- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy handray anjara amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka any Madagasikara i Rajoelina

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ny filohan'ny Fitondrana Ambony amin'ny Tetezamitan'i Madagasikara, Andriamatoa Andry Rajoelina dia nanambara tamin'ny haino aman-jerim-pirenena [ndlr. RNM sy TVM omaly alina, Alarobia 12 May 2010] fa tsy hilatsaka ho kandidà izy amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka [1] izay [ndlr. kasaina] hotanterahina ny faha-26-n'ny volana Novambra 2010. Ny namana Achille [ndlr. ao amin'ny blaoginy Reflexiums] dia manambara ny fanantenany fa izany fanapaha-kevitra izany dia hampiova hevitra ny fikambanambe iraisam-pirenena ka hanohana ara-bola ny fifidianana demôkratika ihany no iafarany [2] [fr].