- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Video momba ny Vovonana GV 2010: Fifanakalozan-kevitra momba ny fandrindràna ny votoatin-kevitra

Sokajy: Thailandy, Hafanàm-po nomerika, GV Mpisolovava

Nandritran’io fifanakalozan-kevitra an-databatra boribory io, nanazava mikasika ny fizotry ny fandrindràna efa misy, i Victoria Grand, Lehiben’ny Serasera ao amin’ny YouTube [1], izay ahafahana miditra any “ambadiky ny sehatra” ka hijerena ireo Fepetra anatin'ny  YouTube amin'ny famafana na fanakanana votoatin-kevitra. [2]

Ny  “ambadiky ny sehatra” hijerena ireo fepetra anatin'ny YouTube amin'ny famafàna sy fanakanana

Io dinika an-databatra boribory io, izay narindran’i Rebecca MacKinnon [3], ary nahitàna  koa an'i Jillian York [4], izay nifantoka tamin'ny trangan'ny Facebook sy Oiwan Lam [5], miaraka amina zava-nitranga vitsivitsy tany Hong Kong, nahafahana nifanakalo hevitra ny amin’ny famafàna sy fanakanana hita amina plateformes maro samihafa, ary miresaka ny maha-zava-dehibe ny vanimpotoana sy ny fangaharahana rehefa miresaka votoatin-javatra  apetrak'ireo mafana fo amin'ireny plateformes ireny.

Dinika momba ny votoatin-javatra: trangan'ny  Facebook

Oiwan Lam sy tranga vitsivitsy avy any Hong Kong