- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Polonina: Maty tamin'ny fianjerana voromby tany Rosia ny filoha Kaczyński – Fihetsika voalohany

Sokajy: Polonina, Rosia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Tantara, Vaovao Mafana, Voina

Nahatratra ny tontolon'ny bolongana iray manontolo, ka hatrany amin'ny  gazety malaza [1] ankehitriny ny vaovao nianjeran'ny voromby nitondra ka nahafaty ny filoha Lech Kaczyński [2] sy ny vadiny ary ireo tompon'andraiki-panjakana ambony tany andrefan'i Rosia androany maraina. Nizotra ho any Katyn [3] ny filoha, handray anjara tamin'ny fotoam-pahatsiarovana ny fandripahana tao ana'alan'i Katyn nandritra ny taona 1940.

Samy nahitana ny fihetseham-pon'ny olona voalohany vantany vao nandre ny loza na ny tao amin'ny Twitter na ny mitovy aminy poloney Blip.pl. Tohina ny olona.

Hoy [4] Ewa_b :

ewab

Tsy te-hino aho

Nanampy i [5]Nice [PL]:

nice

Tena nofy ratsy izao ;-(

Ny hafa tahaka an'i Namenick koa  nampiseho [6] ny fahatairany tamin'ny alalan'ny fandefasana ny vaovao tamin'ny teny anglisy:

namenick

TOHINA AHO – Nidoboka tao Smolensk ny Vorombin'ny filoha Poloney. Tsy nisy niangana.

Nasongadin'i [7] Vagla fa [PL]:

vagla

Tao anaty voromby ny atsasaky ny mpikambana ao amin'ny governemantan'i Pôlônina.

Niditra an-tsehatra ny fihetseham-pon'i [8] [PL] hustka:

hustka

“ireo ny olona nitondra teto amin'ny firenena” chaos!! ;o

Navoitran'i [9] Perdo [PL]:

perdo

Nisolo toerana vonjimaika ny Filoha ny mpitondra tenin'ny Antenimiera. hambaran'izy ireo ny fisian'ny fifidianana ho avy.

Nitohana tanteraka ankehitriny ny famoaham-baovao Poloney tahaka ny  Onet.pl; mikatso tahaka izany koa ny serasera am-pinday.

Mitatitra i [10]Dziennikarz [PL]:

dziennikarz

manana olana avokoa ny vavahadin-tserasera poloney rehetra noho ny fahamaroan'ny mpiserasera be loatra

Malisa nilaza ny vaovao farany [11] momba ny serasera am-pinday[PL]:

malisa

#plusgsm [12] mikatso tanteraka. Tsy maintsy ho nifampiantso hifanome vaovao ny olona.

Tsy mitsaha-manome vaovao ny gazety [Sary sy feo ary serasera] malaza, ka mihamiseho ihany koa ny fihetse-pon'ny olona:

KissMeJoeJ no namoaka hoe [13]:

kismejoe

Mampihoron-koditra ny sarin'ny loza. 132 no maty. :([*]

Polskatimes.pl no namoaka [14] ny lisitra voalohan'ireo tao anatin'ny voromby, namahana [15] izany tamin'ny Twitter koa.

Efa lasa lavitra ny eritreritry [16] [PL] ny sasany tahaka an'i Irenkaa,:

irenkaa

Manontany tena aho raha tena loza tsotra tokoa iny…

Voter101 nilaza [17] ny zava-misy fa tsy tian'ny olona ny Filoha [PL]:

voter101

#president tsy misy tia azy – nefa hisy ny fanajana ny maty…mahatsikaiky.

manazava [18] [PL] Naphilim :
naphilim

Angamba tsy tia azy aho, saingy tsy toy izao kosa no ieritreretako ny fanovana ny filohan'ny firenena.

Manomboka mivory maneho ny alahelony ny olona, mitatitra [19] [PL] i dominikpanek :

dominikpanek

Mivory eo anoloan'ny Lapam-panjakana eo Varsovia ny mponina eto an-drenivohitra. Mitondra voninkazo sy Koraonina ry zareo.

Ny hashtag #RIPLechKaczynski [20] no ampiasain'ny mpamahana Twitter hanehoany ny alahelony an-tserasera, sy hiantsoany ny hafa hiara-miory aminy, fomba nataon’ [21]TeamJoeJ:

teamjoej

Miangavy mba hampiasa ny #RIPLechKaczynsk [20] 🙁

mi-tweet [22] ny fehin'ny fhetseham-pon'ny Poloney amin'izao fotoana izao mampiasa ny fitaovan-tserasera i Linkaaa:
Linkaaa

Mitomany aho. Na dia tsy liana amin'ny politika mihitsy aza fa mikasika an'i Polonina kosa. Ny Fireneko. Ny Filohanay. Filoha Poloney.