- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: tanàna maty any amin'ny tanàna Kiorda ho fanoherana ny fanamelohana ho faty

Sokajy: Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Politika, Zon'olombelona

Nikatso ny fiainana tany amin'ny tanàna kiorda maro any Iran sy ny faritany hafa raha nitokona ny fandraharahana sy ny fivarotana tamin'ny alakamisy 13 mey teo ho fanoherana ny fampiharana ny famonoana ho faty [1] ny efatra amin'ireo gadra Kiorda efatra dia i Farzad Kamangar, Ali Heidarian, Farhad Vakili ary Shirin Alam Holi – ny marainan'ny 9 mey 2010. Fikambanana miaro ny zon'olombelona maro no manameloka [2] an'i Iran ho mampijaly ny mpisintaka hanerena azy ireo hiaiky fa miray tsikombakomba amin'ny fikambanana mpampihorohoro.

Raha tsy nitatitra na inona na inona amin'izay vaovao avy any Kurdistan ny mpampita vaovao any Iran dia ny olotsotra Kiorda no manolo-baovao amin'ny alalan'ny fandraisana saripika sy lahatsary ahitana ny fikatonan-trano mameno tanàna.

Ity ohatra ny any Sanandaj [3], ao anivon'i faritra Kiorda ao Iran noraisina tamin'ny alakamisy:

Saman Rasoulpour ihany koa namoaka [4] saripika maro avy tao Sanandaj nandritra ny andron'ny fitokonana:

[5]

Ary ato kosa isika mahita [6] toeram-pivarotana maro mikatona ao Mehabad [7], tanàna Kiorda hafa.

Havayeh Tazeh nanoratra [8] [fa] :

Nampikatso ny tanàna Kiorda ny fitokonana. Gadra Kiorda 12 ihany koa no mety hiatrika famonoana ho faty tsy ho ela. Tsy mba mahazo zo hatrehin'ny mpisolovava izy ireo fa isika ihany no mba fanantenany.

Nanampy [9] i Dulatmeli fa mipetraka ho androm-pahasahiana eo amin'ny tantara Kiorda indray iny tamin'ny alakamisy iny.