Fanambarana ireo mpandresy tamin'ny “Breaking Borders”

Mba ho fankasitrahana ireo nampandroso ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny internet, ny Google sy Global Voices dia namoaka ny anaran'ireo voalohany tamin'ny fifaninana Breaking Borders (Azerao ny sisintany).

Ny fankasitrahana, notohanan'i Thomson Reuters, dia omena ho fankasitrahana ireo web nahafinaritra indrindra nataon'ny olontsotra na fikambanana niasa tamin-joto, nahery ary nahay niara-niasa hanadratana ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny web.

Ireo loka, izay nahazoan'ny tsirairay lelavola 10 000 dôlara avy dia ho tambin'ny asa nataon'izy ireo izay nosokajiana vondrona 3 ka ireto avy izany: ny zon'olombelona, ny teknolojia ary ny politika.

Malou Mangahas avy any Filipina, ny Arseveka John Baptist Odama avy any Ouganda ary Brenda Burell avy any Zimbabwe tamin'ny fotoana nandraisany ny loka Breaking Borders tamin'ny anaran'ny fikambanany avy.

Amin'ny anaran'ny Google, ny Global Voices, Thomas Reuters ary ny mpitsara, no iarahabanay ireo voalohany tamin'ny fahavitrihan'izy ireo sy tamin'ny fikarohana nataony ary ny fanantontosany izany ho an'ny olona rehetra.

Ireto ireo nandresy tamin'izany:

Ao amin'ny vondrona teknolojia:

Bosco – Uganda
Tamin'ny aprily 2007, natsangana ny fikambanana BOSCO ho tambajotra internet amin'ny alalan'ny wifi mahatonga lavitra ary mandeha amin'ny herin'ny masoandro, natao ho an'ireo toerana fitobian'ny mpifindra monina taloha any amin'ny distrikan'i Gulu sy Amuru any avaratry Ouganda. Solosaina tsy mandany herinaratra sy telefona no napetraka tany amin'ny sekoly, toeram-pitsaboana, sy tany amin'ny biraon'ny fiangonana, nahazoana internet sy telefona tany amin'ny toerana lavitra. Ny vinan'ny BOSCO dia hanolotra vahaolana teknolojika amin'ny fanomezam-baovao sy fifandraisana TIC hanafainganana ny fampandrosoana ekonomika sy sosialy ary hanamafisana ny ezaka ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ny tontolo ambanivohitra any avaratry Ouganda, amin'ny alalan'ny fanantonana sy fametrahana fanofanana sy fiarah-miasa miainga avy amin'ny web. Ankehitriny dia mifototra amin'ny fandaminana sy fametrahana fanofanana amin'ny web2.0 ny BOSCO, mifototra koa amin'ny famakafakana ny fombafomba fanao nomerika sy amin'ny fanitarana tetezana sy fiaraha-miasa eo amin'ny samy vohikala. Ny fikambanana BOSCO amin'izao fotoana izao dia miara-miasa amin'ny Inveneo, Horizon3000, War Child Holland, ny fiangonana any Gulu ary ny UNICEF.

Ao amin'ny vondrona politika:

The Philippines Center for Investigative Journalism
(Foibe ho an'ny fandalinana ny asa fanaovan-gazety any Filipina): toerana fanangonam-baovao tsy miankina amin'ny fanjakana, tsy manana tanjona hitady vola, naorina mpanao gazety 9 tamin'ny taona 1989 tany amin'ny birao nindramina tamin'izany fotoana izany, niaraka amin'ny solosaina efa antitra mbola DOS, milina fanoratana elektrika efa nampiasaina ary fanaka fanao amin'ny birao novidiana teny amin'ny mpivarotra entana mora, mba hanandratana ny fandalinana ny asa fanaovan-gazety, ny fitantanana tsaratsara kokoa, ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon'ny olom-pirenena hahalala vaovao. Tao anatin'ny 20 taona nisiany dia efa nanao fampiofanana 100 izy izao ho an'ny mpanao gazety any Filipina sy any amin'ny faritra atsimo antsinanan'i Azia ary efa nahazo loka 120 tany an-toerana sy manerana ny tany. Ny PICJ dia manana sita web multimedia, www.pcij.org ; manana bilaogy, www.pcij.org/blog ; fanangonam-baovao sy fahaiza-mitantana, i-site ; kaonty ao amin'ny twitter sy YouTube.

Ao amin'ny vondrona zon'olombelona:

Kubatana.net
Ity fikambanana ity dia ao amin'ny internet ho an'ny mpitolona any Zimbabwe, noho izany mampiasa ny internet, ny seramailaka, ny SMS, ny bilaogy ary tar

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.