- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksìkô: Fidàngan'ny maripàna ao an-drenivohitra

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Nisedra fidàngan'ny maripàna [1], ny tanànan'i Meksìkô [ndlr. renivohitry ny firenena Meksìka], arak'izay nampitain'i Daniel Hernández mpivoy ny blaogy Intersections [Sampanana], satria nahatratra hatramin'ny 50°C ny maripàna tsikaritra any amin'ny sasantsasany amin'ireo seranan'ny metro [ndlr. fitateram-bahoaka an-dalamby miriòrio ambanin'ny tany].