Kôlômbia: topi-maso ny fampiasan'ny any an-toerana ny Twitter

Nandritra ny fikarohana izay naharitra roa volana, ny vohikalam-pivondronana Twitter Colombia [es] dia nandinika Tweets miisa 3 tapitrisa izay nalefan'ny mpivoy mahatratra 20'000 avy any an-toerana, izany dia natao azahoana maka pikasary ny fomba fampiasan'ny mpivoy any ity fomba `micro-blogging’ iray manokana ity. Ny vokatr'izany fandinihana izany dia atontan'isa mikasika izay tokony ho toeteotry ny Toitaosy Kôlômbiana salasalany [es] [ndlr. ny namana Thierry Andriamirado (@tandriamirado)no nampiasa voalohany ny anarana hoe Toitaosy hiantsoana ireo mpivoy Twitter].

Raha atao ny salan'isa, dia manara-peo Toitaosy sahabo ho 128 ny Toitaosy Kôlômbiana iray ary mahatratra 176 kosa ireo izay manara-peo azy [ndlr. manara-peo no andikako ny `follow’], ary ny 13% amin'ireo mpampiasa ireo ihany no miaro ireo Tweet-ny amin'ny fitsidihan'ny olona tsy nomeny alàlana. Notadiavin'ny fikarohana hatramin'ny salan'andro sy ny salan'ora ampiasan'ireo Toitaosy, Alarobia sy 11:30 no valiny.

Navoitry ny fikarohana koa ny anaran'ireo Toitaosy Kôlômbiana izay voatònona anarana matetika indrindra nandritra izany fotoana izany. Anisan'ireo i Camilo Andrés García (@hyperconectado), ny mpanakanto Kôlômbiana mpivoy mozika Rock  Juanes (@juanes), i Nicolás Samper (@udsnoexisten), i Sebastian Yepes (@sebastianyepes), ary Karem Díaz Robles (@karemvip).

Ambonin'ny fikarohana toy itony, sy fanazavazavana mombamomba ny blaogin'ny Twitter Kôlômbiana, ity vohikala ity dia mitsinjarazara koa ireo Toitaosy arakarak'izay lohahevitra voiziny toy ny Mozika, Gazety, Governemanta, ary Politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.