- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Loka Best of Blog 2010 : Ireto avy ireo nahazo…

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Andrefana, Alemaina, Jordania, Maraoka, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
Logo_subline

The BOBs have been decided!

Tonga eo amin'ny  famaranana [1] ny andiany fahaenina amin'ny fifaninanana Best of Blogs [2] (BOBs) karakarain'ny Deutsche Welle ka midera ny mpandresy tamin'izany ny fiaraha-monin'ny Global Voices. Tamin'ity taona ity, maro tamin'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices no voafantina (araka ny nasongadin'i [3] Diego Casaes), ary misy koa ny ato amin'ny GV tahaka an'i Amira Al Hussaini [4] sy Claire Ulrich [5] no samy ao anatin'ny mpitsara iraisam-pirenena (amin'ity fifaninanana ity).

Ka iza avy ary no best blogs (bolongana tsara indrindra)?  ny fihavaozana mila ny fandraisan'ny maro anjara mandritra ny krizy antsoina hoe Ushahidi [6] (izay iasan'ny GVer Juliana Rotich [7]) no nitodihan'ny mpitsara niavaka indrindra tamin'ity taona ity tamin'ny lokan'ny mpitsara amin'ny Best Weblog, raha ny mpamaham-bolongana Jordaniana Osama Romoh [8] kosa no nahazo ny safidin'ny olona indrindra ho Best Weblog.

Ny loka [9] hafa lehibe dia lasan'i:

Best Weblog (bolongana tsara indrindra): Ushahidi [10] (Mpitsara), Osama Romoh [8] (Safidin'ny olona)

Best Podcast (bolongam-peo tsara indrindra): Cajun French Language Tutorials Podcast [11](Mpitsara), Radio Kalu [12] (Safidin'ny olona)

Best Videoblog (bolongan-dahatsary tsara indrindra): Мистер Фриман – Mr. Free Man Best Videoblog [13] (Jury), Malviviendo [14] (Safidin'ny olona)

Reporters Without Borders Award (Lokan'ny RSF): We are Journalists [15] (Mpitsara), Holom Akhdar [16] (Safidin'ny olona)

Loka Blogwurst: Blogs do Alem [17] sy Wake Up Mr. Green [18] (Mpitsara), Ibda3at [19] (Safidin'ny olona)

Loka lohahevitra manokana (Fiovaovan'ny toetr'andro): Coluna Zero [20] (Mpitsara), Ecoplaneta [21] (Safidin'ny olona)

Samy nanomezan'ny mpitsara sy ny mpifidy loka ihany koa ny best blogs [9] (na bolongana tsara indrindra) amin'ny fiteny 11, ka nisy fiteny vaovao nampidirina tamin'ity taona ity:

Bengali: Ali Mahmed's blog [22] (Mpitsara and Safidin'ny olona)

Sy ny Bolongana tsara indrindra amin'ny teny anglisy…

Na i Hisham Khribchi [23] na i Jillian York [24], izay samy mpanoratra ato amin'ny Global Voices, dia samy nomena voninahitra tamin'ny Lokan'ny mpitsara sy ny safidin'ny olona [25] tamin'ny vohikalan'izy ireo, Talk Morocco [26], ao amin'ny sokajin'ny Bolongana miteny anglisy tsara indrindra. Mampirisika ny fifampiresahana eo amin'ny tontolom-bolongana maraokana mizarazara ahitana mpamaham-bolongana maro, mpanao gazety ary mpikatroka ho amin'ny zon'olombelona ao amin'ity sehatra voatonona etsy ambony ity.

Arahabaina ny mpandresy rehetra!

Talk Morocco is announced the winner at RePublica conference in Berlin, photo by Sami be Gharbia [27]

Notononina ho mpandresy ao amin'ny toeram-pivoriana RePublica ao Berlin ny Talk Morocco, saripikan'i Sami be Gharbia