- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran : Ilay andro “maitso” fiasana (farafaharatsiny ao anaty aterineto)

Sokajy: Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

Ny Hetsika maitso [1] Iraniana dia manao drafitra mba hanaovana ny 1 May, Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa [2] ho « andro maitso ». Tsy nanao fanoherana goavana ny hetsiky ny mpanohitra tato anatin'ny roa volana lasa izao, hatramin'ny fikasana farany nataon'izy ireo [3] tamin'ny Febroary mikasika ny fankalazana ny tsingerin-taonan'ny revolisaona iraniana tamin'ny 1979 izay voararan’ny fitondrana.. Ny hetsika maitso dia mampiasa ny aterineto ho toy ny tetezana hiampitana ho amin’ny tena zava-misy marina.

Tsy noraisina mihitsy ho andro tsy fiasana ara-ofisialy ny 1 May any Iran.

Milaza ny Green Wave Voice:

Video hafa iray maneho ireo graffiti amin'ny rindrina tamin'ny 1 May any Iran. Hoy ny voalazan'ireo teny faneva, “Ho ela velona ny firaisankinan’ny mpianatra sy ny mpiasa”, “Andron’ny asa, homboy ny fitondrana” ary “mofo, fonenana ary fandriampahalemana .”

Indreto sary maro sy peta-drindrina navoakan'ireo [4] tranonkala mpandala ny hetsika maitso.

Fanasàna iray hanao fihetsiketsehana any Shiraz [5]:

shirazsabz [6]

Miteny ny kolontsaina ::

1may3 [7]

Fahefana maitso:

1may2 [8]