India, Pakistan: Misosa ny fakan-tàhaka an'i Sania-Shoaib

Nanaitra ny vahoaka tany  India sy  Pakistana ny fifandroritan-kevitra momba ny fanambadian’i Shoaib Malik sy Sania mirza. Tamin’ny blitz-n'ny media, toy ny miatrika ‘version desi’-n'ny “papparazzi” ireo vahoaka avy ao amin'ireo firenena roa ireo raha araka ny fihazana, fanangonana sy famoahan'ireo  fahitalavitra, gazety ary haino aman-jery izay mety ho vaova faran'ny bitika hitany momba  io fanambadiana io.

Nivoaka indray avy tany am-batan'i Shoaib tany ny taolambalon'ny vadiny taloha, Ayesha Siddiqui ,efa voalevina  ka tsy maintsy nisarahany am-pahibemaso mba hampitsaharana ny fifandroritan-kevitra. Notsoahin’ny fianakavian’i Siddiqui ireo fanendrikendrehana sy fitoriana azy tany India ary fanampiana mitentina 150 tapitrisa ropia no tambiny. Niteraka korontana teo anivon'ny hainoaman-jery ny fanaparitahana ilay tantara, ary azo antoka fa tsy tara koa ireo mpitoraka blaogy. Nirehidrehitra tamin'ny fomba fijery sy adihevitra ny tontolon'ny blaogy India sy Pakistana, ny sasany mieritreritra fa mariky ny fihavanana io, ny hafa kosa mihevitra io fanambadiana io ho loharanon-doza rahatrizay.

Syed Zaki Ahmed tao amin’ny Pak spectator nieritreritra fa làlam-barotra tsara ity fanambadiana ity sy ny resaka mikasika azy :

Ankehitriny, anatin'izao toe-draharaha izao,  ahoana no ho tratra aoriana ireo  mpanao bizina amin'izany. Nogiazan’ny mpanao bizina ao Pakistana ny kaomandy mikasika ny fanamboarana T-shirts anjatony ka hatramin’ny an’arivony misy ny sarin’i Shoaib sy Sania mialoha ny hanaovana ny mariazin’izy ireo izay kasaina ho amin’ny herinandro ho avy io, ny 15 aprily.

Ny blaogy They call me muslim manadihady ny anton'ny fanapahan-kevitr'i an’i Sania Mirza  hanambady an’i Shoaib Malik:

Inona no azon'’ireo Silamo Indiana takarina avy amin'ny fanapahan-kevitr’i Sania manokana ? Izao izany : tsy mba azo hivalozana i Pakistana. Aza odiana tsy fantatra ny fombafomban'io firenena io mba tsy hilazana hoe mpamadika. Tsy ho ianao anie izany.

Ny antoko ankavanana Hindu, manomboka any Bajrang Dal ka hatrany Shiv Sena, nanao izay ho afany nitsakotsako ny fanapahan-kevitr’i Sania. Kanefa dia niteraka fahasahiranana tokoa ilay zavatr, toy ny baolia tennis mihevotra. Nahoana ? Tsotra fotsiny, tamin’ny fony no nilazany fa ny fitiavana Pakistaney sy ny maha-Indiana dia tsy mifanohitra velively.

Na dia izany aza anefa, Capricious miteny fa tsy ho tanteraka io fanambadiana io :

* Mbola tao anatin’ny hatanorana loatra no nahazoan’i Sania Mirza ny reharehany, ny lazany, ny hareny. Nanjary mamy hoditra tany India izy, kilalao sy saribakolin’ny Indianina ary loharanon-dresaka amin’ny sehatra filazambaovao manerana an’i India sy eran’izao tontolo izao. [..] Zazavavy mahaleo-tena izy. [..] Maha-samihafa azy amin’ny zazavavy Silamo any amin’ny faritra, aminy dia tsy mila vady mpamelona izy. [..] Ny asa famelomana ny ankohonana, izany no mitrandraka ny toetra, ny fomba fiaina ary ny fahefana ananan'ny lehilahy. Izany no manefy ny  toe-tsaina mirefarefan'ny Silamo  pakistaney salantsalany.  Io toe-tsaina io matetika no mahatonga fitakiana zavatra amboniny sy manokana avy amin’ireo vehivavy . Izany no tsy ampy amin’io fanambadiana io. Tsy ho hitan'i Shoaib Malik izany hasambarana amin'ny maha “vady” izany.

Saiky ho isan’andro dia misy vaovao tonga foana toy ny praiminisitra nandefa fanomezana manokana ho azy mivady mitohy any rehetra any  ny fanakianana mivaivay sy manafintohina.  Sunni Ulema Board, vondrona manampahaizana ara-pivavahana,  ‘ dia voalaza fa namoaka fatwa’ (lalàna ara-pivavahana) momba an’i Sania sy Shoaib noho ny fiarahana sy fanaovana tokantrano-maso mialoha ny fanamasinana ny fanambadiana. Misy teny azo andikana an'io karazana fanambadiana io ao amin’ny twitter miaraka amin’ny tenifototra #shoania

Misy tatitra mitsaho fa ny nikah (fifanekena am-panambadiana) dia natao ny 9 aprily. Nefa tsy misy zavatra vita izany raha tsy hoe azo ny  fanaiken'i Sania sy Shoaib. Toa manitatra ny fampahalalam-baovao hany ka toa mitohy misavoritaka ny mponina an-tapitrisany avy amin’ireo firenena ireo.

Raha ny fijery azy dia hitohy hatramin’ny 15 aprily izany rehetra izany, araka izany dia hahita sarimihetsika mampangitakitaka hivadika ho tena izy ny firenena roa tonta izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.