- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Nihaika an'i Ahmadinejad indray ny mpianatra

Sokajy: Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika

Mpianatra anjatony avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Shahid Beheshti [1] ao Teheran no nanohitra ny fitsidihan'ny filoha iraniana Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Anjerimanontolony ny 10 mey teo. Nihiaka tigetra manohitra azy tahaka ny “mahalalà menatra ry mpanao jadona” sy ny hoe “Avelao ho afaka ny Anjerimanontolo.”

Notafihin'ny mpitandro ny filaminana sy ny vondron-kery Basij [2] ny mpianatra:

Hita taratra fa isaky ny mitsidika Anjerimanontolo ny filoha Iraniana dia anjatony ny mpianatra no milahatra hanohitra azy. Vavolombelon'ny tantara toy izany izahay tamin'ny herinandro tao Teheran: