- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo fanakatonana ataon'i Facebook

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Maraoka, Fahalalahàna miteny, Teknolojia, GV Mpisolovava

Tao amin'ny blaogin'i Jillian C. York [1] no nipoiran'ity lahatsoratra ity voalohany.

Nandritra iny herinandro lasa iny, nahazo tatitra avy amina olona maromaro aho fa nakatona na nofafana tao amin'ny Facebook ny pejy manokan'izy ireo tao amin'nyFacebook- . Tamin'ny voalohany dia namana lehilahy any Maraoka no tratra. Avy eo vehivavy, namana Maraokana any Boston. Avy eo vehivavy Indiana any UK. Ary mbola maro noho izany aza avy eo.

Nony nanao fanadihadiana sy niresaka kely tamin'izy tsirairay aho dia nahamarika fa misy zavatra iray iombonan'izy ireo: Samy mitsikera ny fivavahana Silamo avokoa izy rehetra (ny sasany tsy mpivavaka, ny sasany Silamo taloha, raha “réformistes” kosa ireo hafa) ary matetika mamoaka lahatsoratra sy fanampim-panazavana momba ny fivavahana.

Avy eo nisy olona niteny tamiko fa misy vondrona vao niforona tao amin'ny Facebook (amin'ny teny Arabo) mba hamoahana tatitra fotsiny, ary  hanakatonana noho izany ny pejy Facebook-n'ireo Arabo tsy mpivavaka. Io vondrona io, izay toa efa nakatona ihany koa, dia nitondra ny anarana hoe “Facebook pesticide” ary ny hany tanjon'izy io dia ny “mitady Tsy mpino / ‘Agnostic’ / mpanenjika fivavahana any amin'ny tany Arabo ary indrindra any Tonizia …” Vantany vao fantatra ireny mpikirakira ireny dia taterin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona.

Mazava ho azy fa miteraka olana izany hoe misy vondrona mitady hanimba ny maha-izy azy ny olona iray mpikambana amina vondrona amin'ny aterineto izany, nefa tsy izany no olana hovelabelariko ato amin'ity lahatsoratra ity. Fa kosa ny hoe nahoana ny tetik'i Facebook manoloana ny toe-javatra tahaka izao no miteraka olana be:

  1. Tamorain'ny Facebook loatra ny faahafahan'ireo mpampiasa mamafa ny kaontin'ny hafa. Ny mpampiasa iray dia afaka mitoroka iray hafa amin'ny fanapotserana bokotra iray monja. Tsy niresaka ampahibemaso momba ny fiasan'io i Facebook, nefa raha ny eritreritro dia hoe rehefa maro ireo mpampiasa no mitoroka mpampiasa iray mitovy aminy dia mikatona ho azy ny pejin'ity farany. Ny tohiny dia vinavinaiko fotsiny, nefa araka ireo tantara voaraiko, tsy mifandray amin'ireo mpampiasa akory i Facebook, fa kosa io mpampiasa io afaka manoratra ao amin'ny “disabled@facebook.com” raha hangataka ny hamerenana ny kaontiny. Indraindray mety izany, indraindray tsy mety.
  2. [2]A sarin'ny fitaovana fanaovana “tatibolana” amin'ny Facebook

  3. Mitaky anarana ara-dalàna avy amin'ny mpikirakira ny Fifanarahana amin'ny Tolotra Facebook (TOS) ho an'ny pejy manokan'izy ireny. Làlana tsotra ahafahana mitoroka ny pejin'ny olona iray izany. Indrindra ny an'ireo mahery fo Arabo, maro no zatra mampiasa solon'anarana noho ny olana atrehan'izy ireo an-tanindrazany. Noho izany dia tsotra tokoa ny mitoroka sy mampamafa ny pejin'ny olona iray raha izany no mitranga.
  4. Facebook dia tsy mampahafantatra ireo mpampiasa fa nesorina ny pejin'izy ireo, sady tsy milaza hoe nahoana. Tsy mba toy ny  YouTube, Flickr, ary ireo sehatra media  ara-tsosialy hafa, Facebook dia tsy mampahafantatra ireo mpampiasa hoa nesorina ny pejin'izy ireo (na izay antony); tonga dia fafany tsotra izao ireny. Ny hany fomba hitsaboana an'izany (fandefasana mailaka amin'ny “disabled@facebook.com”) dia tsy azo antoka akory fa hisy valiny, ary matetika ny fangatahan'ireo mpampiasa no tsy mahazo izany mihitsy. Sabina England [3], izay vao nakatona vao haingana ny pejiny, dia nilaza fa tsy nambara taminy mihitsy ny antony, ary tsy nahazo valiny mihitsy izy tamin'ireo mailaka maro rehetra nalefany tamin'ny Facebook.
  5. Mitaky porofo ara-panjakana i Facebook mba hanamarinan'ireo mpampiasa fa izy tokoa io. Vao haingana dia nakatona ny pejin'ny namako iray, ilay mafana fo Najat Kessler. Nanoratra tany amin'ny disabled@facebook.com” izy ary nalaky nahazo valinteny, toy ity lahatsoratra manaraka ity:

    Tamin'ny Alatsinainy 5 Aprily 2010 amin'ny 5:23 hariva, The Facebook Team <appeals+0pmdmcp@support.facebook.com [4]> dia nanoratra:
    Miarahaba,

    Amin'izao fotoana izao dia mbola tsy afaka manamarina ny tompon'io adiresy io izahay. Azafady, mba valio ity mailaka ity miaraka amina sary ofisialy avy amin'ny governemanta (ohatra, famelàna hitondra fiarakodia) mba hanamarinana fa ianao no tompon'io kaonty io. Mba esory ireo “information” momba anao izay tsy ilaina hanamarinana anao (ohatra, nomeraon'ny fiarovana sosialy). Mahazo matoky ianao fa hofafanay aty amin'ny tahirinay ny mombamomba anao raha vao voamarinay ny kaontinao.

    Tsarovy fa ny fananana kaonty hosoka dia fandikàna ny Fifanarahana momba ny Zo sy Andraikitra napetrakay. Facebook dia mitaky ireo mpampiasa azy mba hanome ny anarany sy fanampin'anarany marina. Ny fandikàna na fisandohana dia voarara.

    Ho fanampin'ny sarinao, mba ataovy ao koa ireo fifandraisantsika rehetra taloha mba ahafahanay manamarina ny adiresy mailakao fototra. Raha vao azonay ireo dia hoaverinay jerena ny mombamomba ny kaontinao. Marihana fa tsy afaka handray an-tànana ny fangatahanao izahay raha tsy mameno ny mombamomba anao ianao. Miala tsiny amin'izay  mety ho olana aterak'izany izahay.

    Misaotra,

    Dominique
    Tompon'andraikitra misahana ny mpikirakira
    Facebook

    Raha izany, tokony hatoky ny Facebook ve isika amin'ny fananany ny mombamomba antsika? Facebook, ilay malaza ratsy ho manao toy ny vazivazy ny Politikan'ny fiainan'ny isam-batan'olona? Tsia fa misaotra!

Ny ambin'iny dia ato [5] no nosoratako. Izao tokoa no olana: Ho an'ireo mafana fo, tsy dia mazava loatra ny fifanarahana amin'ny fampiasana ny Facebook, ary tsy madio ireo fomba hanakatonany sy hamerenany ny pejy.

Ny hafatro ho an'ny Facebook?

Misy hetaheta hafa tianao hatao amin'i Facebook ve?