Fifandonana tany Bangkok : tatitra an-tsary, horonantsary ary Twitter

Avy amin'ny twitpic-n'i wassayos

Tsy handefitra ny Praiminisitr'i Thailand Abhisit Vejjajiva, amin'ny nanomezany didy ireo miaramila ny mba hanohizana ny fidinana an-tsehatra manosika ireo mpanohitra avy any amin'ny Lobaka Mena. Manisika mafy i Abhisit fa ho famerenana ny fitoniana ao an-drenivohitra no mampahery vaika ny fanosehana ny mpanohatra. Manameloka ny ampahany kely amin'ireo Lobaka Mena “mpampihorohoro” ho saika hitondra herisetra maromaro hanerana ny firenena koa izy.

Efa ho roa volana izao ny Lobaka mena no nanohitra teny andalambe. Mangataka izy ireo ny fametraham-pialàn'ny Praiminisitra izay lazain’izy ireo ho tsy manara-dalàna sy tsy manaja ny demokrasia. Maniry koa izy ireo ny mba hanovàna ny parlemanta ary hanao fifidianana vaovao. Efa nisy fifanankalozan-kevitra tamin'ireo mpanohitra saingy tsy nisy vokany izany, andro vitsivitsy lasa izay.

Mpanohana ny Praiminisitra Thaksin Shinawatra teo aloha ireo mpikambana tamin'ny Hetsika Lobaka Mena tamin'ny voalohany saingy ankehitriny dia mikambana koa ny vondrona maro sy olon-tsotra izay te hanova ny rafitra demokratikan’ny fiaraha-monina Thailandy.

Inona no nitranga tany Bangkok nandritra ny 24 ora lasa? Indro ny firaketana ny zava-nitranga, avy amin'ny The Thai Report

11:00 – Mpitarika ny Lobaka Mena : Efa lavitra loatra ny fifandonana raha ho an'ny fifanakalozan-kevitra…
11:45 – Olon-tsotra voan’ny tifitry ny “Sniper” (mpitifitra tsy mivena)…
12:00 – “Olona mandroba sakafo toy ny adala” any an-tapon'ny Bangkok…
12:15 – Tsaho momba ny famonoan'olona…
12:15 – Nahafaty olona hafa ny miaramila…
12:15 – Tifitifitr'ireo sniper tany amin’i Lumpini…
12:30 – Fanjavonan'ireo faty…
12:45 – Ratra be mandritra ny 30 minitra alohan’ny hahafatesana…
14:00 – Tselatry ny fakan-tsary nisarika poa-basy…
14:15 – Mamaly ny mpanohitra…
14:30 – Voaroaka tsy mahazo miditra ny tany fiadiana ireo mpanao gazety…
15:15 – Mandroso mankany amin’ny miaramila ao amin’ny Rama IV ny mpanohitra…
15:15 – Voafandrika ny mpiasan’ny masoivohon’i japana…
15:45 – Faty fito no tazana ivelan’ny hotely…
16:20 – Poa-basy maro manodidina ny Raiprasong…
16:30 – Mpizaha-tany Aostraliana voafandrika ao amina hotely…
16:30 – Manolo-kevitra ny hamonjy ireo havan’ny mpiasany ny masoivohon’i Etazonia…
16:35 – Fipoahana goavana nampihovitra an’i Bon Kai…
17:00 – Mitaraina amin’ny “fanodinana ny vaovao iraisampirenena tsy marina” ny CRES…
17:05 – Voatifitra tamin’ny lohany raha teo am-pamonjena maratra…
17:10 – Lobaka Mena 1000 mizotra milamina amin’ny Rama IV…
18:45 – Ry Governemanta : Aza melohina izahay…
18:45 – Lobaka mena mitaky ny fitsaharan’ny fitifirana…
18:50 – “Tsy hampirina ny kilalaony sy handeha hody ireo miaramila”…
23:00 – Nahatratra 22 ny isan’ny maty…
23:15 – Haromontana no ao ivelan’ny varavarankeliko…
23:45 – Fitaovam-piadiana vaovao, ireo fitotoana vy be…
23:50 – Takiana handao an’i Silom ny mpanara-baovao, heritreretina hihetsika ireo miaramila…
00:10 – Tatitra mikasika ny fifanandrinan’ny polisy sy miaramila…
00:50 – Mivavaka ho an’ny fandriampahalemana tao amin’ny Victory Monument ny mpitondra fivavahana…
01:00 – Fipotràna miaramila maro kokoa…
01:40 – Mbola re ny fipoakan'ny Sniper…
02:05 – Manamafy ny mpitandro filaminana fa vonona hanafika ireo miaramila…
03:00 – 24 no maty, 180 naratra ary olon-tsotra no ankamaroany…
03:45 – PM Abhisit “tsy misy lalan-kiverenana”…

Avy ao amin'ny twitpic-n'i DeanOut

Kodiarana may sy grenady nipoaka no re nanerana ny faritra misy ireo Lobaka Mena mpanohitra. Indro misy horonantsary nataona olon-tsotra iray

Fijoroana vavolombelona maro no nalefa amin’ny aterineto. Ohatra, Nick Nostitz tao anatin’ny “faritra famonoana”. Vaitor sy Riding out the Economy koa dia nandefa ny fijeriny mikasika ny fifanoherana. Ny mpampiasa Facebook iray nandefa ity fehezanteny ity, “Inona no tokony ho tsapako rehefa mifoha aho amin'ny maraina ka mahita ireo fatin'ireo Tailande eo anoloan'ny tranoko ?” Fa manontany tena mikasika ny fahamarinan’io fahitana io ny mpanao aterineto.  Faty hosoka ve ireo?

Tweetphoto an’i aleithead

Kishen, mpanoratra ho an'ny New Mandala, dia matahotra momba ny fiatraikan'ny fifandonana mitranga eo amin’ny fiaraha-monina, politika ary ara-toe-karena

Miady daholo tsy misy mihevitra izay mety ho fiantraikan’izany goavana ara-toekarena sy ny vokany ara-politika eo amin'ny Thailand iray manontolo ny olon-drehetra. Hiharatsy ny fisondrotry ny toe-karenan’i Tailande amin'ity taona ity raha toa mitohy izao zavatra izao. Toy izany, ny hain-tany amin’ity taona ity dia hisy vokany mavesatra sahady eo amin’ny fanondranana ny vokatry ny tany ho an’ny firenena.

Eo koa, ireo ratra aseho an-tsary sy ny fiantraikany ara-tsaina ho an’ny Tailande mandritra ny andro maromaro nifanesy dia hisy vokany maharitra amin’ny fampandrosoana an’i Tailande noho izy firenena. Ratra lalina kokoa noho ny ateraky ny grenady, ny bala. 308 sy ny fiara vy be  amin’ny vahoaka Tailande

Horonantsarin'olon-tsotra hafa mikasika ny fifanoherana misy eo amin’ny miaramila sy mpanohitra

Milaza ny News in Bangkok fa ny mpanao gazety no tena kendren'ireo snipers

Miahiahy aho fa tena fanahy iniana ny fitifirana mpanao gazety. Miahiahy aho fa ny tanjona amin’ny fitifirana mpanao gazety dia ny mba tsy hahafahan'izy ireo maka horonan-tsary an'ny zava-miseho. Mino aho ankehitriny fa marina izany.

"Peaceful protesters, not terrorists." Twitpic-n'i  bretonbkk

Jon avy ao amin'ny Greg to Differ, dia manoratra momba ny andraikitry ny haino aman-jery sosialy amin’ny fanarahana ny fifandonana any Bangkok

Manana andraikitra lehibe eo amin'ny fitaterana maneran-tany ny antsipiriany momba ny fanoherana aty Bangkok ireo haino aman-jery ara-sosialy. Ireo sary manaitra, horonan-tsary mampihetsi-po, fijoroana vavolombelona sy hevitra manokana dia naparitaka tamin'ny alalan'i Twitter, Facebook sy blaogy, ka lasa loharanom-baovao mavesa-danja ny haino aman-jery ara-sosialy.

Tweetphoto avy amin'i naelkung

Fisehoan-javatra an-dalambe any Bangkok mampiseho ny fanoherana ataon’ireo Lobaka Mena

Fanehoan-kevitra tamin'ny Twitter mikasika ny fandripahana mponina antanan-dehibe any Bangkok

ellymedan: Azafady aza mino ny zavatra hitanao amin’ny CNN mikasika ny #Thailand. Tena manohana ireo #lobakamena izay naka #takalon'aina tao Bangkok
sutatip_b: RT @BangkokBill: Vokatry ny zava-nitranga omaly alina, azoko lazaina ankehitriny fa misy #lobakamena mpanohitra ary misy lobaka mena mpikomy
seacorro: Nisy ve nahita tamin’ny masony roa ankehitriny, #lobakamena iray miaraka amin'ny basy na marimarina mitifitra olona iray ? Toy ny kisarisarin’ady no hitako
tulpin: Mieritreritra aho fa hitazona ireo olona ho takalon’aina toy izao ireo mpitarika ny #lobakamena ary hitsoaka raha vao misy azo hanararaotana

Tweetphoto avy amin'i aleithead



Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.