Nandritran’io fifanakalozan-kevitra an-databatra boribory io, nanazava mikasika ny fizotry ny fandrindràna efa misy, i Victoria Grand, Lehiben’ny Serasera ao amin’ny YouTube, izay ahafahana miditra any “ambadiky ny sehatra” ka hijerena ireo Fepetra anatin'ny YouTube amin'ny famafana na fanakanana votoatin-kevitra.
Ny “ambadiky ny sehatra” hijerena ireo fepetra anatin'ny YouTube amin'ny famafàna sy fanakanana
Io dinika an-databatra boribory io, izay narindran’i Rebecca MacKinnon, ary nahitàna koa an'i Jillian York, izay nifantoka tamin'ny trangan'ny Facebook sy Oiwan Lam, miaraka amina zava-nitranga vitsivitsy tany Hong Kong, nahafahana nifanakalo hevitra ny amin’ny famafàna sy fanakanana hita amina plateformes maro samihafa, ary miresaka ny maha-zava-dehibe ny vanimpotoana sy ny fangaharahana rehefa miresaka votoatin-javatra apetrak'ireo mafana fo amin'ireny plateformes ireny.
Dinika momba ny votoatin-javatra: trangan'ny Facebook
Oiwan Lam sy tranga vitsivitsy avy any Hong Kong