 mai 2010 16:09:40
PhilouOne [23]: #Madagascar Pour preparer un projet de cooperation avec Madagascar, on recherché un lycee sur l'ilot SteMarie Faites passer Le MSG vendredi 21 mai 2010 15:42:10
malagasytwit [25]: RT @toshikoshi [26]: #Madagascar : les pasteurs dans la mêlée politiqueI Inrfi | http://goo.gl/YGZt: [27] RT @toshikoshi [26]: #Madagascar : les past… vendredi 21 mai 2010 14:23:26
malagasytwit [25]: RT @fasopresse [28]: #Madagascar : La grande muette donne de la voix http://bit.ly/cusk5A: [29] RT @fasopresse [28]: #Madagascar : La grande muette d… vendredi 21 mai 2010 14:23:25
Sipakv [30]: RT @fasopresse [28]: #Madagascar : La grande muette donne de la voix http://bit.ly/cusk5A [31] vendredi 21 mai 2010 13:51:28
Sipakv [30]: RT @