- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Belzìka : Hihàran'ny fandraràna ve ny rakitsariitatra ”Tintin any Kôngô”?

Sokajy: Afrika Mainty, Belzika, R.D. Kongo, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tantara

Tintin au Congo [Tintin any Kôngô],  ilay rakitsariitatra faharoa amin'ny andian’Ireo tantaram-piainan'i Tintin [1] izay diam-penin'ny kalaza Hergé [2], teratany Belzà [avy any Belzìka [3]] izay mpanoratra ny tantara sady nanao ireo sariitatra mitantara ny fiainan'izato tovolahy mpanao gazety antsoina hoe Tintin [4], dia miatrika fandraràna nohon'ny fitoriana fanavakavaham-bolo-koditra [5]. Ao amin'ny blaoginy Black Bazar, Alain Mabanckou [6] kosa mihevitra fa «tokony avela ho vavolombelon'ny teotsaim-panjanahana izay nanjàka tamin'ny vanin-taona 1930-1940 ity lahatsarin'i Tintin ity [7]» [fr].