Tsy handray anjara amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka any Madagasikara i Rajoelina

Ny filohan'ny Fitondrana Ambony amin'ny Tetezamitan'i Madagasikara, Andriamatoa Andry Rajoelina dia nanambara tamin'ny haino aman-jerim-pirenena [ndlr. RNM sy TVM omaly alina, Alarobia 12 May 2010] fa tsy hilatsaka ho kandidà izy amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka izay [ndlr. kasaina] hotanterahina ny faha-26-n'ny volana Novambra 2010. Ny namana Achille [ndlr. ao amin'ny blaoginy Reflexiums] dia manambara ny fanantenany fa izany fanapaha-kevitra izany dia hampiova hevitra ny fikambanambe iraisam-pirenena ka hanohana ara-bola ny fifidianana demôkratika ihany no iafarany [fr].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.