- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Aostralia: Fandrarahana solika tao amin'ny ‘Iconic Waters’, fampitandremana ho an'i Obama

Sokajy: Amerika Avaratra, Aostralia, Etazonia, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana

Misy sambo Sinoa iray mpitatitra arintany mandraraka ny solika avy aminy ao amin'ny Harambato ‘Corail’ lehibe izay ahafantarana an'i Aostralia:

Niteny ny Praiminisitry ny Queensland, Anna Bligh fa mila ireo manam-pahefàna izy mba “hanasazy” ireo Sinoa tompon'ny sambo mpitatitra arintany nandraraka solika tao amin'ireo rano voaaro manodidina ny Harambato ‘Corail’ Lehibe.

hatezeran'i Bligh amin'ny fandrarahana solitany tao amin'ny harambato’ [1]

“Ohatran'ny ampahana horonantsary mitantara loza izy izany!” hoy i Geoff Sidebottom ao amin'ny Views from Towradgi (fanamarihana avy ao Wollongong tanàna Aostraliana momba ny hetsika teo an-toerana sy maneran-tany). Fihetsehampony izay niarahany nizara tamin'ny firenena:

… ho simba amin'izany ireo moron-dranomasina any amin'ireo morontsiraky ny Queensland sy ny manodidina ny nosy Great Keppel – ary ho voadona ny orinasam-pizahantany mamelona antsika.

Tany amin'ny 15 miles ivelan'ny faritra voatokana handehanany mahazatra ilay sambo. Na ny tsy fahaizana na ny tsy fahampiana fahaizana eo an-toerana dia afaka nosorohana raha nanana  mpamily mahay teo amin'ny “barre”.

Azo antoka fa fepetra tsy maintsy napetraka maika izany ho an'ny fivezivezena rehetra amin'ny Harambato ‘Corail’ Lehibe!

fandrarahana solitany tao amin'ny harambato ‘Corail’ ! [2]

Brian, ao amin'ny vondrona blaogy Larvatus Prodeo, dia mampatsiahy antsika fa:

Herintaona mahery kely izay, nisy fandrarahana solika betsaka tany amin'ny morontsiraka Atsimo-Atsinanan'ny Queensland raha rendrika ny sambo Pacific Adventurer [3] ka nanaparitaka solika 270 taonina nanerana ny morontsirak'i Sunshine sy ny nosy Moreton. Ankehitriny indray sambo Sinoa, ny Shen Neng 1, nirifatra tany amina harambato any amin'ny 120 km atsinanan'i Rockhampton amin'ny ilany atsimon'ny Harambato Corail Lehibe.

Fandrarahana solika tao amin'ny Harambato ‘Corail’ Lehibe [4]

Larissa Waters, mpirotsaka hofidiana ho Loholona Aostraliana, dia manazava tsara momba ny ilain'ny The Greens [ny antoko maitso]:

Tokony hisy ny mpitondra sambo avy amin'ny Marine foana any anatin'ireo sambo mpitatitra mivezivezy ao anatin'ny faritry ny Harambato Corail Lehibe, ary tokony hiantoka manontolo ny saran'ny fanadiovana ny loto ny orinasa, hoy ny Greens androany noho ny habetsahan'ny solika niraraka tao amin'ny nosy Great Keppel tsy voafaritra.

Tsy làlan'ny arintany akory ny Harambato Corail Lehibe fa sady endrim-pamantarana ny fizahantany mampiditra dollar an-davitrisany maro  no tahirin-javaboary izay tokony harovan'ny governemanta amin'ny heriny rehetra.

Mifanohitra amin'izany anefa fa vao maika ataon'ny governemanta izay hiakaran'ny fanondranana angovo avy amin'ny zavatra lo “fossil fuel), toy izay mamatsy ny angovo madio azo havaozina izay hiaro ny harambatontsika.

Tsy làlan'ny arintany ny harambato – hetsika fisorohana ny fandrarahana solika hoy ny Greens [5]

Tonga hatrany amin'ny ilan'ny Pasifika ny fisavoritahana. Any Etazonia, ny  gazety liberaly  Irregular Times (News Unfit to Print) dia nanoritsoritra toe-javatra mifandraika amin'ny fandrosoana any an-toerana:

Barack Obama dia manohana ny tetikasa adalan'i Sarah Palin, Drill Baby Drill (Lavaho anaka, lavaho), momba ny fanitarana ny fitrandrahana anaty ranomasina. Miteny izy fa tsy tokony hanahy isika, fa tsy hisy loza be ho avy…

…loza be tahaka ilay iray ankehitriny izay niletehana sambo mpitatitra arintany tao amin'ny Harambato Corail Lehibe. Betsabetsaka ihany ny solika niparitaka, nefa raha solika tsy voahodina no notateriny dia mety ho ratsy lavitra noho izany ny vokatr'ilay loza.

Fandrarahana solika tao amin'ny Harambato Corail Lehibe [6]

Tokony ho hisaotra ny avo fotsiny isika hoe sambo mpitatitra arintany ny tamin'ity indray mitoraka ity fa tsy mpitatitra solitany.

Azo antoka fa fepetra tsy maintsy apetraka ho an'ny fivezivezena rehetra amin'ny Sakana ‘Corail'!